Nahazo Olona 100.000 Ny Fihaonambe Bersih Maharitra 34 Ora Tao Malayzia Izay Manohitra Ny Kolikolin'ny Governemanta

c

Bersih 4 is calling for the resignation of Malaysian Prime Minister najib Razak. Photo from the Facebook page of Bersih 4

Mitaky ny fametraham-pialan'ny Praiminisitra Malayziana Najib Razak ny Bersih 4. Sary tao amin'ny pejy Facebook-n'ny Bersih 4

Vahoaka tombanana ho 100.000 teo no nitangorona tao an-drenivohitra Malayziana, Kuala Lumpur tamin'ny faran'ny herinandro mba hanohana ny Bersih 4, hetsika ara-politika mitaky ny fametraham-pialan'ny praiminisitra Najib Abdul Razak, izay voarohirohy amin'ny raharaha kolikoly.

Nokarakaraina ny Bersih, midika hoe “madio” amin'ny fiteny Bahasa ao an-toerana hanosehana ho amin'ny ny fifidianana fanavaozana tamin'ny taona 2007, 2011 ary 2012. Saingy tamin'ity taona ity ny Bersih 4 dia mitaky ny fanesorana an'i Najib, voampanga ho nandray famatsiam-bola maloto tamin'ny 1 Malaysia Development Berhad (1MDB), orinasa fampiasam-bola tantanin'ny fanjakana ihany koa. Niaiky i Najib fa nahazo vola 2.6 lavitrisa ringgit (675 tapitrisa dolara amerikana) izy, saingy nilaza izy fa fanomezana hoan'ny fifidianana avy amin'ny firenena namana iray Afovoany-Atsinanana hoan'ny antoko politikany izany.

Naharitra efa ho 2 andro (34 ora raha ny marina kokoa ) ny Bersih tamin'ity taona ity ary nifanojo tamin'ny fankalazan'ny firenena ny Merdeka, fahaleovantenan'i Malezia ny fiafarany. Nandritra ny andro voalohan'ny Bersih, nilaza ny polisy fa vahoaka 25.000 no tao Kuala Lumpur ary teo amin'ny 5000 no tao amin'ny faritra hafa ao amin'ny firenena. Tamin'ny andro faharoa, niakatra 35000 ny isan'ireo mpanao fihetsiketsehana tao an-drenivohitra ny tolakandro, saingy nitombo efa ho ny 100.000 izany nandritra ny ora faran'ny fotoana, araka ny tatitra sasany tamin'ny haino aman-jery. Mbola tsy tonga ny tarehimarika ofisialy tamin'ny fotoana nanoratana.

Notohanan'ireo hetsi-piraisankina tao amin'ny tanàna 70 manerana izao tontolo izao ihany koa ny Bersih 4.

Mahatalanjona ny isan'ny olona nanatevin-daharana ny Bersih 4 noho izy nambaran'ny governemanta fa tsy ara-dalàna. Nisy koa didy navoaka vao haingana izay nanameloka ny fitondrana t-shirt Bersih 4 miloko mavo.

Tsy noraharahian’ i Najib ny fihetsiketsehana Bersih ary nilaza izy fa mbola manohana azy ny ankamaroan'ny Maleziana. Mba hanoherana ny Bersih, nampanantena hanetsika “akanjo mena” iray tapitrisa ireo mpanohana an'i Najib amin'ny 10 Oktobra.

Mampiseho ny zava-misy tamin'ny fihetsiketsehana tao afovoan-tanànan'i Kuala Lumpur ity lahatsary ity:

Mampiseho ireo vahoakan'ny Bersih 4 nandritra ny ora faran'ny fotoana kosa ity lahatsary ity :

Anisan'ireo nanatevin-daharana ny Bersih ny Praiminisitra teo aloha Mahathir Mohamad, izay nitondra an'i Malezia nandritra ny 22 taona. Maro ireo gaga raha nahita an'i Mahathir satria nanohitra ny fanaovana fihetsiketsehana izy nandritra ny fitondrany, saingy nankasitraka ny fahatongavan'ity praiminisitra niasa ela tao amin'ny firenena ity ny sasany tamin'ireo mpikarakara. Nilaza i Mahathir fa manohana ny fitakiana fametraham-pialan'i Najib izy.

Ireto ambany ireto ny sasany tamin'ireo sary #Bersih4 nozaraina tao amin'ny Twitter:

Toy izao ny tamin'ny #Bersih4: Vahoaka nandritra ny tolakandro. Tratry ny Merdeka

Ranomasina mavo ao afovoan-tanànan'i Kuala Lumpur, rehefa ho alina ny andro tamin'ny andro faharoan'ny fihetsiketsehana

Ho an'ireo mahery fo amin'ny tolona, miarahaba anareo aho.

Tsy olo-malaza ao amin'ny #Bersih4 ny Praiminisitra

Manan-tantara, mbola tsy nahita zavatra tahaka izao aho. Rakyat no tena mahery fo!! Turun & sokong!!

‘Faniriana mafy ho an'ny fiovana’

Marobe ireo fanehoan-kevitra tamin'ny Bersih 4. Iray tamin'ireo mpandray anjara tamin'ny Bersih i Wong Chin Huat izay natory teny an-dalana nandritra ny faran'ny herinandro:

There were various reactions to Bersih 4. Wong Chin Huat was one of the Bersih participants who slept in the streets during the weekend:

I slept on the pavement on Jalan Tuanku Abdul Rahman last night. It was like a refugee camp with many people – mostly in the illegal yellow Bersih 4 T-shirts – sleeping on not only the pavements, but also the middle of the road. Some brought sleeping bags, some used newspapers as their mat, others just slept on the road.

