Ny Galoà “Y Wladfa”: Ohatra Tsy Fahita Firy Amin'ny Voanjo Vahiny Miaina Am-pilaminana Any Amerika Atsimo

Primera casa de Gaiman, Chubut, Argentina. Imagen en Flickr del usuario Pablo Flores (CC BY-NC-ND 2.0).

Ilay trano voalohany tany Gaiman, Chubut, Arzantina. Sary: Pablo Flores (CC BY-NC-ND 2.0).

Nanomboka tamin'ny 28 Jolay 1865 ny iray tamin'ireo fifindrà-monina nahazendana indrindra. Fantatra amin'ny teny Espaniola hoe La Colonia (Ny Tanàna Voanjo), na amin'ny fiteny galoà hoe Y Wladfa, tsy hitady harena fa hitahiry ny fomba fiainany izay tandindonin-doza any an-tanindrazany ireto olona 150 niala tany Pays de Galles  ho any amin'ny Faritanin'i Chubut any Patagonia Arzantina ireto.

Manazava ao amin'ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe ny Tantaran'i Patagonia i Ben Johnston :

Tamin'ny fiandohan'ny taona 1800, nivoatra ny indostria tao anivon'ny tanin'ny Galoà ary nanomboka niha-very ny fiarahamonina ambanivohitra. Io indostria io no nanampy tamin'ny fampiroboroboana ny  fivoaran'ny Revolisiona Indostrialy tamin'ny famatsiana arina, vato solaitra, vy ary vifotsy. Betsaka no nihevitra fa hatelin'i Angletera tsikelikely i Pays de Galles ary angamba kivy tamin'izany fijery izany, na nentanin'ilay fisainana ainga vaovao anaty tontolo vaovao ireo Galoà lahy sy vavy ka maro no nanapa-kevitra hitsapa ny vintany any amin'ny firenena hafa.

Matetika niteraka korontana sy herisetra ny fahatongavanà Eoropeana any amin'ny tanibe Amerikana, saingy tsy tahàka izany ity.

Mamintina ny tantaran'io famoronana tanàna voanjo io ny Fikambanan'ny Galoà-Arzantina :

Durante el medio siglo que siguió a la migración de los galeses, se fundaron las bases de las que hoy son las ciudades de Puerto Madryn en la Bahía Nueva, Rawson, Gaiman, Trelew a Dolavon en el Valle del Chubut y Trevelin en el Valle Hermoso (Cwm Hyfryd) en los Andes. Muchos de los descendientes galeses también viven en Esquel, al pie de los Andes; en Comodoro Rivadavia, la ciudad más grande de la provincia; en Colonia Sarmiento y también a lo largo y ancho de la República.

Los galeses crearon una sociedad próspera, donde el idioma galés tenía un lugar de privilegio.

Dimampolo taona taorian'ny fifindràn'ny Galoà monina, no nanorenana ny tanànan'i Puerto Madryn any Bahía Nueva, Rawson, Gaiman, Trelew hatrany Dolavon any amin'ny lohasahan-driakan'i Chubut, ary Trevelin any Valle Hermoso (Cwm Hyfryd) any Andes, amin'izao fotoana izao. Taranaka Galoà maro no mbola miaina any Esquel, any am-pototr'i Andes ; any Comodoro Rivadavia, ilay tanàna lehibe indrindra any amin'ny faritany ; any Colonia Sarmiento ary manerana ny Repoblika.

Namorona fiarahamonina miroborobo izay nisitrahan'ny fiteny Galoà ny sata manokana ireo Galoà.

Malaza noho ny lohasahany i Pays de Galles, ary araka ny rakitr'i Crónicas del sur del mundo, dia faritra mitovy amin'izany ny any Patagonia izay nanome fonenana vaovao ho an'ny voanjo mpifindra monina :

Gaiman es la primera ciudad fundada por aquel centenar y medio de galeses que desembarcó en las afueras de la actual Puerto Madryn y extendió su cultura por el valle del río Chubut hasta la Cordillera, en una colonización de convivencia pacífica con las poblaciones indígenas.

Gaiman no tanàna voalohany naorin'ireo Galoà 150 izay niantsona teo amin'ny manodidina an'i Puerto Madryn amin'izao fotoana izao, ary nanapariaka ny kolontsainy nanerana ny lohasahan-driakan'i Chubut ka hatrany Cordillera, tamin'ny fanjanahana mifototra amin'ny fiaraha-miaina amim-pilaminana miaraka amin'ireo vondrom-piarahamonina indizena.

