Iran: Sary andavanandron'ny zavakanto sy ny tantara Persiana

Tsy resaka politika sy fanoherana ihany tsy akory no ataon'ny olo-tsotra tia mampita hafatra, fa miresaka momba ny fiainana, ny zavakanto ary ny tantara ihany koa. I Vahid Rahmanian dia mpamaham-bolonga-tsary tia mamorona ka mamoaka ny sarin'ny toerana manantantara any Iran. Namoaka ireto sary eo ambany ireto ihany koa izahay rehefa nahazo alalana avy amin'i Vahid. Azonao tsindrina ny sary hahitanao sary lahibebe kokoa ao amin'ny bolongany.

Moske Maroloko

Moske Nasir AlMolk , Shiraz

Dihy Persiana

Hosodoko eo amin'ny rindrin'ny Chehel Sotoun (andry 40) ao Esfahan (Isfahan) mampiseho ny dihin'ny mpandihy Persiana eo amin'ny tandapan'ny mpanjaka Safavid.

Vilia amina haikanto isan-karazany

Ireto vilia ireo dia mampiseho ny fahamaroan-karazan'ny MinaKari, asatanana mampiavaka an'i Esfahan.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.