LAHATSARY: Herisetran'ny Polisy Libaney Tamin'ireo Mpanao Fihetsiketsehana “Maimbo Ianareo (You Stink)”

Beirut, Lebanon. 23rd August 2015 -- A man stands next to burning barb-wire in Riad el Solh Square in Beirut, Lebanon after the army was deployed to curb the rubbish disposal protesters rallying in the capital against the government. -- Protest organized by the "You Stink" movement Sunday turned into violence in Beirut Riad AlSolh square after protesters started to remove the barbed wire that leads to the Grand Seraii, Lebanese government head quarters building. Photograph by Issam Abdallah. Copyright: Demotix

Beirut, Libanona. 23 Aogositra 2015 — Lehilahy iray mitsangana eo akaikin'ny fefy tariby may tao amin'ny kianjan'ny Riad el Solh ao Beirota, Libanona taorian'ny nandefasana ny tafika handrava ny mpanao fihetsiketsehana “mamibo ianareo” nanomboka nanala ny fefy tariby mizotra mankany amin'ny Grand Seraii, foibe toeran'ny governemanta Libaney. Sary avy amin'i Issam Abdallah. Copyright: Demotix

Mitohy ny hetsi-panoherana ao Libanona rehefa nidina teny an-dalamben'i Beirota ny olona an'arivony mba hanohitra nandritra ny faran'ny herinandro ny fivangongon'ny fako . Nitangorona tao amin'ny kianjan'ny Riad El Solh ireo mpanao fihetsiketsehana mpihiaka ny “Maimbo Ianareo” tany am-boalohany, izay nitakian'izy ireo “vahaolana maharitra amin'ny fanesorana fako ao Libanona.”

Mety ho hetsika fanoherana ny fivangongon'ny fako no nanombohany. Ankehitriny mahatonga fandrahonana ny governemanta sy mitaky ny fametraham-pialana, ny fampitsaharana ny kolikoly ary ny fifidianana parlemantera vaovao ny fofona masiso. Tsy nanana Filoha nandritra ny herintaona i Libanona, izay efa miaritra faharatsian'ny fotodrafitrasa sy ny fahatapahan'ny herinaratra isan'andro. Tamin'ny taona 2009, nitarin'ny antenimiera hatramin'ny taona 2017 ny fe-potoam-piasany, tsy misy ny fifidianana, lazaina fa noho ny korontana no antony. Ankehitriny, mitaky fanovana amin'izany rehetra izany ireo mpanao fihetsiketsehana. Tsy olan'ny fako intsony izany izy ity.

Ny fihetsiketsehana nanomboka tamin'ny Asabotsy (22 Aogositra) no anisan'ny goavana indrindra tamin'ireo andiam-pihetsiketsehana tsy nitsaha-nitombo sy nihamafy hatramin'ny nanombohan'ny Tol3et Re7atkom (maimbo ianareo), hetsika tsy ara-pivavahana mitaky vahaolana amin'ny fivangongon'ny fako ao Libanona. Tamin'ny 17 Jolay, nakatona ny toerana lehibe indrindra fanariam-pako ao amin'ny firenena ary nanomboka nivangongo manerana an'i Beirota ny fako satria tsy voasahan'ny manampahefana araka ny tokony  ho izy ny olan'ny fako.

Vakio ihany koa: Inona no Nitranga Tamin'ny Asabotsy 22 Aogositra

Nanomboka tamin'izay, nijapy lamasinina ihany koa ireo vondrona hafa, samy manana ny fandaharan'asany [kinendriny]. Miaraka amin'ny Hetsika Mivantana Tsy misy Herisetra, Non-Violent Direct Action (NVDA), ny hetsika Maimbo Ianareo, misy ireo lahatsary avy ao Libanona mampiseho ireo mpanao fihetsiketsehana notafihan'ny mpitandro ny filaminana tamin-kerisetra, izay mampiasa baomba mandatsa-dranomaso sy tafondron-drano, ary mitifitra mivantana ireo vahoaka.

Namoaka voalohany ny zava-nitranga tamin'ny 22 Aogositra i Joey Ayoub, bilaogera Libaney sady mpanoratra ato amin'ny Global Voices Online amin'ny teny Libanona, mitantara ny fomba nihamafisan'ny toe-draharaha tao amin'ny bilaoginy Hummus for Thought izy. Hoy i Ayoub nanazava:

I was there alongside thousands of Lebanese citizens demanding for our rights when we were met with police brutality, teargas canisters, water-canons and armed thugs following peaceful protestors and beating them.

[…]

As one of those who helped organize this protest, I can safely tell you that the government’s reaction was beyond anything we were expecting. We were expecting water-cannons like last time, and many of us came prepared for those (putting our phones in plastic bags etc.). But we were not prepared for the teargas and we were certainly not expecting to see riot police and army men playing the role of government thugs.

[…]

The sheer savagery of riot police and army men shooting teargas canisters haphazardly at any concentration of people they saw in front of us was a shock to us all. We saw old women and children between carried by men to save them from getting crushed by everyone else. We were yelling ‘we have kids! We have kids!’ while riot police increased the velocity of the water cannons until none of us could stand on our feet. The water-cannons pushed nearly 10,000 people into one another on a narrow street. Kids who came with their parents were being trampled on, old ladies screaming ‘shame! shame!’ while they tried to run away, young men and women building a solidarity wall to prevent the brutality of water cannons from hitting the weaker ones among us.

