Miray Hina Isan'Andro Ny Olona Mba Hanampy Ireo Mpitsoa-ponenana Ao Gresy

Piraeus, Greece. 21 August 2015 -- Syrian refugees, 2.176 in total, arrive at Piraeus harbor aboard the Eleftherios Venizelos, a special vessel chartered by the Greek government. Photo by Wassilis Aswestopoulos. Copyright Demotix

Piraeus, Gresy. 21 Aogositra 2015 — Mpitsoa-ponenana Syriana miisa 2.176 no tonga tao amin'ny seranan-tsambon'i Piraeus tamin'ny alalan'ny sambo Eleftherios Venizelos, sambo manokana nalefan'ny governemanta Grika. Sary: Wassilis Aswestopoulos. Copyright Demotix

Nisolo an'i Italia ho iray amin'ireo toerana voalohany ao Eoropa mandray ireo mpitsoa-ponenana mandositra ny tanindrazany rotidrotiky ny ady i Gresy. Saingy mbola mitolona amin'ny fiatrehana ny firohotry ny mpitsoa-ponenana ny firenena amin'izao fotoana tsy dia hananany zavatra omena izao. Mbola anatin'ny sarotra dia sarotra ny toekareny. Taorian'ny fametraham-pialan'ny Praiminisitra Alexis Tsipras, handeha hadatsa-bato hifidy parlemanta indray ny Grika– fifidianana faha-efatra tontosaina ao anatin'ny telo taona sy tapany latsaka.

Noho ny tsy fisian'ny politika iombonan'ny Vondrona Eoropeana mikasika ireo mpifindra monina, tsy afaka hanantena fanohanana avy amin'ireo firenena Eoropeana mpiraivodirindrina azy i Gresy.

Efa ho olombelona 1.000 no tonga ao Gresy isan'andro, izay avy any Syria avokoa ny 60%, araka ny tatitra avy amin'ny sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana misahana ny mpitsoa-ponenana. Nanjary fialokalofana vonjimaika hoan'ireo olona an'arivony tonga amin'ny alalan'ny lakana avy ao an-dranomasina ny Nosy Atsinanana sy Avaratry ny ranomasina Égée: Kos, Kalymnos, Leros, Chios sy Lesbos .

Tsy manana foto-drafitrasa sy fomba hitantanana olona marobe ireo nosy ireo, izay toeram-pizahantany ny ankamaroany.  Ankoatra izany, matetika tsy tia mandray vahiny ireo mponina ao an-toerana

Na izany aza, ny deus ex machina (olona tonga tampoka hitondra fanampiana) tamin'ity tranga ity dia tsy ny governemanta fa ny mponina ao an-toerana sy ny mpikatroka na avy lavitra na akaiky ary manangona sakafo, fanafody, akanjo, kilalao sy ny fitaovana hafa ho an'ireo mpitsoa-ponenana. Maro amin'izy ireo no mampiasa Facebook sy Twitter (#refugeesGr) mba hanaovana fanentanana.

‘Manana adidy ho azy ireo aho”

Maro ireo olona taloha ao amin'ny nosy no mahatsiaro ny Loza Voajanahary nihatra tamin'i Smyrna ( Izmir ao Torkia ankehitriny), raha nitarika ireo mpitsoa-ponenana avy ao Azia Minora handositra ao amin'ny nosy akaiky ao Gresy ny afo miredareda. Taranak'ireo mpitsoa-ponenana avokoa ny ankamaroan'ireo mponina ao amin'io nosy io.

Nanoratra tantara fohy manokana tao amin'ny Facebook tamin'ny 20 Aogositra i Giorgos Tyrikos-Ergas, mpikambana ao amin'ny fikambanana tsy miankina Agkalia (Hug), mitantara momba ny zava-hitany isan'andro amin'ny fanampiana ireo mpitsoa-ponenana tonga ao amin'ny Nosy Lesbos. Efa olona 2.540 no nizara ny lahatsoratra nosoratany ary nahazo “tiako” maherin'ny 5.870:

