Tsy Tany Kairo Nanatrika Ny Kaonferansa Momba Ny Ady Lehibe Faharoa Ny Filoha Mao. Koa Nahoana Ny Sariny No Ao Anaty Afisin'ilay Sarimihetsika?

Original poster of the Cairo Declaration and netizen's spoofed version (via Twitter user @abin5689)

Peta-drindrina niaingàn'ny “Kaonferansa Kairo ” (ankavia) ary ny dika vilana tety anaty aterineto (havanana) avy amin'i @abin5689, mpampiasa Twitter

Natao ho hita amin'ireo fandefasana sarimihetsika manerana an'i Shina ilay sarimihetsika nandaniana volabe “Ny Fanambaràn'i Kairo”, amin'ny 3 Septambra izao, andro iray natokan'ireo Shinoa manampahefana rahateo hanaovana matso miaramila hankalazàna ny faha-70 taonan'ny fiondrehan'i Japana tamin'ny Ady Lehibe Faharoa. Natao hanamafisana ny hevitry ny Antoko Kaominista Shinoa (CCP) hoe “anjara asa lehibe” tamin'ny fiarovana ny firenena nanoherana ny fananiham-bohitr'i Japana teo anelanelan'ny 1937 sy 1945 ilay sarimihetsika novokarin'ny August First Film Studio, tranom-pamokarana iray mifamatotra amin'ny tafika Shinoa.

Ireo Tafika Mpiara-dia tamin'ny Ady Lehibe Faharoa no namoaka ny Fanambaràn'i Kairo  nandritry ny fihaonambe natao tao Kairo, Ejipta, tamin'ny 27 Novambra 1943, izay namoaka ireo tanjona aorian'ny ady ho an'i Shina, Japana ary Korea. Tany i Chiang Kai-shek, mpitarika politika sy ara-tafika tao amin'ny Repoblikan'i Shina (Taiwan), nefa ny lahatsary fampahafantarana sy ireo afisy navoaka tamin'ny tapaky ny Aogositra dia toa manome fahatsapana hoe tany amin'ilay Kaoferansan'i Kairo ny filohan'ny Antoko Kaominista Shinoa,  Mao Zedong, fa tsy i Chiang.

Na eo aza ireo afisy, nolazain'i Tale Wen Deguang fa i Chiang no olona fototra ijoroan'ilay sarimihetsika ary mifototra amin'ny zava-nisy ara-tantara ilay tantara. Nandeha lavidavitra kokoa tamin'ny fanazavàny izy hoe volana telo teo no lany namokarana ilay sarimihetsika ary iray volana sy tapany no lanin'ny ekipa nikarakarana ny sehatra manasongadina an'i Chiang raha andro efatra monja izany ho an'ny fanasongadinana an'i Mao.

Na eo aza ny fahasamihafan'ny fotoana andefasana azy, dia toy ny manisi-kevitra ilay lahatsary hoe tany ambadiky ny sehatra tany hatrany i Mao tamin'ny ady natao hanoherana ny Japoney tamin'ny alàlan'ilay fanamarihany teny am-panokafana hoe, “Ny anjara asan'ny kaominista manerana izao tontolo izao dia ny manohitra ny fasisma amin'ny alàlan'ny tolona.”

Tamin'ny famadihana ilay afisy manasongadina an'i Mao ho sary mahatsikaiky ety anaty aterineto no namalian'ireo mpisera ny fahitàny ilay fanolànana ny tantara. @Mosendoo, mpampiasa Twitter, dia namorona dika iray hafa misy an'i Kim Jong Un, mpitarika Koreana, ary nanondro tranonkala iray ahafahan'ireo mpampiasa manamboatra ny afisy novain'izy ireo manokana :

Hatramin'ny namotehan'i [Mao] “Ny Fanambaràn'i Kairo”, misy dika vilana maro samihafa amin'ilay afisy nanomboka nivezivezy ety anaty aterineto. Misy mihitsy aza olona namorona fanamboarana afisy ety anaty aterineto ho an'ilay an'i Kairo, azonao akarina ao ny sarinao ary dia lasa mpitarika goavana ianao!

Maro no mino fa na ny “Fanambaran'i Kairo” , na matso miaramila amin'ny 3 Septambra  dia samy nofinofin'ny Filoha Shinoa, Xi Jinping avokoa, hisian'ny “fientanam-pirenena indray” mba hamerenana manoratra ny tantaran'ny Antoko Kaominista Shinoa mifandray amin'ny ady nifanaovan'i Japana sy Shina.

