Mihasimba Ny Trano Fonenana Natao Ho An'ny Besinimaro Any Londona

IMG_4366aa

Hetsika nataon'ny mpanohitra ny fanomezana ny tanàna ho an'ny manankarena, tao Brixton tamin'ny 2013. SARY: John Lubbock

Tao anelanelan'ny taona 2013 sy 2014, niasa ho toy ny mpandrindra ny vondrom-piarahamonina taminà tranobe fonenana ho an'ny daholobe tany Atsimon'i Londona aho (Fanamarihan'ny mpandika: irony trano avobe misy efitra maro ary mahazaka fianakaviana marobe – HLM – irony no trano resahana eto) . Raha mbola tsy nahita velively ny fahantran'ny “Tany Voalohany” ianao, mety hieritreritra hoe tsy dia ratsy loatra akory ny mahantra any Andrefana. Tany lafo fiainana i Londona, noho izany raha manana asa kely karama ianao, miaraka amin'ny asa an-tokantrano, ny asanao sy fitaizàna ireo zanaka raha betsaka ny anao, tena mila mahay mandamina ny zavatra atao sy mitandrina tsara amin'ny volanao ianao, mba ahazoanao mandoa ireo vola tokony aloa rehetra sy mitaky ireo tombotsoa tokony ho azonao.

Miha potika tsikelikely ny trano fonenana efa antitra natao ho an'ny besinimaro any Londona. Hatry ny nandrisihan'ny governemanta Thatcher ireo mpanofa mba hividy ireo tranony manokana an'ny filankevitra, ny taona 80, nihena ny tahirinà trano fonenana natokana ho an'ny maro, ary tsy nampiasaina tamin'ny fanamboarana trano fonenana vaovao ho an'ny daholobe mba hanoloana ilay teo efa ela ny vola azon'ny governemanta avy tamin'ny fivarotana ireo tranon'ny filankevitra. Hatry ny taona 80, nametraka foana ny governemanta hoe ho afaka ny hiatrika io filàna io ny sehatra tsy miankina.

Kanefa tsy nahavita io. Te-hahazo tombombarotra ny orinasa tsy miankina, ary amin'ny fohy ezaka, kely ny tombony azo amin'ny trano fonenana ho an'ny daholobe. Ny nisy aza, nirongatra be ny sehatra fampanofana trano ataon'ny tsy miankina, ary niakatra avo be ny tombony amin'ny lazam-bidin'ny fanomezana trano fonenana an'ny governemanta. Raha tokony hoe nomena trano fonenana ho azy ireo manokana ny olona, araka ny fanaon'ny governemanta, dia any an-tànan'ireo tompontrano indray izao ny vola no atolony. Tomponà trano manokana lehibe moa ny ankamaroan'ireo mpanao politika nanohana ireo politika ireo.

Manerana an'i Londona, mihamitombo hatrany ny vidim-piainana, indrindra ho an'ireo mpanofa trano, ary maro ireo mila hilatsaka hidina ambanin'ny fetran'ny fahantrana, tsy afa-manaraka. Vao mainka nampian'ilay Hetranà Efitra Fandriana indray io, izay manapaka ny 25% an'ny tombony ho an'ny tompon'ny trano fonenana natokana ho an'ny daholobe, raha manana efitra roa na mahery tsy ampiasaina izy. Nandeha tany amin'ny “Brixton Town Hall” (Trano Malalaky ny Tanànan'i Brixton) aho tamin'ny fivoriana azo natrehan'ny daholobe, nisy vehivavy iray nilaza fa tapaka ny tombony ho azy, taorian'ny nahafantarana azy ho miaina miaraka amin'ny homamiadana efa tonga amin'ny dingana farany, izany rehetra izany satria niala tao ny zanany vavy mba handeha ho any amin'ny anjerimanontolo, ary manana efitra iray malalaka izy izao. Nanome azy toerana vaovao, any amin'ny ora maromaro miala an'i Londona ny fikambanana nampiantrano azy.

Miseho manerana an'i Londona izany, milaza ny fisian'ny “fanadiovana ny fiarahamonina” ny olona ao anatin'ilay fanesorana. Satria mandeha be ny fivezivezen'ny vola ao amin'ireo faritra manakaiky an'i Londona, voatosika eny ivelany ireo kely karama, satria mividy lafo ny  toerana amin'ireo faritra ireo ny mpanambola — ny maro sahala amin'ny “vola tahiry iraisam-pirenena” izay hamotsian'izy ireo ny vola tsy ara-dalàna. Fantatry ny be sy ny maro io olana io, miaraka amin'ireo tomponandraikim-panjakana avy amin'ny governemanta any ivelany, mampiahiahy, avy amin'ny fitondrana jadona manerana ny tany, manafina ireo vola azony tamin'ny makarakara ho ao anatin'ny fananany trano lehibe, ny maro amin'ireo babangoana tsy misy mipetraka.

