Fantadaza iray amin'ny fanaovana fihetsiketsehana ao Iran manatevin-daharana ny fanoherana ny fifampiraharahana ara-nokleary

a

Nipoitra ao anatin'ny lisitry ny mpikatroka ny zon'olombelona manohitra ny fifampiraharana ara-nokleary manantantara teo amin'i Iran sy ireo firenena enina matanjaka indrindra manerantany, sy tao amin'ny dokambarotra vokarin'ny Olom-pirenena manohana an'i Iran Tsy Misy Nokleary, sampan-tetikasan'ny Komity Amerikana Israely misahana ny Raharaham-bahoaka  (AIPAC) i Ahmad Batebi, olo-malaza ao amin'ny Iraniana mpanohitra.

Nahasarika ny sain'ny maro i Batebi amin'ny maha-endriky ny hetsi-panoherana nataon'ny mpianatra azy tamin'ny taona 1999 raha nipoitra tamin'ny pejy voalohan'ny The Economist ny sariny milanja T-shirt-n'ny mpiara-mianatra taminy feno ra tamin'izany fotoana izany. Raha nalaina ity sary malaza ity,  nampitandrina ireo mpianatra hafa tamin'ny daty malaza ankehitriny 18 Tir izy fa nitifitra vahoaka ny polisy. Niantso an'i Batebi ho “Che Guevara an'i Iran” mihitsy ny sasany, satria matetika lazaina ho misolotena ny mpanohitra ao amin'ny firenena ny sariny.

Ahmad Batebi became an icon of dissidence in Iran when he was featured on the cover of The Economist with his classmates bloodied shirt during the 1999 student protests.

Nanjary olo-malazan'ny mpanohitra ao Iran i Ahmad Batebi raha nipoitra tao amin'ny pejy voalohan'ny The Economist ny sariny milanja t-shirt feno rà an'ny mpiara-mianatra taminy nandritra ny hetsi-panoheran'ny mpianatra tamin'ny taona 1999.

Taorian'ny hetsi-panoheran'ny daty 18 tir, nogadraina i Batebi ary voaheloka ho faty. Taorian'ny fitabatabana iraisam-pirenena, novaina ho 15 taona an-tranomaizina ny saziny. Nandositra niala an'i Iran i Batebi tamin'ny taona 2008 raha mbola nitsabo tena ivelan'ny fonja vonjimaika. Nitady fialokalofana tany Etazonia izy ary monina ao Washington, DC nanomboka teo.

Niteraka resabe tao amin'ny media sosialy ny nataon'i Batebi vao haingana teo noho ny fiampangany miharihary ny fifampiraharahana ara-nokleary nosoniavina tamin'ny 14 Jolay teo amin'i Iran sy ny P5+1. Nofafany avy eo ireo siokany mitsikera ny fifampiraharahana tao amin'nyTwitter, ary nofafany koa tatỳ aoriana ireo lahatsoratra mifandraika amin'izany tao amin'ny rindrin'ny Facebook-ny, izay nahitana valin-teny maro mitsikera ny fihetsiny sy ny fiarahany miasa amin'ny AIPAC.

Tao amin'ny taratasy, miantso ny hifantohana indray amin'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao Iran sy ny fanohanan'i Iran ny fampihorohoroana ao Afovoany Atsinanana ireo mpanohitra ny fifampiraharahana. Tsinian'izy ireo ny fifanarahana ho manadino ireo lafin-javatra fanaon'ny governemanta Iraniana, ny famelana azy sy ny fankaherezana azy ireo hanohy ny fanaony. Manery mafy ny fitondrana ny vondrona ary miantso ireo “tandrefana mpiaro [ny fifanaharana] sy mpampitony” ho tsy manampy ny vahoaka Iraniana.

Ity ambany ity ny siokan'i Batebi mizara rohy iray misy ny fanambarana izay nosoniaviny, manontany raha 150 dolara miliara ny fitambaran'ny volan'ny governemanta Iraniana esorin-geja raha esorina ny sazy mihatra amin'i Iran:

Amin'ny fanambaran'ireo Mpanohitra momba ny Fifampiraharahana tamin'i Iran, mihevitra manokana aho fa latsaky ny 150 dolara lavitrisa ny volan'izy ireo any amin'ny banky.

