Te-Hahita Ny Tanàna Afrikàna Afaka Voalohany Tao Amerika Ve? Mandehàna Ao Meksika

Statue of Gaspar Yanga. Photo by Erasmo Vasquez Lendechy via Wikipedia. Used under a Creative Commons license

Sary vongan'i Gaspar Yanga. Sary avy amin'i Erasmo Vasquez Lendechy tao amin'ny Wikipedia. Nampiasàna ny lisansa Creative Commons

Nivoaka voalohany tao amin'ny bilaogy Lupitanews ity lahatsoratra ity.

Antsoina hoe Yanga izy io. Any afovoan'ireo zavamaniry mikitroka ao atsimo atsinanan'i Veracruz, fanjakana iray manamorona ny Helodranon'i Meksika, ny tanànan'i Yanga no porofo mivaingan'ny fisiana sy fonenan'ireo Afrikana tao Meksika.

Teny amin'ny làlanay ho any Port of Veracruz, niato tao Yanga izahay ary nahita tany fambolena feno caña sy katsaka manodidina ilay faritra, izay manankarena koa amin'ny voly kafe; ny toetrandro fahita amin'ny tany mafàna dia manasa anao hivoaka haka alokaloka tsy ho tratry ny tara-masoandro.

Milaza i Yanga fa izy no tanàna Afrikana afaka voalohany indrindra tany Amerika, nambara amin'ny 31 Oktobra 1631. Amin-pireharehana no izaràn'ireo Afro-Meksikàna ny tantaran'i “El Yanga,” izay toa printsy nandevozina avy amin'ny foko Yang-Bara any Gabon, nanampy ireo andevo ho afaka teo ambanin'ny Espaniola tany amin'ny manodidina ny 1570 tany.

Asehon'ny iray amin'ireo toerana malalaka ao an-tanàna ny sary vongany, manolotra an'i El Yanga ho toy ny olona feno fahasahiana, sy rehareha.

Ny toerana tena fototra, ny portales, ary ny fiangonana tena fantatra dia tsy misy hafa amin'ireo fahita any amin'ny tanàna Meksikàna maro, miantso anao hamindra milamina anaty fitoniana. Milamina ao Yanga ary manapariaka fahelàna velona. Taonjato ary olona maro no niaina sy maty teto, angamba tsy taitra amin'ny tantara, fa mbola mandrafitra kosa ny tantara aza ry zareo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.