Refodrefotra sy poa-basy tao amin'ny lapa Dolmabahçe ao Istanbul

The peaceful exterior of the Dolmabahçe Palace. Photo by Jack Hennessy.

Milamina tsara ny ao ivelan'ny Lapa Dolmabahçe. Sary avy amin'i Jack Hennessy.

Lahatsoratra fiarahamiasa nosoratan'i Jack Hennessy ary nivoaka voalohany tao amin'ny Global Student Square ity lahatsoratra ity. Navoaka eto indray rehefa nahazoana alàlana.

Lehilahy roa voalaza fa mitam-piadiana no voasambotra taorian'ny refodrefotra sy poa-basy nanakoako ny lapa Dolmabahçe ao Istanbul, toerana manintona ny mpizahatany sy biraon'ny praiminisitra Tiorka Ahmet Davutoglu.

Raiki-tahotra ny vahoaka ary nandositra tamin'ny alalan'ny vavahady nankany amin'ny arabe ny olona raha nanipy grenady mankarenin-tsofina sy nanao tifi-basy maromaro ireo mpanafika roa, izay nolazaina fa nikendrena ireo polisy manamboninahitra miambina ny toeran'ny vanim-potoana Ottoman. Nobahanan'ny polisy avy hatrany ny fidirana ao amin'ny toerana.

Nitatitra ny Associated Press fa polisy manamboninahitra iray no naratra kely.

Na dia tsy misy vondrona nitonona ho tompon'andraikitra tamin'ny fanafihana aza, araka ny voalazan'ny Associated Press, dia nitatitra kosa ny sampam-baovaom-panjakana fa mpikambana ao amin'ny Mandan'ny Tafi-panafahana Revolisioneram-bahoaka , na DHKP-C ireo mpanafika. Nitatitra ihany koa ny Guardian fa ny sampam-pahalalam-baovao Tiorka no nanonona loharanom-baovaon'ny polisy milaza fa ny DHKP-C no tao ambadiky ny fanafihana.

Iray amin'ireo tsangambato goavana sisa tavela tamin'ny Fanjakana Ottoman ny lapan'ny Dolmabahçe ao Istanbul. Maty tao tamin'ny taona 1938 ny mpamorona an'i Torkia maoderina, Mustafa Kemal Atatürk. Ahitana fampiratiana ho an'ny mpizaha-tany ny lapa, na dia misy itoeran'ny sampan-draharaham-panjakana hafa, anisan'izany ny biraon'ny praiminisitra Tiorka, aza ny faritra hafa.

Nitranga tao anatin'ny fihenjanan'ny ady ao Torkia ny loza, satria vao nanafika ireo mpikomy Kiorda ao avaratr'i Iraka sy ny Fanjakana Islamika ao Syria indray ny Filoha Reccip Tayyip Erdogan sy ny Antokony Fampandrosoana ny ny rariny (AKP).

Image: Google maps

Sary: Google maps

Tamin'ny Alarobia ihany koa, miaramila valo no namoy ny ainy tamin'ny fipoahana baomba tao amoron-dalana tao Siirt,  faritra atsimo-atsinanan'i Tiorka manamorona an'i Syria sy Iraka. Araka ny voalazan'ny BBC, ireo PKK mpikomy no voalaza fa nahavita ny fanafihana .

“Atahorana mafy ny toe-draharaha ao Tiorkia,” hoy i Eyup Kabogan, 27 taona, mpiasan'ny bara ao amin'ny Hotely Pierre Loti ao Sultanahmet, afovoan'i Istanbul, eo amin'ny dimy kilaometatra atsimon'ny lapa. “Na dia ny tenako aza tsy maintsy mitandrina amin'izay rehetra alehako rehefa mandeha eny an-dalambe.”

“Kiorda aho aloha,” hoy i Kabogan ary nampiany hoe: “saingy fantatro fa misy fomba hafa hanovana zavatra (ara-politika).”

Tokony hihataka lavitra amin'ny faritra be olona sy ny tobin'ny polisy ny mpizaha-tany, hoy i Kabogan nampitandrina, na dia nilaza aza izy fa “tsy mikendry mpizaha-tany ireo vondrona mpampihorohoro fa ny mpitandro ny filaminana.”

Ao anatin'ny korontana ny tontolo ara-politikan'i Torkia taorian'ny fikasan'i Davutoglu hanangana governemanta iaraha-mitantana izay tsy nahomby tamin'ny herinandro lasa. Tamin'ny Talata, nomeny fahefana i Erdogan hanangana governemanta vaovao mialoha ny fifidianana antenainy hotontosaina amin'ny Novambra.

“Tsy hitako izay holazaina (momba ny fanafihana androany),” hoy Berk Çoker, 21 taona, Tiorka sy mpianatra ao amin'ny Oniversiten'i Stanford.

Mpianatra informatika i Coker ary mikasa hiverina hody an-tanindrazana aorian'ny fianaran'asa misahana rindrambaiko ao amin'ny Helodranon'i San Francisco amin'ity asara ity.

“Araka ny voaporofon'ny fanafihana sy ny tsy fahombiazan'ny fiaraha-mitantana, somary henjana ny toe-draharaha ara-politika ao Tiorkia,  mahatonga azy ho firenena tsy azo antoka hoan'ny mpitsidika,” hoy i Coker.

Ho valin'ny herisetra tsy mitsaha-mitombo, hoy ny Telegraph, nanagadra olona maherin'ny 2500 ahiahiana ho mpikambana ao amin'ny ISIS, PKK sy DHKP-C ny governemantan'i Erdogan.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.