Noana Misimisy Kokoa Ny Aterineto Noho Ny Fahazotoan-komana Mahatalanjon'ilay Japoney Vavy

Miaina nofinofy iray ho afaka hihinana ny karazan-kanina rehetra ary fatra betsaka amin'izany, nefa toa tsy mankarary azy akory, ny Japoney vavy iray antsoina hoe Yuka Kinoshita (木下ゆうか).

Kinoshita, izay misora-tena ho “mpifaninana matianina amin'ny fihinanan-kanina,” dia YouTuber tsy azo laizina ihany koa. Araka ny mombamomba azy ao amin'ny YouTube, mandray vola amin'ny ampahany ihany koa i Kinoshita noho ny  fampahafantarana ireo trano fisakafoanana mpampiantrano fifaninanana mihinan-kanina.

Mba hamaliana ny tinadin'ireo mpankafy azy, mampakatra lahatsary isan'andro i Kinoshita izay ahitàna azy mihinana sakafo be dia be ao anatin'ny fotoana fohy.

Ohatra, asongadin'ny lahatsary iray i Kinoshita mihinana beefsteak iray jobokaty milanja fito kilao mahery ary manome 6.625 kilocalories, sady misy ny fomba fahandroana azy ihany koa.

Lahatsary iray hafa no ahitàna an'i Kinoshita mihinana mofo sesika Big Mac milanja fito kilao an'ny McDonald nokarakaraina niaraka tamin'ny vary ao anaty fahandroam-bary (rice cooker) iray.  

Ny tena tanjona ara-tsakafon'i Kinoshita dia manasongadina ireo sakafo mameno lovia natao hatrizay ho an'ny ankizy, izay rehefa atambatra dia manome maherin'ny 23.000 kilocalories.  

Na dia mifampizara amin'ny sasany ihany aza i Kinoshita dia izy no tena mihinana ny betsaka amin'ireo sakafo, mampivanaka ny vahiny nasainy.

Ahoana no ahavitan'i Kinoshita manao ireny zavatra hafakely sy sidina Epikoreanina manankarena ireny?

Ao anaty lahatsary iray Fanontaniana&Valiny nakarina ao amin'ny YouTube tamin'ny taona lasa,  ary misy dikanteny Anglisy mandady, dia ambàran'i Kinoshita ho miankina amin'ny toe-batany ny fahombiazany :  

Rehefa nojeren'ny dokotera aho, dia voalaza fa manana vavony tena hafakely… Vitan'ny vavoniko ny mihitatra ka mameno ny toerana banga rehetra ao amin'ny tenako. Izay no antony ahafahako mihinana betsaka.

Mbola ny toebatany indray ihany koa no nambaran'i Kinoshita ho anton'ny tsy fahazoany lanja be. “Tsy mitovy ny hafainganan'ny fomba fandevonan'ny tenako ny zavatra rehetra… ary dia avelany handalo fotsiny izy ireny.”

Misy aza lahatsary iray mampiseho azy nanaovana fitiliana feno ny vatana manontolo.  Manao ireo andiana fitsapàna samihafa izy miaraka amin'ireo Japoney YouTubers mpiaraka aminy ary toy ny salama tsara mihitsy.

Na eo aza ny zavabita mahagaga sy ny laza azon'ity mpihinana matianina ity, dia mazava fa izy tenany tsy dia mandray izany ho tena zava-dehibe loatra:

Soratra amin'ny sary: olondehibe tsy misy ilàna azy

Nahazoan'i Kinoshita mpamandrika mihoatra ny 460.000 ao amin'ny Youtube ary efa ho 69.000 mpanjohy ao amin'ny Twitter ny haavo ara-panahin'ny fihinanany sakafo.  Noho ny ezak'i Aphexx, ilay YouTuber mpiaradia aminy, izay nandika ho amin'ny fiteny Anglisy ny lahatsariny farany, manana mpankafy manerana izao tontolo izao i Kinoshita ankehitriny.

Asehon'reo vehivavy mpankafy azy ny fankasitrahany ny asan'i Kinoshita, tamin'ny alàlan'ny fibitsihana taokanto sy fideràna amin'ny ankapobeny ny asany.

Yuka! Tena noana beeee aho izao! (。´Д⊂) Tena te-hahita sarinà sakafo matsiro aho!m(。≧Д≦。)m

ケージェイ – Q: Ny sipanao ve io eo io? A: Tsia, i Mochiko io.(* ¨̮*)/(*¨̮ *)/ Yuka: toy ny pasteky ny akanjoko! Tsara tarehy!(* ¨̮*)/(*¨̮ *)/ ♡

Nanokatra tranonkala amin'ny teny Anglisy ho an'ireo lahatsariko i Apexx, ilay manao ny dikanteny ho Anglisy ao anatin'ny lahatsariko! Ary dia io izy io! K-Jay [mpampiasa Twitter] nanao ity sariko ity!

Sambatra aho fa voahodidin'ireo namana sy mpijery mahafinaritra.

Nasongadina tao amin'ny fandaharana “Oogui” (大食い) an'ny fahitalavitra Japoney ihany koa i Kinoshita, izay andehanany mivezivezy amin'ireo trano fisakafoanana manerana ny firenena mba hihinana ampahany lehibe amin'ireo sakafo isankarazany mampiavaka ireny trano fisakafoanana ireny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.