Nanivana Tena Ho Fiarovana Ny Mpitondratenin'i Poutine Ve Ny Fitaovam-Pikarohana Goavana Indrindra Ao Rosia?

"This watch I got here was first purchased by your great-granddaddy." Peskov replaces Christopher Walken's Capt. Koons from "Pulp Fiction." Image edited by Kevin Rothrock.

“Ny dadan'ny dadabenao no voalohany nividy ity famantaranora ity ety amiko ity.” Peskov no nisolo toerana an'i Christopher Walken ao amin'ny Capt. Koons avy amin'ny “Pulp Fiction.” Sary navoakan'i Kevin Rothrock.

Toa tsy vitan'i Dmitry Peskov, mpitondratenin'i Vladimir Poutine, ny manaisotra ny anarany tsy ho lohatenim-baovao. Tany ampiandohan'ity volana ity, vitan'i Peskov ny niatrika ireo tafiotra roa avy amin'ny media momba ny fitiavany manao fandaniana mihoa-pampana: momba ny famantaranora iray fanao an-tànana nentiny nandritry ny fampakarambadiny ny iray, ary momba ilay sambo lafovidy izay re siosio ho nofainy tany Mediterane hanaovany volan-tantely ny iray hafa.

Mangotrakotraka indray ety anaty aterineto ny resaka “famantaranoran'i Peskov”, taorian'ny nahitàn'ireo Rosiana mpampiasa aterineto tamin'ity herinandro ity fa ilay fitaovam-pikarohana malaza indrindra ao amin'ny firenena – Yandex – rehefa ampidirana ny fehezanteny hoe “famantaranoran'i Peskov ” (“песков часы”), dia mamoaka sary izay mahalasa saina fa samy hafa tanteraka amin'ny avoakan'ny Google. Atsofohy ao amin'ny fikarohana sary ao amin'ny  Google ireo teny ireo tsy asiana fanovàna, fa ho rindrina feno sary mifandray amin'i Dmitry Peskov no hanoloana anao, ary ny tantara ratsy mahakasika ilay Richard Mille RM 52-01 izay azy, lazaina fa misanda 620.000 dolara Amerikana.

Rehefa mikaroka an'io ao amin'ny Yandex anefa ianao, ny vokatra, hatramin'ny alin'ny Alahady 21 Augositra, dia tsy mampiseho na inona na inona momba an'i Peskov, fa sarinà famantaranora mampiasa fasika sy famantaranora fanao am-paosy mipetraka ao ambony fasika no eo. (mitovy amin'ny filaza manondro fahabetsahana amin'ny teny hoe “fasika” amin'ny Rosiana ny fanampin'anaran'i Peskov.)

AHAHAHAHA. 😂😂😂😂😂 #YandexToaAkoho #Sivana #FamantaranoraPeskov

Taorian'ny nanombohan'ireo maro mpampiasa aterineto naneso ny Yandex noho ny ezaka mibaribary ataony hanadio ny fitaovam-pikarohana sary miaty resaka politika ao aminy, namaly ny kaonty ofisialin'ny Yandex ao amin'ny Twitter, tamin'ny filazàna ilay tsy fitoviana ho “hadisoana” ary nampanantena fa hitsabo izany.

Misaotra anareo nampahafantatra anay ny fisian'io hadisoana io. Hanitsy azy izahay.

Toa nanao fanovàna misimisy ihany ny Yandex tamin'ny fomba famoahany ny vokatry ny fikarohana ireo sary amin'io fangatahana io, ary efa miseho ankehitriny ny sasany amin'ireo sarin'ny fampakarambadin'i Peskov, na dia mbola ireo sarina famantaranora mampiasa fasika sy famantaranora mifotetaka eo ambony torapasika aza no ao anatin'ireo vokatra folo voalohany.

Yandex image search results for "Peskov watch" ("песков часы"). Screen capture, August 23, 2015.

Vokatry ny fikarohana sary ao amin'ny Yandex ho an'ny “Famantaranoran'i Peskov” (“песков часы”), taorian'ny lazaina fa “fitsaboana” “hadisoana” iray nataon'ny Yandex. Pikantsary nalaina ny 23 Aogositra 2015.

Tsy mbola namoaka fanambaràna ofisialy manazava ny antony nahasamy hafa tanteraka ny vokatry ny fikarohana ireo sary ireo sy ny azo amin'ny Google aloha hatreto ny Yandex, rehefa fikarohana zavatra mafampàna ara-politika no resaka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.