Trinidad & Tobago : Vondrom-Piarahamonina Shinoa Valaky Ny Hevi-Diso Amin'ny Fanavakavahana Foko

"Pepper Mango", a beloved Trinbagonian preserved fruit delicacy that was "inspired by the Chinese". Photo by Priya Saihgal, used under a (CC BY-NC-ND 2.0 license.

“Manga misy dipoavatra “, voankazo matsiro “ainga avy amin'ny Shinoa” ankafizin'ny Trinbagoniana. Sary avy amin'i Priya Saihgal, nampiasàna ny fahazoandàlana CC BY-NC-ND 2.0 .

Lohatenim-baovao tany Trinidad sy Tobago ny fikarakaràna fahandro Shinoa tamin'ny herinandro lasa, tsy noho ny fomba fahandrony akoho matsiro anefa fa noho ilay lahatsary izay niparitaka be tamin'ny haino aman-jery sosialin'ny lehilahy iray — voalaza fa miara-miasa aminà trano fisakafoanana Shinoa iray — eo am-pamolosana alika.

Na inona na inona ny ambaratongam-panairana navoakan'ny fizarana ilay lahatsary, vetivety foana dia nohamafisin'ny fanjakana tamin'ny haino aman-jery mahazatra izany. Nandritra izany fotoana izany dia nisy valinteny voalanjalanja avy any amin'ny Fikambanana ho fisorohana ny herisetra atao amin'ny biby any Trinidad sy Tobago (TTSPCA)  izay nilaza fa niezaka nanao fikarohana bebe kokoa momba ilay lahatsary sy ny zava-nisy nanodidina azy io ary nanolo-kevitra fa araka ny Lalàna mifehy ny ady heloka tsotra mikarakara ny herisetra atao amin'ny biby ao amin'ny firenena dia azo tànana ho tompon'andraikitra ilay nahavanon-doza, nanao resadresaka izay nampitahàny ny vinavinany ny amin'ny fihenan'ny isan'ny alika mirenireny sy ny fitomboan'ny singa amin'ny sakafo any amin'ireo trano fisakafoanana Shinoa ny minisitry ny fahasalamana.

Nampitandriana ny olona izy, “Aleoko lavitra mitandrina, satria fantatro fa any Shina dia fihinana ny voalavo, ny alika, ireo biby mpikoro, ny saka ary ny zavatra hafa”. Ary nanohy izany tamin'ny fampahatsiahivana fa ny Shinoa mpiasa mpifindra monina no nitondra ireo fomba amam-panao ara-kolontsaina ireo any Trinidad sy Tobago  “ary tsy misy zavatra bitika azo atao hanajanonana izany”.

Vetivety foana dia tonga ny setrin'ny fanambaran'i Khan. Nomelohin’ ireo mpiasa any amin'ireo trano fisakafoanana Shinoa marobe ho tsy mitombina sy tsy an'olona tomponandraikitra ny fomba fijeriny,  raha toa kosa ny tranonkala mpanindrom-paingotra Wired868 nisary adala tamin'ny fanehoankevitry ny minisitry ny fahasalamana :

Fanontaniana : Ahoana ny fomba hamadihana ny olana tsotra ho krizy ?

Valiny : Mitadiava fanampiana any amin'ny Minisitry ny Fahasalamana, ny  Dr Fuad Khan

Ary koa, rehefa avy nitsikilo  mpivady Aziatika iray eo am-pamolosana alika izay mety na tsy mety ho i Trinidad sy Tobago, nezahan'ny ministeran'ny fahasalamana narehitra tamin'ny kerozena ny afo.

Nitohy ilay lahatsoratra :

Heverin'i Khan fa hihinankinam-poana sy mety hangalatra alika, hanova ny tsirony ary hivarotra amintsika mba hihinanana izany amin'ny anarana hafa ny Shinoa.

Ary izany rehetra izany dia mifototra amin'ny fomba amam-panao taloha any amin'ny faritra sasany any Shina, alika iray voavolo ary ny tsy fahitàny alika maro mirenireny amin'ny arabe fizorany ho any amin'ny Parlemanta.

[…]

Izany no nataon'ny Filoha Anthony Carmona farany teo hoe ‘ lojikan'ny fivarotan-toaka.'[…] Ary na dia iray amin'ireo lehiben'io firehana io aza i Camona, dia tsy izy no mampihatra ny fahefana amin'izao fotoana izao.