Arakaraky ny hanatonan'ny andro hanaovana ny matso miaramila, niteny momba ireo fomba famaky ny tantara nataon'ny antoko ireo olona fanta-bahoaka. Nokianin'i Ma Yingjeou, filohan'i Taiwan, ho toy ny “vazivazy ratsy” ireo afisin'ilay sarimihetsika ary notsindriany fa ny ezaka tamin'ny ady nanoherana ny Japoney dia an'ny Antoko Politika Kuomintang tao anatin'ny Repoblikan'i Shina (Taiwan) izay vao natsangana tamin'izany fotoana, zara raha nisy ny fandraisana anjaran'ny CCP.

Yang Jianli, mpandàla ny demaokrasia ary miaina an-tsesitany any Etazonia hatramin'ny famoretana ny hetsi-panoherana ta amin'ny Kianja Tianmen tamin'ny 1989, dia nanipika fa nandritra ny Kaonferansa tao Kairo tamin'ny 1943, ny ady fahefan'antoko no nanahirana an'i Mao nandritry ny  Hetsika Fanitsiana ny Yan'an  (1942-1944), ka tao anatin'izany no nametrahany ny maha-zava-dehibe ny toerany tao anatin'ny antoko CCP:

回顾这段历史我们可以看到,当二战中的同盟国与轴心国拼杀到人仰马翻的时候(其中也包括苏联与希特勒的战争),从1941年起,毛泽东东靠阎锡山的屏障,西有盛世才的庇佑,高喊着爱国抗日的口号[…] 其实他将延安变成了一处抗战中的桃花源,在这里,他完全根据自己的需要,对党政军干部重新评估使用,对军队和干部进行彻底而残酷的洗脑,从而在中共历史上第一次形成了党的最高领袖对党和军队的绝对统一领导 […] 1945年初,在延安整风接近四年后,整人整得不亦乐乎的毛泽东发现日本战败的结局要比自己估计的时间提前,于是匆忙结束整风,厚着脸皮向被整者“脱帽道歉”,让他们下山摘桃子,去国共内战的战场上拼杀——要打仗,自然就没时间整人,好在人都已经整过,听话得很,而蒋介石除了嫡系部队之外,却是难以指挥。内战的胜负,仅在这一点上,就可以隐约看出端倪了。

Afaka jerentsika ao anatin'ny tantara fa rehefa injay nifamono ny Tafika Miara-dia sy ny Axes (tafiditra tao anatin'ny ady koa i URSS sy Hitler), hatramin'ny 1941 i Mao no nobahanan'i Yan Xishan mpitarika ady tao amin'ny Kuomintang, sy Sheng Shicai ilay mpitarika ady notohanan'ny Sovietika. Nijanona ho teny filamatra fotsiny ilay tolona nanoherana ny Japoney […]

Raha ny marina, navadiny ho tontolon'ny nofy ny vanim-potoanan'i Yan'an, izay mety hahafahany manombana, araka amin'ny fitiavany manokana, ireo tomponandraikitry ny antoko. Mba hahazoany antoka fa hifikitra tanteraka amin'ny antoko eo ambany fitarihany sy hametrahany ny jadony, nosasàny atidoha ihany koa ny tafika sy ireo manamboninahitra ao anatiny.

[…] tamin'ny 1945, taona efatra taorian'ny nanombohan'ny Hetsika Fanitsiana ny Yan'an, tsikartr'i Mao fa tonga aloha loatra noho izay noeritreretiny ny filavoan'i Japana. Nofaranany ilay fanitsiana ary noraisiny ny satrony, niala tsiny tamin'ireo izay nilàny vaniny izy mba hahafahan'izy ireny miady tao anatin'ilay ady an-trano [teo amin'ny Kuomintang sy ny CCP]. Taorian'ilay fanitsiana, lasa mpanàra-poana ny tafika. Ary raha ny momba an'i Chiang Kai-shek, tsy nanohy nitazona mpitarika ady hafa ho eo ambany fibaikoany izy. Avy eo, hita tanteraka ny vokatry ny ady an-trano.

Nambaran'i Yang fa antenainy ilay sarimihetsika mba hitondra ireo mpijery hikaroka ny tantaran'ny CCP no sady ho fitaratra hitaràfana ny fiantraikan'ny jadon'i Mao ao Shina sy eran'izao tontolo izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.