Niaraka tamin'ireo olom-pirenena Libaney an'arivony mitaky ny zonay aho raha niharan'ny herisetran'ny polisy, baomba mandatsa-dranomaso, tafondron-drano sy jiolahimboto mitam-piadiana manaraka ireo mpanao fihetsiketsehana milamina ary midaroka azy ireo

[…]

Satria anisan'ireo nanampy tamin'ny fikarakarana ity fihetsiketsehana ity ny tenako, afaka milaza soa aman-tsara aminareo aho fa tafahoatra tsy araka ny niheveranay azy ny fihetsiky ny governemanta. Nihevitra izahay fa tafondron-drano tahaka ny farany no ho ampiasan'izy ireo, ary maro taminay no nivonona tamin'izany (mametraka ny findainay ao anaty harona plastika sns). Tsy nivonona tamin'ny baomba mandatsa-dranomaso izahay ary tsy nihevitra mihitsy fa hahita polisy mpandrava korontana sy olon'ny tafika manao ny asan'ny governemanta jiolahimboto.

[…]

Tohina tanteraka izahay noho ny habibiann'ny polisy misahana ny rotaka sy ireo lehilahin'ny tafika nitifitra baomba mandatsa-dranomaso tampoka any amin'izay bebe olona. Nahita vavy antitra sy ankizy nobatain'ny lehilahy izahay mba hovonjena tsy ho voahitsakitsaky ny olona . Niantsoantso izahay hoe “misy zazakely ato! Misy zazakely ato!!” raha nanamafy ny hafaingam-pandehan'ny tafondron-drano ny polisy mandram-pianjeranay. Nanosika olona efa ho 10.000 tao anaty arabe iray hafa tery kely ny tafondron-drano. Voatsindry tao ireo ankizy nanaraka ny ray aman-dreniny, niantsoantso ireo vavy antitra hoe ‘mahamenatra! mahamenatra! ‘raha niezaka nandositra izy ireo, nanangana rindrin'ny firaisankina ireo tanora lehilahy sy vehivavy mba hisorohana ny herisetran'ny tafondron-drano tsy hipaka any amin'ireo olona malemy kokoa niaraka taminay.

Manontany i Ayoub hoe:

It was extremely dangerous. We genuinely feared for our lives. And for what? Demanding sustainable solutions to Lebanon’s trash crisis as opposed to its current catastrophic mismanagement? Wanting to live normal lives free of such suffocating corruption and sectarian nepotism?

Tena nampidi-doza tokoa izany. Natahotra mafy ny ainay izahay. Noho ny amin'inona? Mitaky vahaolana maharitra amin'ny olan'ny fako ao Libanona mifanohitra amin'ny tsy fahaiza-mitantana mampidi-doza ankehitriny? Maniry ny hiaina fiainana ara-dalàna lavitry ny kolikoly sy ny kiantranoantrano ara-pivavahanamanempotra?

Indreto lahatsary sasany mampiseho ny herisetran'ny polisy tamin'ireo sivily:

Rehefa avy niventso “Fihetsiketsehana milamina ity” voadaroky ny mpitandro ny filaminana ireo sivily.

Mampiseho baomba mandatsa-dranomaso natifitra mivantana teny amin'ireo mpanao fihetsiketsehana ity lahatsary ity:

Voalaza fa mampiseho ireo polisy miezaka maka an-keriny sy midaroka vehivavy kosa ity lahatsary ity:

Miezaka manaparitaka ireo mpanao fihetsiketsehana ao Beirota kosa ny polisy:

Miezaka manaparitaka ireo mpanao fihetsiketsehana #YouStink  ao Beirut ny polisy

Natifitra teny amin'ireo mpanao fihetsiketsehana ny baomba mandatsa-dranomaso:

Baomba mandatsa-dranomaso nalefa teny amin'ireo mpanao fihetsiketsehana. Mariky ny fanjakana tsy nahomby!

Miaramila midaroka mpanao fihetsiketsehana milamina:

Video footage of military men beating peaceful protesters. PLEASE SHARE. MORE FOOTAGE TO COME.

Posted by ‎طلعت ريحتكم‎ on Saturday, 22 August 2015

Lahatsary ahitana miaramila midaroka mpanao fihetsiketsehana milamina. AELEZO AZAFADY. MBOLA MISY SARY HAFA HOAVY.

Etona mandatsa-dranomaso natifitra ny mpanao fihetsiketsehana natao tao an-tsenan'i Beirota:

Protesters, civilians trapped and fired with tear gasses by the police INSIDE Beirut Souks.

Posted by ‎طلعت ريحتكم‎ on Saturday, 22 August 2015

Mpanao fihetsiketsehana, sivily voafandrika sy voatifitra etona mandatsa-dranomaso alefan'ny polisy ANATY tsena

Dia ahoana koa ny manaraka? Mbola hanohy ny fihetsiketsehana ve ny vahoaka Libaney rahampitso rahafakampitso? Aza miala hahitana ny tatitra bebe kokoa.

Vakio ihany koa:

‘Maimbo ianareo’ Mpanao fihetsiketsehana mitaky ny hialan'ny governemanta [fr]

Nampitandrina ny fikasan'ny antoko politika hanararaotra ny hetsika ataon-dry zareo ny Libaney mpikatroka [mg]

Mpanao fihetsiketsehana miatrika ny gidragidran'ny polisy misahana ny rotaka ao Libanona [mg]

Ary ny tati-baovaonay ao amin'ny Global Voices Checkdesk

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.