Ndeha Hijery Ireo Vahoaka Kachin Nafindra Toerana Any Myanmar Avaratra

myanmar Kachin IDPs

Sarin'ny tanoran'ny nafindra toerana ao anatin'ny fireneny ihany any Myitkyina. Sary avy tamin'ny pejy Facebook n'i Rangoon Revealed

Nanangana pejy Facebook ny andiana tanora any Myanmar izay nizaràny ireo tantaran'ny mponina Kachin nafindra toerana noho ny ady.

Nitsidika ny tobin'ireo Olom-pirenena Nafindra Toerana (IDP) tao an-tanànan'i Myitkyina, ao amin'ny Fanjakàna Kachin any Myanmar avaratra, ireo tanora ao ambadiky ny pejy Facebook Rangoon Revealed, mba hanairana ny saina amin'ny fitarainanan'ireo mponina ao an-toerana sy mba handefasana fanampiana noho ny maha-olona.

Milaza ny anaran'ny tanànan'i Yangon teo aloha, izay tanàn-dehibe voalohan'ny firenena ny hoe Rangoon. Nanjary nalaza ilay pejy Facebook noho ny fandraketana ny fiainan'ireo olon-tsotra mponina ao Yangon. Tamin'ny volana lasa teo, nambaran'ny tarika ao ambadik'ilay pejy Facebook fa hitsidika ny toby IDP ao Kachin izy ireo mba hijery maso ny zavatra iainan'ireo mponina izay nafindra toerana vokatry ny ady an-trano nipongatra indray any Myanmar avaratra.

Araka ny voalazan'ny Biraon'ny Firenena Mikambana misahana ireo Mpitsoa-ponenana (UNHCR), mihoatra ny 100.000 ireo olona miaina vonjimaika ao amin'ny toby, vokatry ny ady mitam-piadiana maharitra ela nifanaovan'ny Kachin Independence Organization (KIO) sy ny fanjakana Myanmar. Nanomboka ny volana Jona 2011 ny habibiana mitam-piadiana. Tamin'ny volana lasa teo, nitatitra ireo vondrona mpanao fanampiana fa miharatsy ny toe-javatra ho an'ireo IDP maro noho ny fihenan'ny fanampiana ara-bola. Nanosika ny tanoran'ny Rangoon Revealed mpilatsaka antsitrapo izany mba hikarakara fitsidihana iray noho ny maha-olona.

Nahomby ry zareo tamin'ny nahangonany vola manodidina ny 2.000 dolara mialoha ny fitsidihana. Tao anaty lahatsoratra iray ao amin'ny Facebook, nanome vaovao ny vahoaka sy ireo mpamatsy vola azy izy ireo, fa mpianatra mihoatra ny 1.000 no hahita tombontsoa avy amin'ilay vola, any amin'ireo toby IDP telo.

Ireto ambany ireto ny vahoaka Kachin sasany nitafatafan'i Rangoon Revealed.

myanmar Kachin IDPs (2)

Inona no vanim-potoana nahafaly indrindra teo amin'ny fiainanao?

Tsy misy fotoana mahafaly izany eto amin'ny toby IDP. Miady mafy amin'ny fiainana izahay ary matetika izahay dia sahirana foana amin'ny fiainanay. Avy any amin'ny faritanin'i Sama aho, tanànan'i Ja Pu. Rehefa nipoaka ny ady, saika ny mponina rehetra tao an-tanànanay ary koa ireo tanàna akaiky no nandositra ho amin'ireo toerana izay tsy tratran'ny ady. Saingy ny vadiko….

myanmar Kachin IDPs (3)

Manaraka ny  kilasy faha-10 aho amin'izao fotoana izao. Tsy dia mandeha firy mamonjy sekoly intsony aho tato aoriana kely. Tsy maintsy manampy eto amin'ny toby aho noho ny tsy fananako fotoana betsaka.

myanmar Kachin IDPs (5)

Sary an'i Rangoon Revealed tao amin'ny pejy Facebook.

Taona telo izao no naha mpirotsaka an-tsitrapo ahy teto. Eny, tsy irery aho. Izaho sy ny namako iray. Tsy IDP izahay saingy efa nipetraka teto amin'ity toby (Mi Na) ity nanomboka ny taona voalohany nisiany. Misy mponina avy amin'ireo tanàna maro ao, fantatrao? Noho izany, matetika rehefa mifanditra ry zareo samy zareo, izaho no olona mamaha ny adin'izy ireo. Toy ny mpanelanelana aho…

myanmar Kachin IDPs (6)

Sary an'i Rangoon Revealed teo amin'ny pejy Facebook.

Inona no fotoana mahasambatra anao eto?

Rehefa mivondrona mivavaka any am-piangonana daholo izahay ny Alahady. Ary koa isaky ny hariva tahaka ity, rehefa mivondrona ireo mpifanolo-bodirindrina amiko, ireo ankizy ary izaho sady miresaka momba ny fiainanay andavanandro sy ny tolona isanandro eto. Amin'ny endriny mivelatra kokoa dia manampy anay io hanadino ireo olana atrehanay. Manampy anay io hialànay voly hanadino ny ady izay mitranga.

Nilaza tamin'ny Global Voices ny Rangoon Revealed fa hampiakatra tantara mismisy kokoa ry zareo amin'ny herinandro ho avy. Noho izany mazotoa manaraka!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.