Mamaly Ny Fanamby Napetrak’ireo Mitovy Aminy Miteny Anglisy Ny Vondrom-Piarahamonina Teknolojika Any Afrika Miteny Frantsay

4 communautés tech qui s'épanouissent en Afrique (Akendewa CIV, Habaka, Mg; Qleasy, CIV; JokkoLabs, SEN)

Vondrom-piharahamonina teknolojika 4 izay miroborobo any Afrika (Akendewa CIV, Habaka, Mg; Qelasy, CIV; JokkoLabs, SEN)

Tato anatin'ny taona vitsivitsy, betsaka ny tantara miseho amin’ny media mikasika ny “fihavaozana afrikana amin’ny alalan'ny nomerika “, fampanantenana tena tsara avy amin’ny “Silicon Savannah” sy ireo foibe hafa momba ny teknolojia ao Afrika atsimon'i Sahara. Efa tonga amin’ny faratampony io fampahafantarana amin’ny alalan’ny media io nandritra ny fitsidihan'i Barack Obama tao amin'ny Global Entrepreneurship Forum tao Nairobi. Na izany aza, niavaka tsy hita ny Afrika miteny frantsay tamin'io fandrakofana tamin’ny media io ary nifantoka betsaka tany amin'ny firenena miteny anglisy manana toerana tsara tahaka an'i Nizeria, Kenya, Afrika Atsimo ary Ghana ny mason’izao tontolo izao. Araka izany, handray anjara amin'ny fifaninanana manaraka DEMO pitch Africa, ny Startups 30 tsara indrindra, firenena telo ihany no miteny frantsay, roa avy any Kamerona (izay miteny anglisy amin’ny ampahany) ary iray avy any Côte d'Ivoire. Amin'ny ankapobeny, misy iraisana hevitra fa manana fahataràna goavana raha miohatra amin’ireo mitovy aminy miteny anglisy ny sehatry ny teknolojia any Afrika miteny frantsay atsimon'i Sahara. Na izany aza, ny teknolojia any Afrika miteny frantsay toa vonona ho amin'ny fanamby amin’ny alalan’ny fiforonan'ny tetikasa vaovao mahabe fanantenana amin'ny fanavaozana nomerika.

Misy mari-pamantarana vitsivitsy amin'ny loharano mety nihavian’ny olana: voafetra kokoa noho ny tsy fahampian'ny famatsiam-bola ny mpandraharaha miteny frantsay raha oharina amin’ny rahalahiny miteny anglisy. Mpampiasa vola “anglo-saxon” ny ankamaroan'ny mpamatsy ara-bola amin’ny teknolojia, izay misalasala kokoa hampiasa vola any Afrika miteny frantsay, ary mety tsy hahafantatra loatra ny startups-ny Afrika miteny frantsay. Ny zava-misy, tsy manana mpampiasa vola ilaina hanombohana marina ny mpampiroborobo teknolojika any afrika miteny frantsay raha oharina amin'ny firenena miteny anglisy.

Na teo aza ireo vato misakana, manomboka miova ny fandehan-javatra. Senegal no mpisava làlana amin'ny fanombohana ny orinasa IT maro. Jokkolabs, mpampiroborobo orinasa voalohany any Afrika miteny frantsay atsimon'i Sahara, nisokatra tany Dakar tamin'ny 2010. Nanomboka tamin'izay izy ireo no nikarakara andiana hackathons, fiofanana (#Codecamp), sy fihaonambe (toy ny # Failcon #Dakar tamin'ny volana lasa). Mizara ny lasitra avy aminy manerana an'i Afrika Andrefana ankehitriny ny Jokkolabs, amin'ny fanokafana sampana ao Côte d'Ivoire, Burkina Faso, Mali, Benin ary tsy ho ela any Maraoka. Tamin'ny 2012, Senegal no lasa firenena afrikàna miteny frantsay voalohany nampiantrano ny fihaonambe mikasika ny startups.