Why did they sacrifice their comfort in bed? Many of them, like me, have booked hotel rooms for refreshing themselves, but chose to sleep on the streets just to show our yearning for change.

Natory teny amin'ny sisin-dalana tao Jalan Tuanku Abdul Rahman aho tamin'ny alina. Tahaka ny toby fialokalofana feno olona izany -izay manao ilay t-shirt Bersih 4 mavo tsy ara-dalàna avokoa ny ankamaroanay- tsy eny an-tsisin-dalana ihany no matory fa eny ampovoan'ny arabe ihany koa. Mitondra harona fatoriana ny sasany; ny sasany nampiasa gazety hatoriana, ny hafa kosa matory amin'ny tany.

Nahoana no mahafoy ny fandrianany izy ireo? Ny ankamaroan'izy ireo tahaka ahy dia efa nanofa hotely mba hialana sasatra, saingy nisafidy ny hatory eny an-dalana izahay mba hanehoana ny fanirianay hoan'ny fiovana.

Nanoratra tao amin'ny tranokalam-baovao Malaysia Kini, niampanga an'i Najib ho miantso ireo mpandray anjaran'ny Bersih ho tsy tia tanindrazana i Dharm Navaratnam :

To see so many Malaysians standing up for what they believe in can only be described as uplifting. To read today’s news that the PM accuses those of us who were at the rally of not loving the country is absolutely absurd. It is BECAUSE we love the country that we took part in the rally.

Azo sokajiana fotsiny ho mampahery ny fahitana ireo Maleziana marobe mitsangana ho an'izay inoan'izy ireo. Namaky ny vaovao androany, hadalana tanteraka ny filazan'ny praiminisitra fa tsy tia tanindrazana ireo izay namonjy ny fihetsiketsehana. Ny antony dia SATRIA tianay ny firenena matoa izahay nandray anjara tamin'ny fihetsiketsehana

Nilaza i Visithra Manikam fa olona maro no tokony hamonjy ny Bersih raha tsy notontosaina andro mialohan'ny Merdeka izany:

I applaud those who went down to Bersih 4. It was quite a sight. I was most happy some of you carried the flag with you. Most of you were getting involved with something involving the nation for the first time ever. I applaud those who slept in the streets last night. That was indeed historical. But alas, the timing was ill-planned.

Mitehaka ireo namonjy ny Bersih 4 aho. Toy ny fampisehoana izany. Tena faly aho nahita ny sasany taminareo nilanja saina. Sambany nandray anjara tamin'ny zavatra mahakasika ny firenena ny ankamaroanareo. Mankasitraka ireo izay natory teny an-dalambe tamin'ny alina aho. Tena manan-tantara izany. Saingy indrisy, tsy ampy ny fotoana

Nandrisika ireo mpanohana ny Bersih i Neil Khor mba hijery bebe kokoa ireo olana andavanandron'ny mahantra, indrindra ireo izay monina ao amin'ny faritra ambanivohitra:

…by failing to breach the rural divide – by being unable to mobilise even the semi-rural folks to participate – Bersih’s concerns, which have always been ideological rather than bread and butter issues – failed to connect with the masses.

noho ny tsy fahombiazana nanentana ny ambanivohitra – noho ny tsy fahafahana nanentana na dia ireo olona tsy lavitry ny ambanivohitra mba handray anjara – tsy nahavita nanentana ny vahoaka manontolo ny ahiahin'ny Bersih izay matetika ara-poto-kevitra fa tsy olan'ny mofo sy dibera -nandamoka tamin'ny fanentanana ny sarambambem-bahoaka

Bersih 4 rally in Kuala Lumpur. Photo from the Facebook page of Bersih 4

Fihetsiketsehana Bersih 4 tao Kuala Lumpur. Sary tao amin'ny pejy Facebook-n'ny Bersih 4

Mamariparitra ny fiantraika ara-politika ny Bersih 4 ity lahatsoratra avy amin'ny tranokalam-baovao Ant Daily ity:

Within 34 hours, Bersih 4 has evolved from an event organised by a group of concerned Malaysians trying to bring a change to their country, into something totally different entirely.

It is an opportunity for normal Malaysians – the rakyat – to finally have the courage to express themselves, regardless of the consequences.

To many, Bersih 4 is something that gave them the courage to dream. To know that a fair and just Malaysia can truly exist. Where there is harmony and peace, understanding and compassion, a country where the rakyat does not need to fear nor bow to those who misuse power for their own gain.

Tao anatin'ny 34 ora, nivoatra niainga tamin'ny hetsika nokarakarain'ny vondrona Maleziana iray miezaka hitondra fanovana ao amin'ny firenena ka lasa zavatra hafa tanteraka ny Bersih 4.

Fanararaotra hoan'ny Malaiziana tsotra – ny rakyat – izany mba hanomezana azy herim-po hanofinofy, na inona na inona vokany.

Ho an'ny maro, zavatra nanome herim-po ho azy ireo mba hanofinofy ny Bersih 4. Mba ahafantarana fa azo atao tokoa ny mampisy Malayzia marina sy ara-drariny. Rehefa misy ny firindrana sy ny filaminana, ny fifankahazoana sy ny fiantrana, ny firenena izay tsy mila matahotra na miankohoka amin'ireo manararao-pahefana ho amin'ny tombotsoany manokana intsony ny rakyat.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.