Nα βάζεις στο χέρι Σύρου πρόσφυγα πενήντα ευρώ και εκείνος να μη τα δέχεται με τίποτα λέγοντας “εγώ είμαι ένας, θα τα καταφέρω, δώσε τα σε μια οικογένεια”. Να συζητάς νύχτα στην Αγκαλιά που δεν έχει ρεύμα για την “Καρδιά του Σκότους” του Κόνραντ παρέα με Πακιστανό καθηγητή Αγγλικής Φιλολογίας από το Πανεπιστήμιο της Λαχώρης. Να σου απαγγέλλει νεαρός Αφγανός στίχους της Σαπφούς και να σου λέει πως λυπάται που ήρθε βρώμικος πρόσφυγας στο νησί της. […] Να σχολάει dj από τη νυχτερινή του βάρδια σε μπαρ, να τον πετυχαίνεις εφτά η ώρα το πρωί ξενύχτη και να σου δίνει εβδομήντα ευρώ, ο,τι έβγαλε ολόκληρο το βράδυ “για να βοηθήσω τους ανθρώπους” και να φεύγει χαμογελώντας κάνοντας και μια σούζα. […] Να έρχεται Έλληνας μετανάστης από Γερμανία και να σου λέει πεταχτά ενώ χάνεσαι πως θα πάει να προπληρώσει φρούτα και να καταλαβαίνεις πως σου πλήρωσε τα φρούτα όλου του επόμενου μήνα και βάλε και να μην ξέρεις καν το όνομά του να πεις ευχαριστώ. Να σου στέλνει μήνυμα ο Σύριος με την υπέροχη οικογένεια που πέρασε από την Αγκαλιά πριν ένα μήνα και να σου λέει “είμαστε Γερμανία, τα καταφέραμε, είμαστε ζωντανοί”. Είπα να μην κάνω άλλη ανάρτηση για αυτήν την εβδομάδα, μα τέτοια πράγματα αν δεν τα μοιραστώ θα σκάσω…Καταστάσεις που δεν είχαμε τη δύναμη να φανταστούμε. Αλήθεια δεν έχω δικαίωμα να μην πω τι ζούμε, τα καλά και τα κακά, δεν έχω το δικαίωμα.

Manolotra vola 50 euro hoan'ny mpitsoa-ponenana Syriana iray aho saingy nolaviny, hoy izy: “Mandeha irery aho, ho tafavoaka aho, omeo fianakaviana hafa iny”. Niresaka ny “Ny Fon'ny Aizina” an'i Conrad tamin'ny pakistaney mpampianatra literatiora anglisy ao amin'ny oniversiten'i Lahore nandritra ny alina tao amin'ny (tranoben'i) Agkalia, tsy misy herinaratra. Nanonona ny andinin'ny Sappho ny tanora Afgàna iray ary milaza aminao fa miala tsiny izy tonga ao amin'ny nosy ho toy ny mpitsoa-ponenana maloto. DJ (mpampandihy iray) nahavita ny asany tamin'ny fampandihizana amin'ny alina, nihaona taminy tamin'ny 7 maraina, tsy natory ary manome anao 70 euro, vola azony tamin'ny alina “mba hanampiana olona” ary miala am-pitsikiana handeha hitondra ny môtôny. Manatona anao ny mpifindra-monina Grika avy ao Alemaina iray milaza aminao vetivety fa handeha handoa vidim-boankazo mialoha [mikomandy]. Minitra fohy aty aoriana, fantatrao fa voankazo mandritra ny iray volana mihoatra no naloany mialoha ary tsy fantatrao akory ny anarany mba hisaorana azy. Maharay hafatra avy amin'izany lehilahy Syriana manana fianakaviana mahafinaritra nandalo tao Agkalia iray volana lasa izay ary maheno fa “tonga ao Alemaina izahay, vitanay izany, velona izahay”. Nilaza aho fa tsy hanoratra na inona na inona amin'ity herinandro ity, satria tsy vitako ny hanakana ahy tsy hizara ireo zavatra ireo…Tsy manana fahefana hisaintsaina izany toe-javatra izany akory izahay. Raha tsorina, tsy manan-jo hanajanona ny fitantarana izay zavatra hitako izao aho, na tsara na ratsy, tsy manana izany zo izany aho.

