Mahazo Fandrahonana Ho Faty Avy Amin'Ireo ‘Mpiambina ny Jihad’ Ireo Mpanao Gazety Mpitatitra Ao Mali

Rebels from the militant Islamist sect Ansar Dine in Mali - Public Domain

Ireo mpikomy avy amin'ny vondrona mpitolona Ansar Dine ao Mali. Sehatra ho an'ny Daholobe

Nahazo fandrahonana famonoana ho faty ny mpanao gazety vitsivitsy mandrakotra an'i Afrika Andrefana taorian'ny tatitra nataon'izy ireo momba ny faritra avaratr'i Mali.

Tao anatin'ny hafatra nalefa ny 31 Aogositra dia tsy nanamarika ireo antony mikasika ny fandrahonana ny vondrona iray izay mitonotena ho “Les Gardiens du Jihad” (na Mpiambina ny Jihad), saingy nanipika fa hovonoina ireo mpanao gazety vahiny, indrindra indrindra ireo Frantsay, noho ny “fanelezana lainga mikasika ny Silamo”.

Ity ny dikatenin'ny ampahany amin'ilay hafatra:

Amin'ny anaran'ireo Mpiambina ny Jihad, mampahafantatra izahay fa ny Tànan'ny Mpaminany dia hanampy anay hamono ireo mpanao gazety vahiny rehetra ao Mali s'ireo mpanao gazety izay miasa ho an'ny media vahiny. Fantatray avokoa ny toeram-ponenanareo rehetra ary fantatray izay halehanareo. Hitarika anay ny Tànan'ny Mpaminany mba handringana anareo s'ireo lainga afafinareo mikasika ny Jihad. Mangataka ny fialanareo eto Mali izahay […] Hisy loha ho tapaka tsy ho ela ary hanomboka amin'ireo Frantsay mpanao gazety izany s'ireo mpanao gazety miasa ho an'i Frantsa, izay fahavalo voalohan'ny silamo.

Mpanao gazety roa, Ghislaine Dupont sy Claude Verlon, no maty tany Bamako, Mali, ny volana Novambra 2013, novonoin'i Bayes Ag Bakabo, lehilahy iray nahiahiana ho mpikambana ao anatin'ny Al-Qaeda ao Maghreb (AQIM).

Ilay zava-nitranga vao haingana tao avaratr'i Mali dia niteraka antony mampanahy fa marefo ny fandriampahalemana ao amin'ny faritra. Ny 9 Aogositra lasa teo, olona 13 no maty, ny dimy tamin'ireo dia mpiasan'ny Firenena Mikambana, tamin'ny fakàna takalon'aina tao amin'ny toeram-piantranoana iray ao an-tanànan'i Sevare ao afovoan'i Mali. Nandray an-tànana ny fiarovana ny firenena ny tafiky ny Firenena Mikambana rehefa niala ny tafika Frantsay ny volana jolay 2013. Niditra an-tsehatra teo amin'ny firenena i Frantsa taorian'ny nandrahahonan'ireo mpitolona Silamo hanao diabe tao Bamako ny Desambra 2012, nantsoina tamin'izany hoe Hetsika Serval.

Iray tamin'ireo fandrahonana manokana azon'ireo Frantsay mpanao gazety io, noho ny asa fitaterany momba ireo mpitolona Silamo hatry ny famonoana tao amin'ny Charlie Hebdo ny 7 Janoary 2015. Ny volana Jona, niezaka ny hahafantatra ny antony mahatonga ireo tovovavy s'ireo tanora handao ny fonenany sy ny fianakaviany mba hamonjy ny ISIS any Siria, ny Frantsay mpanao gazety Anna Erelle (solon'anarana). Namorona anaran-tsandoka tanaty aterineto izy ary nifandray taminy ny lehilahy iray antsoina hoe Abu Bilel izay nandroso hevitra sy nanasa azy ny mba hanatevin-daharana ny vondrona. Rehefa nandà izy, nandefa fandrahonana ho faty taminy i Bilel. Ity manaraka ity ny lahatsarin'i Erelle manazava ny zava-misy iainany amin'izao fotoana izao:

Manampy ny vanim-potoana fihenjanana ara-tsosialy efa misy any Frantsa ireo fandrahonana mikendry ny mpanao gazety ireo, taorian'ny fitifirana tao anatin'ny Fiarandalamby Thalys mampitohy an'i Amsterdam amin'i Paris ny 21 Aogositra teo. Araka ny voalazan'ny Frantsay Mpampanoa Lalàna François Molins, tao anatin'ireo volana vitsy lasa:

  • 1.882 Français sont aujourd'hui impliqués dans le djihad
  • 87 personnes font l'objet d'une information judiciaire
  • 63 d'une enquête judiciaire
  • 209 ont été mises en examen et 125 placées en détention provisoire
  • teratany Frantsay 1.882 ankehitriny no voarohirohy anatin'ny hetsiky ny djihad
  • olona 87 no iharan'ny fanontaniana ara-pitsarana
  • 63 no iharan'ny fanadihadiana ara-pitsarana
  • 209 no voampanga ary 125 no voatàna vonjimaika.

Nilaza ny Filoha Frantsay François Hollande ny 25 Aogositra teo, taorian'ny fanafihana ny Thalys fa ahiana ny hisian'ireo  fanafihana fanampiny ny tany Frantsay. Notononin'i Hollande fa ny ISIS, ny Boko Haram ary ny Filohan'i Siria Bashar al-Assad no loza mitatao amin'ny fiarovana any Frantsa. Fanafihana valo no natao tamin'ny tanin'i Frantsa ny taona 2015 (eto ny alimanàka an'izany).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.