Fantaro ireo lehilahy afa-nidify ireo polisy miafin'ny volombava ao Tajikistan

Flickr image by the user Joebeone.

Sary Flickr avy amin'ny mpisera Joebeone.

Nanodidina ny taonjato faha-18 tany ho any ilay goavana indrindra tamin'ny fampidirana an'i Rosia ho amin'ny fanao maoderina, i Piera Lehibe no nampiditra ny hetra hafahafa indrindra teo amin'ny tantara: ny hetran'ny volombava. Mihoatra ny taonjato telo taty aoriana dia miatrika amin-kafanampo tafahoatra mitovy amin'izany ihany koa ny filohan'i Tajikistan farany, Emomali Rakhmon.

Nahazo aingam-panahy tamin'ny kolontsaina tia miharatra volombava tany Eoropa Andrefana ny Tsar Piera no nitady ny hanaovan'i Rosia tahaka izany ihany koa:

After Peter’s triumphant return to Russia at the end of his European voyage in 1698, a joyous reception was thrown in his honor. In attendance were his commander of the army, his frequent second-in-command Fyodor Romodanovsky, and a host of assorted aides and diplomats. Suddenly, the crowd’s mood went from elation to horror as Peter unexpectedly pulled out a massive barber’s razor. As biographer Robert K. Massie writes, “After passing among his [friends] and embracing them… he began shaving off their beards” with his own hands! Given his political stature, none of his associates dared question this stunning turn of events. (His physical stature didn't hurt either: Peter stood an imposing 6’8”.)

Hairless necks and faces were all the rage in the Western World, so the Czar initially ordered that all of his subjects (excluding clergy and peasants) must lose their face fuzz. So dedicated was Peter to his cause that he even instructed police officials to personally shave those who refused to comply on sight.

Taorian'ny fiverenan'i Piera miezinezina tao Rosia taorian'ny dia nanavatsava an'i Eoropa tamin'ny taona 1698, dia nisy ny lanonam-pifaliana nomanina ho fanomezam-boninahitra azy. Anisan'ny nanatrika ny komandin'ny tadika sy ny lefitry ny komandy, Fyodor Romodanovsky, ary ireo vahiny miaraka amin'ny tandapa sy diplaomaty.Tampoka teo dia nivadika ho horohoro ny alahamohamom-bahoaka nanatrika teo rehefa namoaka hareza mavesatra fiharatam-bolombava iray tampoka i Piera. Araka ny nosoratan'i Robert K. Massie, mpanoratra tantaram-piainan'olona, “Rehefa nitety tamin'ireo namany sy nifamihina tamin'izy ireo izy… dia nanaratra ny volombavan-dry zareo” tamin'ny tanany mihitsy! Noho ny sata ara-politika nananany dia tsy nisy ny nahasahy nanda na nanontany amin'izao fivadihan'ny lanonana izao. (Tsy marofy ihany koa ny fijorony: mandonda i Piera)

Naharomotra tokoa tany amin'ny Tontolo Tadrefana ny hananana tenda sy tarehy tsy misy volo, ka dia nampidirin'ny Tsar fa (ankoatra ny mpitondra fivavahana sy ny tantsaha) tsy maintsy manary ny saritaka rehetra eo amin'ny tavany ny olony. Nafana fo tamin'ny heviny tokoa i Piera hany ka nanome baiko ny manampahefana ao amin'y polisy aza izy hanaratra avy hatrany ireo mandà tsy hanao izany.

Raha tsipahin'ny Minisiteran'ny Atitany ao Tajikistan ny fisian'ny baiko tahaka izany ao amin'ity firenena aziatika afovoany ity, dia maro ny tatitra fa aratan'ny polisy an-terisetra ireo lehilahy feno volo ny tavany.

Raha nataon'i Piera lasibatra izay heveriny fa fihemorana eo amin'ny volombva raikitapisaka rosiana, dia hita ho lasibatra ao Tajikistan kosa ny fitomboan'ny fanintonan'ny Islamo ao amin'ny fiarahamonina ao an-toerana.

Nenjehin'ny filoha Rakhmon, 62 taona, izay lehiben'ny toeram-piompiana sy fambolena iraisana talohan'ny niakarany teo amin'ny fahefana, fatratra ny fivavahana sy izay rehetra misy ifandraisana amin'izany.

ankoatra ny fandrarana mipetraka ho azy amin'ny fanaovam-bolombava, dia hita amin'ity taona ity ny famerana fanafarana hijab sy ny fitarihana hamafa tanteraka ny anarana arabo sy vahiny hafa eo amin'ny fiainana andavanandro.

