GlobalVoices anaty

Tantara farany

19/06/2013

Nilaozam-bady i Putin & Tapa-tsinay ny RuNet

Tohin'ny lahatsoratra Akon'ny RuNet

Vondron'olona telo avy ao amin'ny TV Russia 24 mijaridina anatinà lalantsara babangoanan'ny Kremlin, ilay mpitati-baovao miakanjo mainty nivanaka—izany no mpanatrika voalohany ny fanambaran'i [ru] Vladimi Putin fa nisaraka izy sy ny vadiny Lyudmila.

18/06/2013

Sary Lahatsoratra
Notsenain'ny Polisy Tao Jerosalema Tamin-kerisetra Ireo Mpanao Hetsi-panoherana “Rariny Sosialy Israeliana “

Tohin'ny lahatsoratra

Hetsi-panoherana iray nokarakarainà fikambanana telo samy sampana ao amin'ilay hetsika "Israeli social justice (#j14)" - Rariny Sosialy Israeliana - no niseho tao Jerosalema ny alin'ny Sabotsy teo (June 8). Nitaky ny hiverenana amin' ilay fanapahan-kevitra hanondranana Entona natoraly avy ao Israely izay tsy ahazoana afa-tsy 12.5% amin'ny haba ihany no hiditra amin'ny kitapom-bolam-panjakana. Nitsipaka ilay tetibolan'ny governemanta vaovao koa ireo mpanao hetsi-panoherana, tetibola heverina izay mikasa ny hampiakatra bebe kokoa ny hetra alaina amin'ireo sarangan'olona ambany sy salantsalany, ary mifanindran-dàlana amin'izay ny fampihenana ny vola ho an'ny foto-drafitrasa ho an'ny daholobe izay tena iankinan'ny fiainan'ireo sarangan'olona ireo. Ambony dia ambony ny tahan'ny herisetra nitsenan'ireo polisy ilay hetsika, na dia nilamina sy vitsy mpandray anjara (an-jatony kely teo ireo mpanao hetsi-panoherana) aza ilay izy.

Vladimir Putin: Tompon'ny Peratra (Super Bowl)

Tohin'ny lahatsoratra Akon'ny RuNet

Nangalatra ny peratr'i Robert Kraft tompon'ny Super Bowl antsoina hoe New England Patriots ve i Vladimir Putin tamin'ny 2005? Maro ny bilaogera Rosiana nanao io fanontaniana io, rehefa niteny i Kraft tamin'ny 4 Jona 2013, tao amin'ny tafatafa hita ao amin'ny New York Post fa tsy nanolotra ny peratra ho fanomezana izy ny tena marina.

Sary Lahatsoratra
Fianakavian'Ireo Voasambotra Tsy Ara-dalàna Maro, Manao Hetsi-panoherana Avy Any An-Tranony

Tohin'ny lahatsoratra

Nanamarika ny Andro Faharoa Ho An'ireo Voafonja ny Zoma 07 Jona, fihetsiketsehana iray nomanin'ireo Fikambanana Mpisolovava tsy mitonona anarana @e3teqal sy ny @almonaseron ho fanairana mikasika ny fisamborana tsy manara-dalàna ao ataon'ny fitondram-panjaka Saodiana. Nametaka sary teny amin'ny trano fonenan'ireo voafonja ny mpanao fihetsiketsehana mba hisarihana ny sain'ny maro momba ny manjo azy ireo.

Tanora Saodiana Voasambotra Noho Ny “Faniratsiràna Ny Fivavahana”

Lehilahy Saodiana roa no voasambotry ny Kômitin'ny Fampiroboroboana ny toetra tsara sy Fisorohana ny toetra ratsy (CPVPV) tany Riyadh renivohitra noho ny faniratsiràny ny fivavahana. Ny Iray amin'izy ireo, Bader Al-Rasheed, dia mizara ny sedrany anatinà bitsika mitohitohy, notaterin'i Hadeel Mohammed.

Sakanan'i Arabia Saodita Ny Rindrambaiko Viber Fandefasana Hafatra Eo Noho Eo

Tohin'ny lahatsoratra

Araka ilay fandrahonan'ny Saodiana hanakana ny rindrambaiko fifandraisana mirakitra isa raha tsy avela hanara-maso ny governemanta, voasakana ilay rindrambaiko fandefasana hafatra eo noho eo ny marainan'ny 5 Jona 2013. Tsy afaka hidirana intsony ny vohikala ary tsy mety mifandray amin'ny aterineto ilay rindrambaiko.

17/06/2013

Sary Lahatsoratra
Brezila: Diabe ho an'ny Fandriampahalemana Notanterahan'ny Tanora tao Fortaleza

Tohin'ny lahatsoratra

An-jatony ireo olona nanao diabe nanerana ny araben'i Canindezinho ao Fortaleza [tanàna faharoa ao avaratr'i Brezila] nandritra ilay fidinana an-dalambe ho an'ny fandriampahalemana, entina indrindra hiampangana ireo famonoan'olona eo anivon'ny...

Trinidad & Tobago : Izay Mety No Ataovy

Tohin'ny lahatsoratra

Na ahoana na ahoana no tianao hamaritana azy - ny foto-kevitra, ny fitsipika moraly, ny toetra - no mamehy ny fitsipi-pitondrantena amin'ny fanaovana izay mety. Miaraka amin'ny fitsingidingidinan'i Trinidad sy Tobago ho any amin'ny laharana faha-80 amin'ny Fandaharan'ny Transparency International tamin'ny taona 2012 mikasika ny Fomba fahitàny ny Kolikoly, bilaogera vitsivitsy avy ao an-toerana no nifanakalo hevitra momba ny resaka fahamendrehana.

14/06/2013

Video Lahatsoratra
Resadresaka Tamin'i Anne, Iray Amin'ireo Mpandray Anjara Amin'ny Vaovao An-dahatsary “Manao ahoana any Bamako?”

Tohin'ny lahatsoratra

Amperin'ady any Mali i Frantsa. Nanapa-kevitra ny handefa amin'ny YouTube vaovao an-dahatsary iray mikasika ireo resadresany tamin'ny Skype i Anne Morin any Parisy sy ilay vehivavy namany Awa Traoré any Bamako. Te hahazo ireo vaovao mikasika ny faritra sy ireo namany i Anne. Tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'i Anna Gueye, niresaka betsaka mikasika io gazety io sy ny fifandraisany amin'i Mali izy .

Sary Lahatsoratra Video Lahatsoratra
Hatezerana Noho Ny Herisetra Tamin'ny Fisamborana Ireo Mpaka Sary Mpanao Gazety Espaniola Roa

Tohin'ny lahatsoratra

Nozaraina be tao amin'ny Twitter amin'ny tenifototra hoe #RaúlLibertad ireo vaovao momba ny fisamborana ilay mpaka sary mpanao gazety Raúl Capín, tany Madrid. Voasambotra ihany koa i Adolfo Luján, mpaka sary mpanao gazety. Hafatra maro maneho fahatezerana sy manohitra ny famoretana ny mpanao gazety izay mitatitra ny fikomiana ara-tsosialy no mifanaretsaka ao amin'ny aterineto.

Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny