‘Las Patronas': Manova Ny “Fiarandàlambin'ny Fahafatesana” Meksikana Ho Araka Ny Maha-Olona Kokoa

Central American migrants hop a freight train in Ciudad Ixtepec, Mexico on July 15, 2008. The trains are nicknamed "La Bestia" - the Beast - and will take them on a perilous journey 1,500 miles north to the U.S.-Mexican border. Canada's SAWP program flies workers in on a plane. Photo by Peter Haden.

Ireo mpifindra monin'i Amerika Afovoany miandry hiondrana ao amin'ny fiarandàlamby mpitondra entana any  Ixtepec, Meksika. Ilay fiarandàlamby antsoina hoe Ilay Biby no hitondra azy ireo any amin'ny sisintany mampisaraka an'i Etazonia sy Meksika. Sary kaonty Flickr-n'i  Peter Haden nampiasàna ny Creative Commons.

Ilay Biby.

Manavatsava an'i Meksika avy any atsimo ka hatrany avaratra ilay fiara antsoina hoe ” ny fiarandalambin'ny fahafatesana “. Mitondra ireo Amerikana avy ao Afovoany mpifindra monina izay manantena ny ho any Etazonia hitady ny ho avy tsaratsara kokoa ity fiarandalamby mpitatitra entana ity. Ireo olona niharan'ny fangalarana, ny fakàna an-keriny, ny fanolanana ary ny fampijaliana no matetika mandeha fiarandalamby. Miray hina amin'izy ireo ny Las Patronas.

Ny Las Patronas dia fiarahan'i Norma Romero sy vondrona iray misy irao vehivavy avy amin'ny fianakaviany izay mahandro tsaramaso sy vary iray vilany be ary mizara izany ao anaty kitapo miaraka aminà tapa-mofo sy rano izay natao ho an'ireo mpifindra monina ho any Etazonia rehefa mamakivaky an'i La Patrona ilay fiarandalamby. Mpifanolo-bodirindrina amin'i Acatlán de los Reyes, Veracruz any Meksika i La Patrona. Asongadina ao amin'ny hataka iray vao haingana sy tena goavana ao amin'ny Change.org ny asan'ilay vondrona.

Ezaka natao hampahafantarana ny asan'ilay vondrona izay efa niasa roapolo taona mahery ilay hataka, sao mba mety ho ry zareo no hahazo ny lokan'ny Princess of Asturias, ary tratrany ny tanjony.

Mpifaninana amin'ny lokan'ny Princess of Asturias ny Las Patronas

“Fiaraha-miasa ho fankasitrahana sy  fampiroboroboana ireo soatoavina ara-tsiansa, ara-kolontsaina sy maha-olona izay isan'ny fananan'ny olona eran-tany” ny loka omen'ny Fikambanana Princess of Asturias. Isan'ny nahazo loka tamin'ity taona ity i Francis Ford Coppola sy ny Wikipedia.

I Romero, mpamorona ny Las Patronas no nahazo ny lokan'ny Mpiaro ny Zon'olombelona natolotry ny Vaomiera nasionalin'ny Zon'olombelona any Meksika tamin'ny 2013, ary fanekena ny asany amin'ny fampiroboroboana sy ny fiaroavana ny zon'ny mpifindra monina izany.

Tsy mahagaga raha antsoina hoe ” fiarandalambin'ny fahafatesana” ilay fiarandalamby.

Manoratra ny momba ‘Ilay Biby’ ao amin'ny ZonaJ i Julián Carmona :

Se llama Mario. Dice que tiene 28 años, que es de Guatemala, que él y su novia, Elsa Marlen, de 19 años, embarazada de gemelos, apenas habían iniciado su viaje hacia Estados Unidos cuando en el municipio de Huixtla, en el Estado de Chiapas, Elsa Marlen desapareció.

Dice que él la buscó durante semanas y que, buscándola, desanduvo sus pasos y regresó a Guatemala. Que fue allí donde meses después, y a través de fotografías que le mandó la cancillería de su país, reconoció el cadáver de su novia. Tenía las manos cortadas. La habían enterrado en una fosa común.

