Tranonkala Mitovy Endrika Amin'ny ‘Mortal Kombat’ Entin'ireo Rosiana Mpikatroka Mafàna Fo Hiadiana Amin'ny Kolikoly Monisipaly

Russian activists pitch an online battle against corrupt local officials, 'Mortal Kombat'-style. Screenshot from mk.team29.org.

Rosiana mpikatroka mafàna fo mametraka ady ety anaty aterineto hanoherana ireo manampahefana mpanao kolikoly, amin'ny endrika “Mortal Kombat”. Pikantsary avy amin'ny mk.team29.org.

Tonga avy any ireo mpikatroka mafàna fo avy amin'ny Komanda 29 (“Ekipa29″), andianà Rosiana mpisolovava sy mpanao gazety manokantena hampiroborobo ny mangarahara, niaraka aminà fomba iray mahavariana hisarihana ny saina hitodika amin'ny tetikasan-dry zareo farany indrindra izay mifantoka amin'ireo fanadihadiana miady amin'ny kolikoly sy ny fakàna ambavany eny amin'ny fitsaràna mba hanoherana ireo manampahefana ao an-toerana. Nandrafitra niaraka tamin'ny Fondation Komanda 29 miady amin'ny Kolikoly naorin'i Alexey Navalny ny  tranonkala iray nomena anarana hoe “MunKombat” na “Municipal Kombat.”

Novolavolaina avy amin'ilay lalaon'ady an-dahatsary malaza “Mortal Kombat” ilay tranonkala miezaka mitahiry ny dindon'ireo tolona mandeha eny amin'ny fitsaràna sy ny vokatr'izy ireny, satria ezak'ireo mpikatroka mafàna fo ny hitondra ho eo anatrehan'ny fitsaràna ao Rosia ireo manampahefana monisipaly izay mandà ny tsy hamoaka ho fanta-bahoaka ny torohay tokony ho ilaina, toy ny momba ny karaman-dry zareo. Azon'ireo mpampiasa ny tranonkala atao ihany koa ny mametraka ny fangatahany manokana hanaovana fanadihadiana manampahefana iray eo an-toerana.

Муниципалы — самая близкая к тебе власть. Их работа — делать твою жизнь комфортнее, но вместо этого они пилят, скрывают доходы, не отвечают на вопросы о проблемах благоустройства. Устал жить дружно? Расскажи о них проекту Мункомбат и жди фаталити, бруталити и прошибания противником потолка (на самом деле, мы будем подавать заявления в суд).

Ireo [manampahefana] monisipaly no manampahefana akaiky indrindra anareo. Asan'izy ireny ny manao izay hahatomombana ny fiainanareo, saingy tsy izany fa mangalatra no ataony, manafina ny fidirambolany, manao tsinontsinona ny olana mikasika ny fanatsaràna ny fiarahamonina. Leo ny mandefitra ve? Ambarao amin'ny  tetikasa MunKombat ny momba azy ireny ary miomàna hahita “fahafatesana,” “herisetra,” sy ny mpifanandrina aminao hitsiràra amin'ny tany (ny tena marina dia ho entinay eny amin'ny fitsaràna ry zareo).

Efa nisy sahady ny fakàna ambavany teny amin'ny fitsaràna, ary an-dàlana ny sasany, mipetraka ao anaty tetiandro iray hita ao amin'ny tranonkalan'ny “Municipal Kombat“. Ireo mpiasam-bahoaka ao an-toerana izay niharan'ny fanenjehana soa aman-tsara momba ny kolikoly dia misoratra ao anaty lisitry ny “resy”. Amin'ny alàlan'ny tenifototra #MunKombat, mampahafantatra ilay tetikasa ety anaty media sosialy ihany koa ireo mpikatroka mafàna fo.

Ivan Pavlov, mpisolovava monina ao Saint Petersburg ary mpikatroka mafàna fo amin'ny fampiroboroboana ny fahalalahana hahazo vaovao no nanorina ny Komanda 29. Tamin'ny Aprily 2015, nanomboka tranonkala iray hafa ry Pavlov sy ekipa iray ahitàna mpisolovava vitsivitsy, Infodozor (“Infowatch”) izay manaraka ny dingana vita amin'ny resaka mangarahara sy ny fisokafana amin'ireo birao monisipaly isankarazany manerana an'i Rosia. Ny Fondation miady amin'ny Kolikoly dia tamin'ny 2011 no naorin'ilay mpanohitra ara-politika, Alexey Navalny, ary miasa amin'ny fanaovana fanadihadiana eny anivon'ireo Rosiana manampahefana ambony, amin'ny fanarahana maso ny fifidianana, sy ny fanatsaràna ny tolotra omen'ny fanjakana ho an'ny olom-pirenena Rosiana, ankoatr'ireo tetikasa hafa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.