Tamin'ny filazana taminy momba ny olom-pantatra ifandraisan'ny fianakaviany any Syria ny renibeny Eleni Pavlou. Nilaza indray ny fahatsiarovany tamin'ilay mpanoratra gazety Anthi Pazianou avy amin'ny tranokalam-baovao Efsyn i Giogos hoe:

Οι δικοί μου, πρόσφυγες στον Β’ Παγκόσμιο Πόλεμο στη Συρία, έζησαν γιατί επί έξι χρόνια βρήκαν ένα πιάτο φαΐ. Είμαι ζωντανή χάρη στην αλληλεγγύη τους. Δεν ξεχνώ, τους το χρωστώ και είμαι εδώ για να βοηθήσω.

Nahavita nivelona ny fianakaviako nandritra ny Ady Lehibe Faharoa  nanao mpitsoa-ponenana ao Syria satria nanana “vilia hihinanana” nandritra izany enin-taona izany. Velona aho noho ny firaisankinan'ny (Syriana). Tsy ho adinoko, manana adidy amin'izy ireo aho ary eto aho hanampy..

Mpilatsaka an-tsitrapo mavitrika efatra no mitantana ny fikambanana tsy miankina amin'izao fotoana izao, tarihin'ilay pretra Papa-Stratis, izay hita ao amin'ny horonantsary fohy mitondra ny lohateny hoe “Samaritana tsara fanahy ao Gresy” notontosain'ny sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana misahana ny mpitsoa-ponenana:

‘Tsy fiantrana izany, fa firaisankina avy amin'ny tsirairay ho an'ny rehetra’

Ao Lesbos ihany, fikambanan'ny olom-pirenena iray hafa nanamafy ny hetsika ataon'izy ireo ao amin'ny toby fiampitana  Kara Tepe, izay mampiantrano olona 3000 izay voalaza fa ratsy tanteraka ny toe-javatra tamin'ny volana Jolay lasa teo : mandra-pahatongan'ny andro vitsy lasa izay dia toeram-pivoahana dimy sy toeram-pidiovana roa ihany no nisy”.

Lakoziam-bahoaka “O Allos Anthropos” (Lehilahy hafa) mizara “Sakafo Maimaim-poana Ho an'ny Rehetra”:

Mahandro sakafo ho an'ireo mpitsoa-ponenana ao Kara Tepe ny lakoziam-bahoaka Allos Anthropos. Anjara sakafo 2000 isaky ny 6 ora isan'andro

Nizara angon-tsary tao amin'ny pejy Facebook-ny.ny vondrona. Hoy ny vakin'ny fanehoan-kevitra fohy tao amin'ny bilaogin'izy ireo:

Πολλοι το βλεπουν σαν φιλανθρωπια,αλλοι το βλεπουν σαν ελεημοσυνη,αλλοι σαν σισιτιο,αλλοι λυπουντε,αλλοι και τι να κανουμε,αλλοι βριζουν εγω ενα εχω να πω και ας διαφωνητε με αυτο.ΔΕΝ ΕΙΝΑΙ ΦΙΛΑΝΘΡΩΠΙΑ ΕΙΝΑΙ ΑΛΛΗΛΕΓΓΥΗ ΑΠΟ ΟΛΟΥΣ ΓΙΑ ΟΛΟΥΣ ΜΕ ΤΗΝ ΣΥΜΕΤΟΧΗ ΟΛΩΝ ΑΚΟΜΑΚΑΙ ΤΩΝ ΠΡΟΣΦΥΓΩΝ,ΕΙΝΑΙ ΣΕΒΑΣΜΟΣ ΑΠΟ ΟΛΟΥΣ ΓΙΑ ΟΛΟΥΣ ΚΑΙ ΕΙΝΑΙ ΚΑΙ ΑΓΑΠΗ ΑΟ ΑΝΘΡΩΠΟΥΣ ΓΙΑ ΑΝΘΡΩΠΟΥΣ ΧΩΡΙΣ ΔΙΑΚΡΙΣΕΙΣ ΣΤΟ ΧΡΩΜΑ,ΣΤΗΝ ΕΘΝΙΚΟΤΗΤΑ,ΣΤΗΝ ΘΡΗΣΚΕΙΑ.

Maro no mahita izany ho toy ny fiantrana, ny hafa kosa mahita izany ho fahalalaha-tanana amin'ny mahantra, ny hafa toy ny lasopy ho an'ny vahoaka, ny hafa mahatsiaro ho malahelo, ny sasany milaza hoe inona no azonay atao, ny hafa manozona. Manana zavatra iray lazaina aho, na dia tsy miombo-kevitra amin'izany aza ianao. Tsy fiantrana izany fa firaisankina avy amin'ny tsirairay hoan'ny rehetra: mandray anjara ny tsirairay, na dia ireo mpitsoa-ponenana aza. Fanajana avy amin'ny tsirairay hoan'ny rehetra izany. Fitiavana avy amin'ny olombelona ho an'ny olombelona ihany koa izany tsy mijery volon-koditra, foko na finoana.