Eny mmahamenatra fa mbola misy ihany ny lehilahy no mivezivezy eny an-ddalambe Tajik amin'ny endrika vinitra.

Asia Plus, iray amin'ireo seha-baovao mahaleotena vitsy dia vitsy ao Tajikistan no nitafatafa tamin'ny vitsy amin'izy ireny:

Dzhavod Rabzhadov, a Dushanbe DJ. Image courtesy of Asia Plus.

Dzhavod Rabzhadov, DJ ao Dushanbe DJ. Sary nampindramin'i Asia Plus.

Милиция останавливает редко, но если останавливает, то скорее из-за всего образа в целом: серьга в ухе, длинные волосы, стиль одежды. На улицах на мою внешность реагируют по-разному: кому-то нравится, кому-то – нет. Я стараюсь следить за своей бородой, придавать ей красивую форму.

Кстати, бороду ношу достаточно давно, мне так удобно и нравится свое отражение в зеркале.

Dzhavod Rabzhadov, DJ ao Dushanbe: Ankavitsiana no anakanan'ny polisy ahy, fa rehefa manakana ahy ry zareo dia matetika noho ny fijery ahy amin'ny ankapobeny: kavina, volo lava, ny fomba fiakanjoko. Samy manana ny fihetsiny ny olona rehefa eny an-dalambe: misy ny tia,misy ny tsy tia. Miezaka aho no mikarakara ny volombavako, sy manao azy hanana endrika mahafinaritra. Fa izany eo ihany, efa ela no nanaovako volombava, ka finaritra aho mahita ahy eo amin'ny fitaratra. 

Romish. Image courtesy of news.tj

Romish Ibrohimov. Sary nampindramin'i Asia Plus.

Romish Ibrohimov, designer and photographer: Бороду я отпустил не по религиозным соображениям и не потому, что хотел быть брутальным, а потому, что она красивая, рыжая и мне нравится.

На улицах Душанбе моя борода, чаще всего, привлекает внимание обычных людей: все считают необходимостью спеть мне строчку из песни: «У тебя есть борода, и я скажу тебе – да».

Впрочем, негативная реакция на бороду все-таки присутствует: я выяснил, что многих моих религиозных знакомых моя борода бесит исключительно из-за того, что сам я не религиозный. Они считают, что я не имею право носить бороду, что это  несправедливо: у меня есть борода, а у них нет (им или на работе запрещено или просто нет растительности, а мне на работе – можно и спасибо моему тестостерону).

Tsy nampaniry vlombava noho ny antony ara-pivavahana na noho ny antony te-hitovy amin'ny sarambambem-bahoaka aho, fa noho izy mahafinaritra, ary tiako ny lokony manopy mena.

Eny an-dalamben'i Dushanbe dia matetika no namintona ny olon-tsotra ny volombavako: mieritreritra ny rehetra fa mila mihira ny andalana iray avy amin'ilay hira [Rosiana]: “Manambolombava ianao, ary hiteny aminao aho — eka.”

Na izany aza, misy ireo fihetsika tsy tsara sasantsasany. Hitako fa mahatezitra fatratra ny namako mpandala fombam-pivavahana ny volombavako, noho ny antony tokana fa tsy mpanaraka fivavahana aho. Mino ry zareo fa tsy mananjò ny hanao volombava aho, ary izany no tsy rariny. Manao volombava aho, fa ry zareo tsy manana, fa na voararan'ny any amin'ny toeram-piasany na tsy afa-mampaniry ry zareo. Mamela ahy ho amin'izany ny asako, sy ny testosterone-ko.

Mikhail Petrushkov. Photo courtesy of news.tj.

Mikhail Petrushkov. Sary nampindramin'ny Asia Plus.

Бороду я ношу уже больше 20 лет. Никогда никаких проблем с ней не было. А, почему, собственно, должны быть проблемы? Мне нравится борода – поэтому я ее и отпустил. Прохожие реагируют нормально.

Mikhail Petrushkov, solontenan'ny firenena aziatika afovoany ao amin'ny Vaomieram-Pandrindrana Manerantany eo amin'ny Mpiray tanindrazana Rosiana: efa nihoatra ny 20 taona no nanaovako volombava. Tsy nisy olona mihitsy tamin'izany ary maninona no tokony ho eo io? Tiako ny volombava — izany no nampaniriako azy. Mety tsara ny fihetsiky ny mpandalo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.