Sazian'i Tajikistan ireo mpanakanto mpanitsakitsaka ny lalàm-pifamoivoizana

Screen Shot 2015-08-20 at 19.35.57

Noziyai Karomatullo: mpanitsakitsaka imbetsaka ny lalàm-pifamoivozana Tajik. Pikantsary tao amin'ny YouTube.

Lahatsoaratra niaraha-niasa avy amin'ny EurasiaNet.org ity manaraka ity. Nahazoan-dalana ny famoahana azy indray.

Sahirana manome anarana sy manala-baraka ny sarangan'ny kintan'ny mozika pop, izay mahavita manangona onitra am-polony tsy voaloa tamin'ny fandikan-dalàna mifehy ny fifamoivoizana ny mpitandro filaminana ao Tajikistan.

Tahaka ireo tanàna Sovietika taloha maro, dia manana kolontsaina fitondrana fiara mivantana avy amin'ny sarimihetsika Fast and Furious i Dushanbe. Mandrisika ny fikivilavilana anaty hafaingan-mpandeha ny lalana feno lavadavaka. Ary matetika ireo ary elatra sy notahitahian'olona ao an-tanàna no tena mpandika lalàna indrindra.

Popular Tajik pop star Noziyai Karomatullo, driving a Mercedes Benz ML350 (registration number 1234 AT 01) committed 38 traffic violations from November 1, 2013, to August 9, 2015. The singer paid fines totaling 3,160 somoni [roughly $500] that have already been transferred to the state budget. However, fines for another 21 traffic violations remain unpaid.

Mitondra fiara Mercedes Benz ML350 (nomerao 1234 AT 01) ilay Tajik kintan'ny mozika pop malaza, Noziyai Karomatullo ary nahavita fandikan-dalàna mifehy ny fifamoivozana miisa 38 nanomboka ny 1 Novambra 2013 ka hatramin'ny 9 Aogositra 2015. Nandoa onitra mitentina 3,160 somoni [500  dolara] ity mpihira ity izay efa nalefa tany amin'ny tetibolam-panjakana. Na izany aza, mbola tsy voaloa ny lamandy tamin'ireo fandikan-dalàna 21.

Hoy ny fampahalalam-baovao ny ampitso :

First on the list is people’s artist Afzashlo Shodiev. The singer, driving a Toyota Land Cruiser (registration number 6262 AC 01) committed 27 traffic violations between November 3, 2013, to August 7, 2015. The singer paid 2,560 somonis [roughly $400] in fines for 12 violations, but 15 violations remain unaccounted for.

Voalohany amin'ny lisitry ny mpanakanto i Afzashlo Shodiev. Mitondra fiara fiara Toyota Land Cruiser (nomerao 6262 AC 01) ity mpanakanto ity ary nahavita fandikan-dalàna mifehy ny fifamoivoizana 27 teo anelanelan'ny 3 Novambra 2013 ka hatramin'ny 7 Aogositra 2015. Nandoa onitra 2560 somonis izy [eo amin'ny 400 dolara] tamin'ny fandikan-dalàna 12, ary mbola tsy voaloa ny onitra tamin'ny fandikan-dalàna miisa 15.

Be mpitia i Shodiev, 50 taona, izay nanomboka nihira tamin'ny vanim-potoana Sovietika. Anisan'ny kantony mambabo fo ny Samarkand sy Bukhara, feonkira momba ireo tanàna roa malaza tamin'ny Lalan'ny Lasoà izay heverin'ny Tajiks maro fa azy ireo manontolo, saingy lasan'i Uzbekistan mpifanolo-bodirindrina ny niafarany.

Karomatullo dia tanora mahafatifaty mpiangaly synth-pop manana ny raki-kirany farany malaza amin'ny Youtube sady niampy dihy kely tamin'ny tsangatsangana tamin'ny fitateram-bahoaka ao Dushanbe fandehanana isan'andro.

Na dia mitana ny faratampony amin'ny mozika Tajik aza izy roa ireo, toa milaza ny fanehoan-kevitry ny Ministeran'ny Atitany fa mitovy avokoa ny rehetra eo anatrehan'ny lalàna – anisan'izany ireo mpanao fampisehoana vatsian'ny manankarena sy manana fifandraisana be aman'olona.

Saingy mbola mila resena lahatra ny olo-tsotra Tajik alohan'ny inoan'izy ireo fa hifarana amin'izay ny andron'ny tsimatimanota – eny an-dalana sy eny rehetra eny.

Roa taona lasa izay, tezitra mafy ny tao amin'ny media sosialy ao an-toerana nahare ny momba ilay lehilahy 16 taona, zanaky ny filohan'ny lalamby nasionaly navela nandositra ny firenena rehefa avy nahafaty olona telo tamin'ny lozam-pifamoivozana tamin'ny lalan-dratsy

Na izany aza, na dia tsy nahomby tamin'ny fahazoana ny fon'ny vahoaka aza ny hetsika Tanàna Azo Antoka, vonona tanteraka hanasazy ireo olo-malaza mpandika lalàna ny governemanta.

Nomen'ny Banky ChinaExim 20 taona i Tajikistana handoavana findramam-bola amin'ny zanabola ambany mitentina 20,9 tapitrisa dolara nampiasaina nametrahana ireo fakantsary fanaraha-maso. Hazakazaka arahin-tosika ny an'ireo polisy misahana ny fifamoivoizana Tajik

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.