 Mario no anarany. Lazainy fa 28 taona izy ary avy any Goatemalà,  vao nanomboka ny diany ho any Etazonia izy sy ny sipany antsoina hoe Elsa Marlen, 19 taona izay bevohoka kambana no tsy hita tao amin'ny kaominin'i Huixtla, fanjakan'i Chiapas i Elsa Marlen

Nitady azy nandritra ny herinandro maromaro izy, hoy izy, nitady azy tamin'izay làlana nalehany ary nitodi-doha nankany Goatemalà. Volana maromaro taty aoriana, fantany tamin'ny alàlan'ireo sary nalefan'ny iraky ny fireneny ho azy ny vatan'ny sipany. Noboriana ny tànany. Nalevina any amin'ny fasana iombonana izy.

Nanoratra lahatsoratra natokany ho an'ilay vondrona i José Luis Pinilla Martín ao amin'ny bilaoginy, izay nilazany fa nanana fahasahiana be ilay vondrona tamin'ny nanombohany ny fanampiany ireo mpifindra monina tsy manana taratasy mihetsika manerana an'i Meksika tamin'ny fotoana naha-heloka ny fanaovana izany.

Como ellas mismas lo saben, los premios son plataformas para visibilizar las luchas que cada organismo o grupo humano  realiza. Y por lo tanto, convertir a las Patronas en Princesas – como si fueran las cenicientas del siglo XXI – es poner en valor la realidad de un grupo que canaliza una labor organizadamente,  blanco sobre negro, desvelando la cruda  realidad de las y los migrantes en su paso por México (y por todos los caminos del mundo) . Y que descubre– y esto no es un cuento – sus  dolores y tragedias no solo en sus viajes de  tránsito, sino en sus países de origen y en los de su destino. Es más: Un acción individual que empezó con la Señora Norma,  se ha transformado – también paradigmáticamente –  en la acción de todo un pueblo

Araka ny efa fantatr'izy ireo rahateo, dia sehatra itondràna ny sedra niainan'ny fikambanana sy ny vondrona rehetra mba ho fantatry ny olona ilay maripankasitrahana. Noho izany, ny fanovàna ny Las Patronas ho Printsesa – toy ny hoe ry zareo no “Cendrillons” – Ikala Lavenon'ny taonjato faha-21– dia manasongadina ny zava-misy marina amin'ireo vondrom-behivavy mitàntana sampan-draharaha iray voalamina tsara izay manintona ny saina ho amin'ny fiainana henjan'ireo mpifindra monina, na lahy na vavy, amin'ny làlana mamakivaky an'i Meksika (sy izay làlana rehetra mitovy amin'izany maneran-tany).  Ary ho hitanareo fa tsy amin'ny fotoana lanin'izy ireny amin'ny diany ihany no fijaliana sy loza mihatra amin'izy ireo, fa hatrany amin'ny firenena niaingany ka hatrany amin'ny firenena ahatongavany ihany koa. Ambonin'izay, niova ho hetsiky ny tanàna iray manontolo – amin'ny ohatra notsongaina- ilay hetsika tokana natombok'i Rtoa Norma.

Araka ny filazan'ny tranonkala Sin Embargo, dia tsy mora ny làlana nahatongavana teo amin'ny filatsahan-ko fidiana :

Tsy maintsy fahefana mivantana avy any Madrid amin'ny alàlan'ny diplomaty avy any amin'ireo firenena tsirairay avy ny fanendrena ny nahazo loka, saingy tara tamin'ny fanaovana izany ny masoivoho Meksikana, na ny marimarina kokoa, tsy te-hanao izany izy mandra-panerin'ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana Change azy amin'ny hetsika izay ahafahan'ny olom-pirenena manohana ireo mpifaninana amin'ny alàlan'ny sonia amin'ny aterineto.

Na dia ny Antenimieran-doholona sy ny Antenimieram-pirenena aza dia nanelanelana tamin'ny fampitandremana ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny. Sonia 7.500 no ilaina ;  nefa sonia manodidina ny 50.000 no voaangona.

Tantaran'i Las Patronas  bebe kokoa :

Ho lazain'ny Fikambanan'ny Princess of Asturias amin'ny faha-2 Septambra izay hahazo ny Lokan'ny Fiaraha-miaina Am-Pilaminana (Concord).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.