Maka fitia tsy mba hetra hanaovana fandraketam-peo ilay Rosiana olomangan'ny Rock Boris Grebenshikov

Boris Grebenshikov is turning to the fans online for support. Image from the artist's Facebook page.

Mitodika any amin'ny mpankasitraka antserasera i Boris Grebenshikov amin'ny fanohanana. Saripika ao amin'ny pejy Facebook-n'ny Artista.

Boris Grebenshikov, ilay Rosiana toavina indrindra eo amin'ny tontolon'ny rock sady lehiben'ny tarika Aquarium, no mitodika amin'ny fanangonambola antserasera hatao vatsy amin'ny fandraketana ny rakikirany farany. Saingy niteny ilay mpitendry mozika, izay efa niakatra ny sehatra hatramin'ny 1972 ary manana mpiondana goavana dia goavana ao Rosia sy ny Firaisana Sovietika teo aloha fa zara raha antsoina hoe zava-baovao izao fomba fakana vatsy amin'ny vahoaka izao.

Tamin'ny antso natao tao amin'ny Facebook tamin'ny 1 Septambra no nanoratra i Grebenshikov fa “niankina tamin'ny namana” hatrany ny Aquarium rehefa handrakitra sy hamoaka hira, ary ny tarika no voalohany nisokitra voalohany tao Rosia ny voambolana “magnitizdat”—nampisy ho hita maso tamin'ny feo sy ny hira ny voambolana “samizdat” na famoahana [feo sy hira] nataon'ny tena ihany —.

Друзья помогали полулегально записаться ночью в студии. Друзья распространяли полноценные альбомы с самодельными обложками на катушках и кассетах. Друзья привезли нас в Канаду на первую профессиональную сессию звукозаписи. Друзья открыли нам двери фирмы «Мелодия». Сегодня мы все – обитатели Прекрасного Нового Мира Интернета, где музыку можно слушать бесплатно. Но, чтобы ее записывать, нужны деньги.

Namana no nanampy anay handrakitra, ara-dalàna amin'ny ampahany, any amin'ny studio. Namana no nampiely ny rakikira manontolo natao tanana tamin'ny fonony natao tanana sy ny fandraisampeo. Namana no nitondra anay nankany Canada hanatontosa fandraisampeo matihanina voalohany. Namana no nanokatra ny varavaran'ny fandraketampeo “Melodiya” ho anay. Ankehitriny isika mponin'ny Tontolo Vaovao Mahatalanjon'ny Aterineto, izay ahafahanao mihaino hira maimaimpoana. Fa mba ahafahana mandrakitra azy dia mila vola izahay.

Nasongadin'ilay Rosiana olomangan'ny rock fa tontosa ny mozikan'ny tarika Aquarium rehetra “tamin'ity taonjato ity’ noho ny fanampian'ny “namana” sy mpankasitraka. Tao ho ao izay i Grebenshikov no nanangana antso tamin'ny sehatra rosiana fanangonam-bola planeta.ru, nametraka lasitra azy ho “fampandalovana ny satroka any amin'ny olona” [hainareo ihany rehefa mangataka e!]. Ao anatin'ny fandrisihana ho an'ny olona mandray anjara amin'ny fitia tsy mba hetra ny rakipeo vita amin'ny kapila vinyl sy kapila CD ahitana ny hiran'i Grebenshikov sy ny Aquarium isankarazany, nosoniavin'ilay mpihira an-tanana. Tsy ampy iray andro akory (fa tamin'ny mitataovovonan'ny 2 septambra ora Moskoa), dia efa nahangona mihoatra ny 2,5 tapitrisa robla sahady ($37.300) amin'ny 3 tapitrisa ($44.760) nokendren'ny tetikasa no azo (ny antso dia nokendrena handeha ao anatin'ny 110 andro, saingy hita fa mety hirava aloha be raha izao no mitohy).

Grebenshikov performing at a concert in Oslo in 2015. Image from Wikimedia Commons.

Grebenshikov mihira mandritra ny konseritra iray ao Oslo tamin'ity taona 2015 ity. sary tao amin'ny Wikimedia Commons.

Grebenshikov, izay antsoin'ny mpankasitraka fotsiny hoe BG (amin'ny fanombohan'anarany) , dia matetika mahazo ny anaram-bositra ho “Dadaben'ny Rock Rosiana,” noho ny hamaroan'ny hirany malaza sy ny halavan'ny fotoana niakarany an-tsehatra efa nitety taompolo maromaro. Na dia tsenain'ny tsikera aza indraindray ny fampanaovana fitia tsy mba hetra tetikasankira, amin'i BG kosa dia mandray ny antso araka ny endriny hita ny mpankasitraka ary matoky fa ho araka ny nantenaina ny hira. Ny mpisera andrey180381 milaza ny tsaratsara amin'i Grebenshikov eo amin'ny asany ary manantena fa ho hita ao amin'ny rakikira vaovao irony “badabada avy amin'ny fangaronteny sy mozika irony.”

Приятно сознавать, что можешь вложить свою крупицу в часть творчества “Аквариума”!

mahafinaritra ny mahafantatra fa afa-mandray anjara kely amin'ny rafitra ataon'ny Aquarium ianao!

Tao amin'ny adihevitra somary mafanafana ihany tao amin'ny zoro fifanakalozan-kevitr'ilay antso fanampiana tao amin'ny Facebook, misy ny mpisera sasantsasany miampanga an'i Grebenshikov ho “voavidy,” manonona ny fitsidihana natao vao haingana tao Okraina ho ohatra, ka milaza fa tsy mankasitraka ny hirany intsony. Ny hafa indray, tahaka ny mpisera Facebook Artyom Smol'yaninov, nihevitra fa tsy maodelim-pandraharahana madio ny maka fitia tsy mba hetra hanaovana fandraketan-kira.

Дать денег на альбом, чтобы он потом продал нам этот альбом, чтобы потом мы купили билеты на концерт… Выгодная сделка!

Manomeza vola azy hanaovany album [rakikira], mba hahafahany mivarotra ilay rakikira avy eo, mba hividianantsika tapakila ijerena ny rindrakira izany… Fifanarahana mora azo an-tanana!

Ny fanehoankevitra mitsikera dia voatsenan'ny antokom-peon'ny “ambonin'ny politika sy ny mozika”, izay anaovan'ny mpisera Vlad Basovsky fehinteny amin'ny fahaiza-manontany.

Хочу спросить тех, кто, якобы, перестал слушать БГ по политическим мотивам. Как же вы раньше его слушали? И если слушали, почему не услышали?

Te-hanontany ireo milaza fa nijanona tsy nihaino an'i BG intsony eo amin'ny kianjan'ny politika. Fa ahoana ny nandrenesanao azy taloha? Ary raha nihaino ianao, ahoana no tsy nandrenesanao?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.