Na dia mbola mijanona ao amin'ny pejy Twitter-ny aza ny rohy misy ny lahatsoratra, nofafana kosa ny rohy misy ny dokan'ny AIPAC. Ity ambany ity ny sioka avy amin'ilay mpanao gazety Golnaz Esfandiari miaraka amin'ny rohy mankany any amin'ny sioka ôrozonalin'i Batebi [izay efa nofafany] manome tsiny ny fifanarahana sy rohy misy ny lahatsary:

Miseho amin'ny fahitalavitra amin'ny doka manohitra ny Fifampiraharahana ao Iran  ilay mpianatra mpanao fihetsiketsehana teo aloha Ahmad Batebi izay nogadraina & nampijaliana

Henjana ny tsikera mahazo ny fihetsik'i Batebi satria maro ireo mahita ny fifanandrinana amin'ny fifanarahana ho ady sy fifankahalana eo amin'i Iran sy i Etazonia. Mpisera Twitter iray nitsikera mafy an'i Batebi ho efa nanohitra ny fifankahalana teo amin'i Iran sy Etazonia:

Mampihomehy ihany; tamin'ny 2008, nanohitra mafy ny fampiasan-kery tamin'i Iran izy, nilaza mihitsy izy fa mety hody any an-tanindrazana hiady amin'i Etazonia.

Niteraka fifandirana betsaka teo amin'ireo manohana ny fifanarahana sy ireo manohitra izany ny fihetsik'i Batebi.

Mamely sy miezaka manala baraka an'i @abatebi ireo mpiaro sy mpanohana ny IRI noho no fijoroany manohitra ny fitondrana. Miaraka amin'i Ahmad Batebi aho.

Maharikoriko ny fampiasana fampijaliana ho fitaovana ara-politika hanakanana ny #IranDeal

@abatebi @prrrsiankitten tsy maintsy tadidiko, mazava loatra, ary tena miala tsiny aho. Azo takarina ny fihetsikao saingy diso toerana raha amin'ny fihevitro.

Tao amin'ny pejy Facebookn'i Batebi, lahatsoratra sy fanehoan-kevitra mahery vaika maro no efa voafafa hatramin'ny namoahana ny lahatsary tamin'ny 13 Aogositra. Fanehoan-kevitra iray mampingoso tao amin'ny rindrin'i Batebi no miampanga azy ho mifandray tendro amin'i Maryam Rajavi, filohan'ny Mojahedin-e-Khalq (MEK), vondrona mpanohitra Iraniana izay niatrika fiampangana ho manao fampihorohoroana sy hetsika fitolomana [mitam-piadiana] miady amin'ny Repoblika Islamikan'i Iran sy ny mpanohana azy.

حیفه ب شما میگن انسان
واقعا از شما دیگه گذشته از بس خودفروشی و وطن فروشی کردید دیگه جز پوست و گوشت و خونتون شده
چهارنفر از دارو دسته هی رجوی هم دور و برت و میگیرن فکر می کنید چه خبره

سر هیچ و پوچ سربرآوردید و برا خودتون کاروبار خودفروشی و وطن فروشی راه انداختید
همین داعش میگه من همین وحشی هستم که هستم
اما امثال تو مثل کفتار صفت می مونن

Mampalahelo fa miantso anao olombelona izy ireo. Tena marina, lasa mahazatra anao izany, ary efa ao anatinao ankehitriny ny mivarotra ny tenanao sy ny firenenao. Misy olom-bitsy avy amin'ny tarik'i Rajavi manodidina anao ary mihevitra ianao fa misy ny zavatra mandeha tsara ka mivarotra ny tenanao sy ny firenenao ambonin'izany ianao. Miaiky ny ISIS fa tsy sivilize izy ireo saingy ny olona tahaka anao dia toy ny hiena (bibidia mitovy amin'ny kisoa).

Mpanao gazety iray, na izany aza, niloa-peo miantso ny tombontsoa sy ny voka-dratsy ao amin'ny media sosialy, ary nilaza mihitsy fa tsy hisy fiantraikany betsaka ara-politika ny fihetsik'i Batebi.

Aza mieritreritra fa mety “handresy” ny fisehoan'i babeti ao amin'ny dokan'ny lobby isiraeliana manohitramanohitra ny #IranDeal

Tsy mino aho fa ho lasa lavitra ny fehin-kevitra sy ny fifanakalozan-kevitra manodidina ny fisehoan'i Ahmad Batebi tamin'ny dokambarotra avy amin'ny Israeliana mpandresy lahatra(AIPAC) manohitra ny fifanarahana [adinoy ny amin'iny]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.