Mitari-dalana Amin'ny Halakin'ny Fitroham-botoaty an'aterineto Ao Amerika Atsimo i Orogoay, i Shily Ary i Brezila

Mapa de velocidad de conexión a internet en América Latina

Ny taha ankapoben'ny hafainganam-pandehan'ny aterineto ao Amerika latina dia 7,3 Mbps, ary firenena telo ihany no manana taha ambony: Orogoay, Brezila ary i Shily.

Tamin'ny tatitra farany no nivoahan'ny tahan'ny hafainganam-pandehan'ny fifandraisana aterineto ao amin'ny firenena Amerika Latina na “La nueva Revolución nomerika: de la Internet del consumo a la Internet de la producción”  (Ny Revolisiona Nomerika Vaovao: Miainga amin'ny fanjifana aterineto ka hatramin'ny Famokarana aterineto) avy amin'ny Vaomiera ara-toekarenan'i Amerika Latina sy ny Karaiba.

Araka ny tatitra, ny taha ankapoben'ny hafainganam-pandehan'ny Fitrohana (Download) dia 7,3 Mbps ao Amerika Atsimo. Ao amin'ny firenena mandroso kokoa, eo ho eo amin'ny 32,2 Mbps ny hafainganam-pandehan'ny Fitrohana .

There are only four countries in the region that are above the average: Brazil, Chile, Mexico, and Uruguay.

Firenena efatra ihany no manana taha ambony ao amin'ny faritra: Brezila, Shily, Meksika ary Orogoay

Shily no firenena tsara laharana tsara indrindra tamin'ny taona 2012 izay mahita 8 Mbps amin'ny taha ankapoben'ny hafainganam-pandehan'ny fitrohana. Tamin'ny faran'ny taona 2014, Orogoay no tsara laharana indrindra tamin'ny 22,6 Mbps. Mitovy tanteraka amin'i Espaina, Portiogaly na koa i Angletera izany tarehimarika izany. Ankoatra an'i Orogoay, tao Shily sy Brezila ny hafainganam-pandehan'ny fitrohana tsara indrindra. Ny miadana fitroka aterineto indrindra dia ao Bolivia, Paragoay, ary Venezoela.

Araka ny tatitra ihany, ny tahan'halakim-pamindrana (loading) ao Amerika Latina amin'ny ankapobeny dia 2,9 Mbps, raha 13,4 Mbps kosa ny taha ankapoben'ireo firenena mandroso kokoa. “Orogoay no manana hafaingam-pandeha tsara indrindra amin'ny famindrana votiaty (Loading) (5,9 Mbps) arahin'i Meksika (5,7 Mbps) sy Brezila (4,2 Mbps). Arzantina, Bolivia, ary Però no ela famindrana votoaty indrindra.”

Orogoay no manana ny taha tsara indrindra amin'ny famindrana sy ny fitrohana amin'ny finday haingam-pitosaham-botiaty.

En cuanto a la velocidad de descarga (16,96 Mbps), este país se encuentra por encima del promedio de los países avanzados (14,8 Mbps); lo siguen Colombia (9,9 Mbps) y Perú (9,6 Mbps). En la velocidad de carga, Uruguay (6,8 Mbps) es seguido por Perú (5,7 Mbps), ambos ubicados por encima del promedio de los países avanzados (5,6 Mbps). Colombia, con 4,8 Mbps, ocupa el tercer lugar. Bolivia, Colombia y Perú, que no destacan en banda ancha global, alcanzan buenas posiciones en las velocidades de banda ancha móvil”.

Manana hafainganam-pandeha (16,96 Mbps) amin'ny fitrohana ity firenena ity izay ambony kokoa raha oharina amin'ireo firenena mandroso (14,8 Mbps). Arahin'i Kolombia (9,9 Mbps) sy Pero (9,6 Mbps) . Amin'ny hafangainam-pitosaham-botoaty kosa, Orogoay (6,8 Mbps) no voalohany, avy eo Pero (5,7 Mbps). Samy manana taha ambony ireo firenena roa tonta ireo raha oharina amin'ireo firenena mandroso kokoa (5,6 Mbps). Kolombia kosa no eo amin'ny laharana fahatelo amin'ny 4,8 Mbps. Raha tsy voalahatra amin'ny hafainganam-pitosahana manerantany dia tsara toerana kosa i Bolivia, Kolombia, ary Però amin'ny hafainganam-pitosaky ny aterineto amin'ny finday

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.