Taorian'ny Fisamborana Ireo Tanora Mafàna Fo, Miteny Manohitra Ny Tsimatimanotan'ny Mpitandro Filaminana Ny Ogandey

Kampala, Uganda. 27 April 2012 -- Riot police walk past the entrance to the Gaddafi National Mosque in Old Kampala. Photo by Will Boase. Copyright Demotix

Kampala, Oganda. 27 Aprily 2012 — Mpitandro filaminana mpandrava korontana mandeha manoloana ny fidirana ao amin'ny Maoskem-Pirenena Gaddafi ao Old Kampala. Sary an'i Will Boase. Fizakàmanana Demotix

Tany ampiandohan'ity volana ity, tanora Ogandey 14 no notànan'ny mpitandro filaminana taorian'ny nanaovany tafa ho an'ny mpanao gazety nitakiana fifidianana malalaka sy tsy mitanila. Nanararaotra ilay zava-misy i Andrew Karamagi, mpikatroka ara-pôlitika, mba hitakiana fanavaozana ny resa-pifidianana tao amin'ny “Centenary Park” tao Kampala renivohitra. Nohodidinin'ny mpitandro filaminana ry zareo ary nampangainy ho nanao fivoriana tsy nahazoana alàlana fehezin'ny Lalàna Fitantanana ny Filaminam-Bahoaka.

Nahiahiana ho mifandray tendro amin'ny Fiombonana Demôkratika mpanohitra ireo tanora nosamborina ireo ary naniry hiresaka ny fisamborana ireo mpanao pôlitika avy any amin'ny mpanohitra, Kizza Besigye sy Amama Mbabazi, izay Praiminisitra fahiny.

Ny lahatsoratr'i Silver Kayondo tao amin'ny bilaogy “Solidarity Uganda” dia manome hevitra momba ireo toe-piainana mety hatrehan'ireo voafonja any amin'ny fonja Ogandey. Taorian'ny nandehanany tany amin'ny Foiben'ny Mpitandro Filaminana ao Kampala, tamin'ny 2014, mba hitsidika ny namany, no nanoratan'i Kayondo ilay lahatsoratra, namany izay notazonina noho ny “fanehoany ny tsy hafaliany tamin'ny kabarin'ny Lehiben'ny Fampanoavana ao Oganda momba ny fomba nanarahan'ny governemanta Ogandey ny lalàna.”

Tany amin'ilay efitry ny fonja, nisy namana roa hafa avy ao amin'ny sekoly fianarana lalàna nanaraka ahy – i Perez Onyait Odeke s'i Jonathan Mwesigwa Ssekiziyivu izay tonga teo koa hitsidika an'i Andrew. Tonga taloha keliko ry zareo saingy nolazaina an-dry zareo fa hoe nahazo baiko (avy aminà manam-pahefana ambony iray) ny mpitandro filaminana mba tsy hamela na iza na iza hihaona amin'i Andrew alohan'ny amin'ny 1 ora tolakandro satria “raharaha iray manokana io.” Nolazàna i Perez mba hiala ny tobin'ny mpitandro filaminana raha tsy te-ho voampanga ho tsy misy atao sy marary saina! Hitako nijoro tery amin'ny valanjavaboary “City Square” izy – kianjam-bahoaka iray izay efa nofefen'ny mpitandro filaminana. Niara-niverina tany amin'ny tobin'ny mpitandro filaminana izahay. Nipetraka taminà rindrina kely tao amin'ilay birao i Jonathan. Taorian'ny nifanakalozana vazivazy vitsivitsy teo am-piandrasanay ny fotoana voalaza, dia nanainga ho any amin'ny birao fandraisan'ny mpitandro filaminana izahay.