IMG_9783aa

Ireo rindrina mando an'ny trano fonenana iray any Clapham Park Estate, Atsimon'i Londona. SARY: John Lubbock

Miantefa amin'ireo filankevitra eo an-toerana ny ankamaroan'ireo hatezerana amin'ny fanomezana ny tanàna ho an'ny manankarena. Nampikorontan-tsaina ireo mpanolontsaina niresahako io, izy ireo izay mino fa ratsy fipetraka ny fahatezerana. Tsy maintsy manao safidy sarotra ireo mpanolontsaina tsy manam-bola intsony, hoy izy ireo. Ary raha tsy misy fomba fiasa hamehezana ny hofantrano, kely ihany ny zavatra afaka ataon'ireo mpanolontsaina raha lasa tsiriritin'ny olona kokoa ilay toerana ary manomboka mitangolika hatrany ireo vola mivoaka amin'ny fampanofàna tranon'ny tsy miankina.

Tsy mahagaga izany raha nahitana fitomboany be ny isan'ireo mpampiasa ny Trussel Trust, izay manampy amin'ny fitantanana tambajotranà bankin-tsakafo eo ho eo amin'ny 1.300 manerana qn'i Angletera (izay vinavinain'izy ireo ho manodidina ny 40% amin'ny fitambaran'ny bankin-tsakafon'i Angletera). Araka ny Trussel, 25.899 ny totalin'isan'ny mpampiasa ny bankin-tsakafo tohanany ny taona 2008-9 ka nitombo ho maherin'ny 1 tapitrisa ny taona 2014-15.

Untitled

Ankehitriny, miaraka miasa amin'ny Trust Trussel ny orinasan'angovo nPower mba hanome tapakila ho an'ireo olona izay tsy mahatakatra solika, amin'izay izy ireo afaka manafàna ny tranony amin'ny rininina. Nanampy olona manodidina ny 750 isa eo ilay fanandramana ny bankin-tsolika hatreto, izy ireo izay efa nahazo fanampiana bankin-tsakafo. Hitan'ny NPower ho ampahany amin'ny andraikiny izany zavatra ataony izany, ary Adidin'ny Orinasan'Angovo, izay nandaniany 65 tapitrisa £ tamin'ny ririnina lasa teo tamin'ny fanatsaràna ny fanefena (isolation) sy fanamboarana ny mpanome hafanàna.

Kanefa, natokana ho an'ireo mpanofa na tompon-trano tsy miankina ihany io fanohanana io. Hitako mihitsy anefa ny fomba fiatraikan'ny fahantrana ara-tsolika ho an'ireo olona maro miaina amin'ny trano fonenana natokana ho an'ny fiarahamonina, noho ny fahalafosan'ny fanafanàna trano izay tsy misy fanefena akory. Matetika tian'ny fikambanan'ny trano tsy miankina ho simbaina ireo tranobe efa antitra mba hanamboarana tranobe vaovao, izay ny sasany amin'izy ireny tokony ho varotana sahala ny ‘but-to-let’ (vidoana dia avela hipetrahan'ilay mpanofa ihany) mba hanampiana ireo rantsany tsy dia andaniana vola nefa tsy maintsy omeny. Aman-taonany no mijanona eo ireo mpanofa, tsy mahalala raha ho potehana ihany ny tranony ary rahoviana, na hoe ho voafindra tsara amin'ny trano hafa izy ireo. Tafaraka daholo ny tsy fandriampahalemana, ny resaka trano fonenana, sakafo, ary ny solika, izay mahatonga ny fiainan'ireo ao anatin'ny fahantrana ho sarotra zakaina.

Adrian Curtis, Talen'ny Tambajotra Bankni-tsakafo an'ny Trussel Trust, milaza fa tsy ny hanolo ny “fomba fiasan'ny fiarovana ara-tsosialy” akory no tanjon'ny fikambanana, ary mikendry fotsiny ny mba hisian'ny fiovàna eo amin'ny politika ny Trust amin'ny famborahana ny angon-drakitra momba ny fampiasàna ny bankin-tsakafo. Fa afaka resahana tsara mihitsy koa hoe ho afaka hijery na hiady mihitsy amin'ireo anton'ny mahatonga ny fahantrana ve ity governemanta vaovao Mitana ny fomba fanao hatrizay ity. Ny manohy ny tsy fanajanonana ny fivarotana ny trano natokana ho an'ny daholobe izao no politikany amin'izao fotoana izao, ary manantena fa hanorina “trano fonenana moramora kokoa” vaovao ireo orinasa tsy miankina, izay mety ho 80% an'ny vidiny eo amin'ny tsena.

Tsy hanampy loatra ireo olona mipetraka amin'ny trano ratsy kalitao anefa izany. Nampanantena fenitra “Trano Fonenana Mahafapo” ny governemantan'ny New Labour tantanan'i Tony Blair, izay nangataka ireo manampahefana eo an-toerana mba ho hentitra hoe hahatratra ny fenitra ambany indrindra takiana ny trano rehetra natao ho an'ny daholobe hatramin'ny taona 2010. Tsy tanteraka mihitsy anefa izany fampanantenana izany.

Raha samy nanokana vola mba hanamboarana trano fonenana amin'ny sarany ambany daholo ireo governemanta nifanesy teo, tsy nisy mihitsy ireo olona maro kely karama sy sahirana amin'ny fandoavana hofantrano ireo. Toerana lafo fiainana izao i Londona raha ipetrahana, mety hoe toerana fanaovana fialamboly natokana ho an'ireo olona ambony io, miaraka amin'ny takelaka fampitandremana hoe “Tsy maintsy ilay manankarena ianao raha hiditra”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.