Mandeha Tsy An-kiato Anaty Aterineto Ny Global Voices Radio Ankehitriny

Global Voices Radio image by Kevin Rothrock

Sarin'ny Global Voices Radio an'i Kevin Rothrock

Manomboka ny 1 Septambra, handeha tsy an-kiato anaty aterineto ny Global Voices Radio. Mandritra ny 24 ora isanandro, ary 7 andro isan-kerinandro, dia afaka hankafy ireo fandaharana eran-tany ny mpihaino, tafiditra anatin'izany ny hiran'izao tontolo izao, ireo tafatafa mikasika ireo hetsika vaovao, ary ny votoaty tsy misy toa azy avy amin'ireo mpikambana ao amin'ny podcast anay manerana ny fiozaon'ora samy hafa. Avy amin'ny alalan'ny sehatra fiadian-kevitra Airtime Pro, dia afaka hahazo ny tobin'onjampeonay ao anaty Aterineto ianao amin'ny fampiasàna rindrambaiko fanokafana vohikala na fitaovana azo entina mandehandeha.

Miangavy anao hitsidika ny pejy fitotonana ao amin'ny GV Radio mba hijerenao ny zavatra mandeha amin'izao fotoana any amin'ny fiozaon'ora misy anao, sy izay fandaharana nomanina mandritra iny andro iny. Afaka mihaino izany koa ianao amin'ny alalan'ny fampiasana ny fitaovana fandefasana azy mipetaka amin'ity lahatsoratra ity.

Hanohy hanasongadina ny votoaty novokarin'ny vondrom-piarahamonin'ny Global Voices izahay, tahaka ny GV podcast nahazo marim-pankasitrahana, ny rakipeo avy amin'ireo fotoana voafantina nandritra ny fihaonambe nataonay farany, ary ny rakipeo avy amin'ireo tafatafa tao amin'ny GV Face. Hasongadina amin'izany ihany koa ny votoatin'ny mpiara-miasa voalaza tao anatin'ireo lahatsoratry ny GV Radio teo aloha, tahaka ny tantara dizitaly avy amin'ny Radio Ambulante, ireo podcast misongadina avy ao amin'ny Loa, ary ny hiran'izao tontolo izay avy amin'ireo mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonin'ny GV avy any Meksika sy Gana, sy ireo maro hafa.

Amin'ity herinandro ity dia handray podcast mpiara-miasa roa vaovao isika: Spotlight sy Hyperlink.

Spotlight

Noforonin'ilay mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonin'ny Global Voices, Jakub Górnicki, ny podcast Spotlight, izay mampisongadina ireo tafatafa fanadihadiana sy ny mombamomba ireo hetsika faraparany miseho eran-tany, izay mifantoka manokana amin'i Eorôpa Atsinanana.

Ity no atao hoe Spotlight – fiadian-kevitra momba ny fiarahamonina sy ny teknôlôjia. Mitondra ny vahoaka sy ireo hevitra manova ny tontolontsika ity fandaharana ity ary mikendry ny hanampy anao hanakatra bebe kokoa izany. I Jakub Górnicki  no mampiantrano ny Spotlight, izay podcast vaovaon'ny bilaogy miresaka fitsangatsanganana sy fanaovana tatitra, Podróżniccy.

Hyperlink

Ao anatin'ny sehatra fiadian-kevitry ny Hyperstage ny podcast Hyperlink, izay rindrambaiko amin'ny teny Arabo mifantoka amin'ny teknôlôjia, noforonin'i Beshr Kayali (@beshr) s'i Saleh (@mskayyali).

Ny Hyperstage dia sehatra dizitaly iray mandrakotra ireo vaovao momba ny teknôlôjia, ny fiarahamonina, ary ny kolontsaina, ankoatra ireo vaovao farany momba ny siansa sy ny kanto. Miezaka ny hifantoka amin'ny teknôlôjia farany eran-tany, ireo fandinihan'ny manam-pahaizana amin'ny teknôlôjia, ireo tsikera momba ny boky, ary ireo lahatsoratra fanehoan-kevitra nosoratan'ny ekipan'ny Hyperstage, io vohikala io.

Jereo ireo bitsika avy amin'ny kaonty Twitter-n'ny Global Voices (@globalvoices) sy ny tenifototra #GVRadio manambara izay mandeha amin'izao fotoana izao miaraka amin'ny rohy ho an'ilay fihainoana mivantana, are jereo eto ambany ny fandaharam-potoana feno.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.