Teo amin'ny fandraisana, tsy misy afaka milaza ho tsy mahita ny endrika mampalahelon'ilay tobin'ny mpitandro filaminana. Rovitra sy rotidrotika ny seza. Maimbo hatsembohana sy fofon'olona ny efitrano fakàna am-bavany ary mifanaretsaka mitady toerana ny olona sy ny biby kely mandady (katsatsaka ry androngo eny amin'ny rindrina)! Zara raha mba nisy fanatsarana natao tao amin'ilay tobin'ny mpitandro filaminana izay nolovaintsika tamin'ireo Britanika mpanjanaka tamin'ny 1962. Mitriatra ny rindrina vita simenitra sy ny gorodona. Tsy misy hidiny ny efitrano fitahirizan'entana ametrahana ny zavatra avy any amin'ireo olona ahiahiana (kiraro, fehikibo, satroka, sns…) no sady tsy misy fasiana entana misy hidiny ihany koa.

Ndeha hiverenana ny raharahantsika ankehitriny, nitsidika ny iray tamin'ireo tanora voasambotra i Raymond Qatahar sy Samson Tusiime, dia i Daniel Arinaitwe Turitwenka izany, izay naman-dry zareo. Na dia salama tsara aza ilay tanora tamin'ny fotoana nitsidihan'izy roa azy, tsikaritr'izy ireo fa nisy mpitandro filaminana iray voatàna nandritry ny roa herinandro tsy nandalo fitsaràna tao. io no nahatezitra azy ireo ka nandefasany ny tenifototra #ImpunityUg.

Nietry ho vondron'olom-bitsy mitam-piadiana izay miady amin'ny mpanohitra ara-pôlitika sady miasa tapak'andro amin'ny fampanarahan-dalàna ny mpitandro filaminana ao Oganda

Ny fankasitrahanay ny hetsi-panovàna dia tsy midika fa tsy maintsy handany ny andronay handoa ny setrin'izay izahay. satria ankehitriny, leo tanteraka izahay

Mitomany ho an'ireo Ogandey tsy manan-tsiny rehetra any am-ponja noho ireo antony tsy marina aho, izay tsy jerentsika satria tsy mba olona anatin'ny vondrom-piarahamonin'ny Twitter izy ireny

Raha sady mandresy ny hetsika fampihorohorona avy amin'ireo mpanao an-tendrony isika, dia miady ihany koa amin'ny tahotra apetratsika eto amin'ny antsika ihany

Andro vitsy lasa izay, tsy nisy resaka afa-tsy ny famotsorana ireo mpanao pôlitika, izao dia ireo namanay mihitsy? Noravan'ny governemanta izany

Taorian'izay dia nampiakarina fitsara i Daniel Arinaitwe Turitwenka sy ireo namany, voampanga ho nandika baiko ara-dalàna ary navotsotra rehefa nandoa onitra avy eo. Nizara ilay taratasy fiampangana i Masake Anthony avy ao amin'ny “Chapter Four Uganda”:

Ilay Taratsy Fiampangana an'i @DannyT_UG & 6 hafa. Ilaina saziana ireo lainga miely ao anaty aterineto momba ilay Fanafihana

Raha niantso ireo Ogandey kosa i JoanNe N☆Nvannungi mba hanomboka hikaro-baovao momba ny tsimatimanotan'ny mpitandro filaminana:

Ny dingana manaraka dia ny fanombohan'ireo Ogandey mirakitra an-dahatsary sy an-tsary ity tsimatimanota ity. Zarao & andeha hanoro ny mpitandro filaminana ny fihetsika tokony hataony.

Natosik'io adihevitra io hanangana tetikasa iray antsoina hoe “THEZEITGIEST” i Samson Tusiime s'i Raymond Qatahar, izay hiresadresaka momba ireo olana ahitana fotokevitra miantraika amin'ireo Ogandey. Mifototra amin'ny endrika fifanatrehana io tetikasa io, izay horaketina ary hozaraina anaty aterineto ny rakipeo:

30 minitra taty aoriana, ireo valinteny mikasika izay tokony norakofan'ny The Zeitgeist. Tohizo hatrany. Alatsao eto ny vato

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.