Ny lojikan'ny fivarotan-toaka dia :  rehefa ataon'ny Minisitry ny fahasalamana ho zava-mampitsiriritra ny mpihinana, toy ny fahazoan-dàlana (visa) Amerikana ho an'i Jack Warner, ny trano fisakafoanana Shinoa, fa tsy  andefasana mpiasan'ny fahasalamana marobe mba hanadihady ny ao an-dakoziany ;

Ny lojikan'ny fivarotan-toaka dia : rehefa manana fahalalana bebe kokoa momba ny fikarakarana sakafo Shinoa fa tsy ireo hosoka mihoam-pampana ao amin'ny Tahirimbolan'ny Manampahefana manana vola dolara an-tapitrisa maro natao ho an'ny Fiainan'ny ankizy (CLFA) ny Minisitry ny Fahasalamana

Na izany aza, latsaka anaty fandrika ireo mpisera sasany amin'ny aterineto ary nanambatra ireo Shinoa rehetra ho ao anaty harona iray —  nisy hafatra maro mampalahelo tsy mitsinjo ny lavitra mitaky azy ireo “hiverina any Shina” tao amin'ny Facebook– saingy amin'ny maha-fitaovana tsara azy,  dia ny haino aman-jery sosialy ihany koa no nanjary fivoizan'ireo Trinidadiana taranaka Shinoa namaly ireny hevi-diso miaty fanavakavahana ireny.

Nandefa ny sariny miaraka amin'ny sora-baventy hoe: ” ‘Tsy hiverina any Shina aho’. Trinidadiana aho”  tao amin'ny Facebook  i Lily Kwok.  Amin'ny fampiasana ny tenifototra #IAmAPerson’, nanasa ” ny rehetra sy ny tsirairay hanaraka ahy amin'ny fakàna sary mandefa hafatra azo antoka/ mahasoa ao amin'ny haino aman-jery sosialy mba iadiana amin'ny tsy fahalalana, ny fankahalana vahiny, ny tsy fandeferana ary ny fanavakavahana”  izy.

lily

Nanaraka ilay hevitra i Jenny Lin Hulder

jenny

Nanampy an'i  Kwok i Lee Ann Beddoe ary niantso ireo izay mitovy hevitra amin'izany, na dia tsy taranaka Shinoa aza mba hilaza ny heviny. Nanazava izy :

Niara-niasa tamin'i Trinidad sy Tobago ny Shinoa hatramin'ny nahatongavany efa ho 200 taona izay, ary mbola manao izany amin'ny havitsiany na ireo efa nitoetra ela na ireo vao tonga vao haingana.

Nosoloin'i Rhoda Bharath tamin'ny sarin'i Kwok ny sary mombamomba azy amin'ny filazana hoe :

Manasa ireo namako mitovy hevitra amiko aho hanolo ny sary mombamomba azy ireo amin'ny ahy mandritry ny ora vitsy.
Fotoana hanehoana amin'ny vahoaka ny fanoherana ny hevi-diso sy ny fanavakavahana

Nampitamberina ny fahatsiarovana maro an'i Andrea Cwh-Coutain izay milaza fa ” tsy hisy farany mihitsy ny fanavahana ny Shinoa, zava-mitranga kely ankalazaina fotsiny dia mampirongatra izany! ”  ireo fanambaran'i Khan :

Tsy azoko, maninona ny minisitra ao amin'ny governemanta no mankeny amin'ny vahoaka ary kinga amin'ny fanalàm-baràka tsy misy fanadihadiana ?  IZANY NO RATSY INDRINDRA AMIN'NY ZAVATRA REHETRA !

EFA NIALA TSINY VE NY MINISITRA HATRAMIN'IZAO ? RAHA TSIA , MILA MIALA TSINY AMIN'NY VAHOAKA SHINOA TSY AN-KANAVAKA NY MINISTRA FUAD KHAN !!! […]

Tsy nijanona tamin'ny resaka ‘ mpifindra monina Shinoa mihinana alika ‘ fotsiny ity olana ity fa tonga hatrany amin'ny fiampangana ny fandraharahana Shinoa sy ny vahoaka Shinoa amin'izao fotoana izao.

Hatramin'ny fotoana namoahana ity dia tsy mbola nanao fialantsiny mazava noho ilay fanambarany ny Minisitra Khan.

Fanavaozana: Ny 20 Jolay, nisy tatitra nilaza fa niala tsiny ilay minisitra ary vokatry ny “vaovao diso” no nanaovany ireo fanambaràny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.