Nefaangamba no efa akaiky hihoatra an’i Senegal i Côte d'Ivoire eo amin'ny sehatry ny teknolojia. Natomboka tamin'ny taona 2009 ny Akendewa, toeram-pivezivezena (hub) teknolojika voalohany ao amin'ny firenena, ary nijanona ho mavitrika nandritra ny krizy 2010-2011. Niteraka startups mahabe fanantenàna ihany koa ny firenena, izay mamaha ny olana manokana mianjady amin’ny Ivoariana, toy ny Qelasy (tabletim-pampianarana ho an'ny ankizy) sy ny TaxiTracker (fampiharana ny “geolocalisation” mba hamaliana ny ahiahy mikasika ny fiarovana eo amin'ny taxi Ivoariana). Namirapiratra tamin'ny hetsika Afrikana “Maker” ihany koa i Togo izay mpifanolo-bodirindrina, tamin’ny alalan’ny ” fab lab,” malaza indrindra, ny Woelab, ary ny fanombohana tamin'ny fiandohan'ity taona ity ny fab lab iray vaovao tany amin'ny faritra avaratr'i Togo. Noforonina tamin'ny fanampiana ara-bola avy amin'ilay goavan'ny fifandraisan-davitra frantsay Orange ny CIPMEN, mpampiroborobo voalohany any Niger.

Nefa tsy voafetra ao Afrika Andrefana ihany ny fihetsiketsiky ny teknolojia. Any amin'ny Repoblikan'i Congo (Brazzaville), ny orinasa atao hoe VMK, izay nanomboka ny tablety afrikana voalohany sy ny Finday avo lenta taona vitsy lasa izay (namidy tany Congo sy Côte d'Ivoire), ary vao avy nitokana ny orinasany voalohany mpamokatra ireo fitaovana ireo, ny 22 Jolay tao Brazzaville. Verona Mankou, mpanorina sy PDG-n’ny VMK, mpanorina ihany koa ny BantuHub, toerana hifamezivezen’ny teknolojia tsy mitady vola sy ny fanombohana mpampiroborobo tany Brazzaville. Eo akaiky eo, i Kamerona, manana ihany koa ny ActivSpaces tsy mitady tombony ary manana fiteny roa, voalohany amin’ny fanafainganana ny fampandehana ny firenena, izay vao avy nahavita ny kilasy voalohany amin’ny startups tamin'ny volana Jona.

Ao Madagasikara, miavaka amin'ny tetikasa maro eo amin'ny sehatry ny fihavaozana sy fanohanana ny tetikasa fanabeazana amin'ny nomerika ny Habaka.

Tetikasa naorina tamin'ny taona 2011 ny Habaka, natomboky ny tsy miankina avy amin’ny tranonkalam-pifandraisana malagasy (bilaogera sy mpiasa tsy miankina amin'ny teknolojia vaovao). Mampiseho ireo tetikasa mpandray anjara amin'ny TEDx tao amin’ny renivohitra ao Antananarivo ny lahatsary eto ambany:

Mahavelom-mpanantenana ireo foibe fampiroboroboana teknolojika rehetra ireo any Afrika miteny frantsay atsimon'i Sahara, nefa mbola bitika ny ohatry ny fahombiazana tena mamiratry ny startups any amin'ireo firenena ireo. Ankoatr’izany, maro ny startups ao amin'ny faritra no vatsian'ny fikambanana tsy mitady vola na ny governemanta, fa tsy ny mpampiasa vola tsy miankina. (afa-tsy ny any Senegal tamin'ny famoronana vao haingana ny Teranga Capital, orinasa misahana ny fandraisana anjara ara-tsosialy izay vatsian’ny tsy miankina vola mba hanome famatsiana ara-bola amin’ny fiantobohan’ny orinasa madinika). Ary raha mbola tsy afaka mandray anjara betsaka amin'ny fitomboan'ny toekaren’ny firenena miteny Frantsay any Afrika ny fandraharahana teknolojika, amin’ny maha-sehatra azy, mbola manana kosa ny mety hamokarana fihavaozana eo an-toerana izay mety hanatsara ny fiainana andavanandron'ny olom-pirenena eo amin'ny kaontinanta.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.