Trondro maty an-drano ireo tao Tianjin ireo raha amin'ny filazana ofisialy, hoy ny fiheveran'ny mpiserasera

Fishes die for many reason: suicide, homicide, suffocating, drowning. Cartoon drawn by DSX circulated on Weibo.

Andiam-batom-pasan'ny trondro lazaina ho novonoin'ny olona, namono tena, sempotra, maty an-drano ary tratran'ny faharomotana. Sariitatra namboarin'ny DSX nipariktaka tao amin'ny Weibo.

Herinandro taorian'ny fipoahana mahatsiravina tao amin'ny trano fitehirizana entana shimika izay namoizana ain'olona 116 tao Tianjin, Shina, trondro an'arivony maty no nipoitra tamin'ny renirano tsy lavitry ny toerana nisy ny fipoahana. Nanahy ny mponina tao an-toerana fa voapoizin'ny sianora (cyanure) tafavoaka ny trano fitehirizana entana nankao anaty renirano ireo trondro ireo .

Mba hisorohana ny tahotra tsy hiparitaka, nanambara ny Foibe Fanaraha-maso ny Tontolo Iainana ao Tianjin fa “zero” ny tahan'ny sianora tao anatin'ny santionan-drano telo nangonina nanaraka ny morondrano tamin'ny 20 Aogositra.

Na dia in-356 sy in-800 ambonin'ny fenitra avy aza ny tahan'ny sianida tamin'ireo santionan-drano nangonina tamin'ny paompin-dranon'orana sy tao afovoan'ny lavaka nisian'ny fipoahana, navoitran'ny Birao fa nijanona tao amin'ny toerana nisy ny fipoahana ny rano voaloto ary tsy misy ny fifandraisana amin'ny trondro maty sy ny fangaro shimika niparitaka. Na izany aza, tamin'ny ivelan'ny faritra natoka-toerana, voatondro tamin'ireo santionan-drano fa tafakatra valo heny mihoatra noho ny ara-dalàna ny tahan'ny sianora.

Tany am-piandohan'ity herinandro ity, nanamafy ny manampahefana Shinoa fa poizina sodiôma-na sianora 700 taonina no notehirizina tao amin'ny trano fanatobiana entana izay nitrangan'ny fipoahana tamin'ny 12 Aogositra.

Tamin'ny valan-dresaka hoan'ny mpanao gazety tamin'ny 20 Aogositra, nilaza i Deng Xiaowen, talen'ny Foibe Fanaraha-maso ny Tontolo Iainana ao Tianjin fa mety antony maro no nahafaty ireo trondro, toy ny fiovan'ny maripànan'ny rano na fiovan'ny tahan'ny sira na tahan'ny oksizena. Nanamarika ihany koa izy fa ara-tantara, ratsy dia ratsy ny kalitaon'ny rano ao Tianjin ary efa nitranga ny loza tahaka izany teo aloha.

Saingy maro ireo nahita ny fanazavana ho sarotra inoana. Nanaitra ny fisalasalan'ny olona ny sangan'asa farany nataon'ny DSX, mpanao sariitatra (jereo ny sary ambony) tamin'ny sary mampiseho trondro mpivady eo akaikin'ireo vatom-pasana trondro mitanisa vono olona, famonoan-tena, fahasemporana, maty an-drano, tratran'ny haromotana ho anton'ny nahafatesan'izy ireo.

Tao amin'ny Twitter, @Lianhuaxiaofo nanao fanamarihana manesoeso mitovitovy amin'izany :

Lohatenin'ny Sina: Fatin-trondro marobe hita tao amin'ny seranan-tsambon'i Tianjin, enina kilometatra miala amin'ny toerana nisy ny fipoahana.

Nahatsiaro menatra ireo trondro ireo. Nahita izy ireo fa maro ny olona namoy ny ainy. Nalahelo izy ireo ka namono tena nandetika ny tenany tany anaty rano. Ireo manampahefam-panjakana mpamadika sy mpandraharaha mpanao kolikoly ireo no tokony ho faty. Ankehitriny, maty ny trondro ary mbola misisika milaza ry ki***reny fa ara-dalàna izany.

Tao amin'ny habaka media sosialy malaza, Weibo, fampahalalam-baovao ao an-toerana nitanisa ireo manampahaizana maro manazava fa tsy misy ifandraisany amin'ny fipoahana ny zava-nitranga tamin'ireo trondro. Saingy mpisera Weibo iray, Xue Hanbo nanamarika fa tsy nahomby tamin'ny fampitoniana ny tahotry ny olona izany:

海河的死鱼事件虽然给出了解释,但是并没有真正的消除百姓的疑虑,尽管天津政府给出的答案可能是真的,可是由于政府的信息不够透明和前期没有赢得足够的信誉,所以简单出一个结论就想了事的想法会让事情变得更麻烦。涉及到百姓利益的事情,需要让百姓参与,让媒体透明公正的报道。

Na dia nanazava ny zava-nitranga tamin'ireo trondro maty aza [ny manam-pahefana], tsy namaly ny ahiahiam-bahoaka ny fanazavana. Angamba marina ny valinteny, saingy tsy mangarahara araka ny tokony ho izy ny dingana fanadihadiana ary efa tsy azo itokisana intsony ny governemanta. Vokatr'izany, toa vao maika niteraka ahiahy ny valinteny tsotra. Satria misy fiantraikany amin'ny olon-tsotra ny zava-nitranga, dia tsy maintsy mampiditra olona amin'ny fikarohana valinteny [ny manam-pahefana] ary mamela ny haino aman-jery hitati-baovao tsy am-piangarana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.