‘Tsy Misy Sisintanim-pirenena Ny Maha-olona sy ny Fanantenana”

Tao amin'ny Nosy Kos, mpilatsaka an-tsitrapo Symmaxia (“Fiarahana”) nanolotra ny fanampian'izy ireo tao amin'ny Hotely Captain Elias efa nilaozan'ny tompony, ary natao ho toeram-pialofana ho an'ireo mpitsoa-ponenana marobe tonga ho amin'ny nosy nandritra ny herinandro farany:

Σήμερα Κυριακή οι εθελοντές της συμμαχίας μοίρασαν τρόφιμα στους περίπου 700 πρόσφυγες και παράτυπους μετανάστες που βρίσκονται στο καπετάν Ηλίας.
Ελπίζουμε σύντομα να ενημερωθούν και οι υπόλοιποι πρόσφυγες που βρίσκονται στο λιμάνι και πλέον όλοι να σιτίζονται μόνο στο ξενοδοχείο και να μην χρειάζεται να βρίσκονται σε πλατείες κοντά στο λιμάνι

Androany Alahady, nizara sakafo hoan'ireo mpitsoa-ponenana efa ho 700 sy ireo mpifindra-monina ao amin'ny Hotely Captain Elias ireo mpilatsaka an-tsitrapo an'ny Symmaxia. Manantena izahay fa hahafantatra ireo mpitsoa-ponenana ambiny ao amin'ny seranan-tsambo, ka omena sakafo ao amin'ny hotely avokoa ny rehetra, tsy mila mankeny amin'ny tany malalaka akaikin'ny ny seranan-tsambo intsony izy ireo.

Manasa ireo mpisera Facebook ny Channel 4 News ao UK mba “hihaona amin'ilay mpanampy mpitsabo Britanika misotro ronono izay mitondra ny fanampiany amin'ny krizy maha-olona tsy mitsaha-mitombo ao amin'ny nosy Kos”:

Ao Thessaloniki, tanàna faharoa lehibe indrindra ao Gresy, nilaza ny Hetsi-piraisankina Hoan'ny Mpitsoa-ponenana  fa “ny fiantohana ny fiarovana ara-tsakafo sy ny fitaovana fototra hoan'ny mpitsoa-ponenana” no tanjon'izy ireo. Nandritra ny herisetra vao haingana nihatra tamin'ireo mpitsoa-ponenana tao amin'ny sisintanin'i Gresy-Makedonia, nankao ao amin'ny tanàna sisintany Grika ao Eidomeni ireo mpilatsaka an-tsitrapo mba hizara rano, sakafo, fitafiana ary fitaovam-pidiovana.

Thessaloniki. Manangona sakafo, fanafody sy fitaovana fitsaboana hoan'ireo #refugeesGr izahay

Manome vatsy ho an'ireo mpitsoa-ponenana ao amin'ny sisintanin'i Gresy-Makedonia

Olona manodidina ny 170 izay nialokaloka tao amin'ny vala Pedion Areos nandritra ny volana lasa no nafindra tao amin'ny Foibe Fandraisana Mpitsoa-ponenana ao Elaionas. Maro tamin'izy ireo no mitady fialokalofana any amin'ny firenena Eoropeanina hafa ary miezaka mitady ireo namana sy havana efa monina any ivelany.

Ao amin'ny foibe, nampiseho an-tsary ny zavatra iainan'ny mpitsoa-ponenana amin'ny fiampitàna ranomasina ny ankizy iray. Mpisera Twitter @epan_e_kinisi nizara ilay sary, tsara ho fantatra fa ao ambadiky ny isa, olombelona tsy manan-tsiny an'arivony an'arivony no mendrika omena fanampiana:

Sary namboarin'ny ankizy mpitsoa-ponenana iray tao amin'ny Foibe Fampiantranoaina Mpitsoa-ponenana ao Elaionas. Tsy misy sisintanim-pirenena ny maha-olombelona sy ny fanantenana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.