Tsaroan'ny firenena nandray azy am-pitiavana ireo mponina vaovao taloha :

Fueron especiales las motivaciones que guiaron a estos colonos. No eran aventureros en busca de una hipotética Ciudad de los Césares. Ni errantes buscadores de oro, guiados por el brillo de una riqueza fácil. Tampoco eran científicos con ansias de conocimientos y fama. Era un grupo de personas que deseaba salvar un estilo de vida amenazado en su tierra natal y que buscó, conscientemente, un lugar en el mundo donde poder fundar una nueva nación galesa. Pedían tierra y que respetaran su lengua, su religión y sus costumbres. A cambio, izarían la bandera argentina y se someterían a las leyes del nuevo país.

Hafa mihitsy ny antony nanosika ireto voanjo mpifindra monina ireto.  Tsy mpitsangatsangana hizaha ny tanàna tsy azo antoky ny Tanànan'i Caesars izy ireo, na mpikaroka volamena mirenireny entin'ny filàn-karena mora azo. Tsy  mpahay siansa naniry ny hahazo fahalalana sy laza izy ireo.  Vondron'olona izay te-hitahiry ny fomba fiainany tandindonin-doza any amin'ny tanindrazany izy ireo ary ninia nikaroka toerana ahafahany manangana firenena Galoà iray vaovao. Tany sy fanajàna ny fiteniny, ny fivavahany ary ny fomba amam-panaony no nangatahan'izy ireo. Takalon'izay hanangana ny saina Arzantina sy hankatò ny lalàna mifehy ny fireneny vaovao izy ireo.

Bethel chapel, Gaiman, Chubut. PHOTO: Pablo Flores  (CC BY-NC-ND 2.0).

Fiangonana Bethel , Gaiman, Chubut. SARY: Pablo Flores (CC BY-NC-ND 2.0).

Toetra iray mampiavaka ny vahoaka Galoà any Patagonia ny fivavahany, arak'izay asongadin'ny fiangonana Galoà iray azon'ny mpizahatany tsidihana amin'ny andaniny sy ankilan'ny moron'ny renirano Chubut :

Ellos mismos lo dicen: “Cuando un inglés llega a un lugar lo primero que construye es un negocio. Cuando un americano llega a un lugar, seguramente establece una escuela. Pero cuando un galés llega a un lugar, lo primero que hará será levantar una capilla“.

[…] Las capillas galesas, con sus fachadas sobrias de ladrillos cocidos y sus techos de chapa a dos aguas son el distintivo de todas las ciudades chubutenses que ellos fundaron. […] Eran no sólo centros religiosos sino también civiles, educativos y hasta judiciales.

Ry zareo samy zareo ihany no miteny fa : ” Raha Anglisy no tonga amin'ny toerana anankiray dia ny raharaham-barotra no atsangany voalohany. Rehefa Amerikana no tonga amin'ny toerana iray dia azo antoka fa sekoly no atsangany. Fa rehefa ny Galoà no tonga amin'ny toerana iray dia ny trano fiangonana no haoriny voalohany. “

[…] Ny trano fiangonana Galoà, rindrina biriky tsotra ny lafin-trano ivelany ary misy tapenaka vifotsy ny tafony, no mampiavaka ny tanàna rehetra naorin-dry zareo any Chubut. […] Tsy foibem-pivavahana ihany anefa izy ireny fa an'ny sarambabem-bahoaka, fanabeazana, eny hatramin'ny fitsaràna ihany koa aza.

Ho fahatsiarovana ny faha-150 taona nidiran'ny Galoà mpifindra monina voalohany tany Arzantina, dia naseho an-tsehatra ny famerenana ny fiantsonan'i Mimosa, ilay sambo izay nitondra ireo vondrona mpifindra monina voalohany. Manatrika izany sy ireo fotoana hafa miaraka amin'ireo vahiny nasaina ny governoran'i Chubut, Martin Buzzi, sy ny Praiminisitra Galoà, Carwyn Jones.

Nandefa sary sy lahatsarin'ilay fankalazana ny tsingerintaona faha-150 taonan'ny La Colonia tany Patagonia any Arzantina ao amin'ny Twitter ireo mpisera :

Nankalazain'ny kolontsaina any Chubut ihany koa miaraka amin'ny fampisehoana lehibe ny faha-150-taonan'ny nahatongavan'ny Galoà mpifindra monina…

Avy any Puerto Madryn izahay no nandeha 700 km ho any Esquel omaly.

Ireo Galoà lahy any Chubut, 150 taona izay no nahatongavany tany Arzantina. Ao amin'ny Crónicas ny lahatsoratro sy ireo sary maromaro…

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.