Nizeria : Tezitra Noho Ny Fanamelohana Ho Faty ‘Kano Sivy’ Noho Ny Fitenenan-dratsy Ny Fivavahanana

Gate to Emir's palace in Kano by Shiraz Chakera [Image under the Creative Commons Attribution-Share Alike 2.0 Generic license]

Vavahadin'ny lapan'i Emir any Kano, avy amin'i Shiraz Chakera. Sary nampiasàna ny fahazoandàlana Creative Commons Attribution-Share Alike 2.0 Generic

Olona sivy no voalaza fa voaheloka ho faty tao amin'ilay tanàna tranainin'i Kano any avaratra andrefan'i Nizeria noho ny nanimbazimbàny ny Mpaminany Mahometa. Rafi-pitondrana fitondran'ny filoha miaraka amin'ny governemanta foibe sy antokon-draharaha federaly 36 ( governemantam-panjakana) no misy any Nizeria. Na dia izany aza dia fanjakana sivy any amin'ny faritra avaratry ny firenena no mampihatra ny lalàna Silamo Sharia. 

Taterin'ny African Spotlight fa ny “Fitsarana Avo Sharia, Rijiyar Lemo, any amin'ny fanjakan'i Kano” no nandàny ilay didim-pitsarana.

Tamin'ny fiandohan'iny volana lasa iny,  nisy vondrona mpikambana ao amin'ny sekta Tijjaniyya, nanimbazimba ny mpaminanin'ny Silamo nandritra ny Maulud tany Kano ary dia nitohy taminà hetsi-panoherana maro tao amin'ny fanjakana izany fihetsika izany. Taorian'ireo andiana fihainoana, dia nambaran'ny Fitsarana Sharia ambaratonga faharoa any amin'ny fanjakan'i Kano fa olona sivy no meloka araka ny andininy faha 110 sy 382B ao amin'ny lalàna Sharia famaizana tamin'ny 2000.

Hazavain'i Oluwadara Kasali avy ao amin'ny Nigerian Monitor misimisy kokoa ilay zava-misy :

Lazaina fa niteraka fety “misavoritaka” tany amin'ny faritra sasany tany Kano ilay didim-pitsarana barbariana, vao mainka niharatsy izany rehefa nolazain'ny governemantan'i Kano ny fahafaham-pony tamin'ilay didim-pitsarana. Nambaran'ny governemanta tamin'ny fanambaràa an-gazety nataony  fa hanampy ny hafa tsy hamerina ny hetsika tahaka ireny iny didim-pitsarana iny…

Olona efatra hafa antsoina hoe : Alkassim Abubakar, Yahaya Abubakar, Isa Abubakar ary  Abdullahi Abubakar no nomena fahafahana sy tsy voaheloka satria tsy ampy ny antony hitànan'ny fitsarana azy ireo. Fa i Abdul-Inyas sy i Hajiya Mairowere miaraka amin'ireo olona fito vaheloka ho faty no hovonoina noho ny Fanimbazimbana zava-masina raha vantany vao mametraka ny soniany amin'ny taratasy fanomezan-dàlana hamono azy ireo ny Governoram-panjakana ao Kano.

Vitsy ireo vaovao fantatra ankoatr'ireo fintim-baovao. Izao no nosoratan'i Arome, matihanina amin'ny haino aman-jery marolafy any Lagos:

Mifono misitery sy tsiambaratelo izany rehetra izany. Hamafisin'ny tatitra fa na dia ny  anaran'ny mpitsara aza dia afenina.

Lazain'ny andininy faha-10 ao amin'ny lalàm-panorenana Nizeriana ( nasiam-panitsiana) tamin'ny 1999  fa ” Tsy mahazo manangana antokom-pivavahana ho antokom-pivavaham-panjakana ny Governemanta federaly na ny Governemantam-panjakana.”  Mahatonga an'i Nizeria ho fanjakana laika izany. Nefa mampifanolana izany, satria ny sasany milaza fa ny hany dikan'io lalàm-panorenana io dia firenena manana antokom-pivavahana maro i Nizeria.  Izao no hamafisin'i Wulumba Iliya Jatau eo am-panoratana ho an'ny tranonkalam-baovao Nizeriana News Diary :

Amin'ny fijerena ety ivelany io andinin-dalàna io dia azo ialàna avokoa ireo singa rehetra momba ny fivavahana ato amin'ny firenena. Ny fandalinana amim-pahamalinana ilay andininy no mety hampisongadina ny tena hevitr'ilay mpandrafitra hoe ny tian'ny andininy faha-10 ho tratrarina dia ny fifandanjana eo amin'ny fandeferan'ny antokom-pivavahana sy ny fankatoavana mba tsy hisy ny antokom-pivavahana homena toerana hifehy ny hafa. Ny fifandanjana manoloana ny lalàna, tsy misy idiran'ny isan'ny mpivavaka isaky ny antokom-pivavahana no tanjon'io fepetra io.

Indray andro dia niaraka nohadihadian'i Niki Tobi, mpahay lalàna, ny momba ny olan'ny andininy faha-10 sy ny maha-firenena laika an'i Nizeria :  ” Misy ny hevitra ankapobeny izay mahatonga ny andininy faha-10-n'ny Lalàm-panorenana 1999 hanao an'i Nizeria ho fanjakana laika. Ny hevitra fototry ny teny hoe laika dia fikambanana tsy idiran'ny resaka ara-panahy, ara-piangonana na mahakasika ny finoana, izay tian'ny andininy faha-10 ho tratrarina dia tsy i Nizeria no ho ohatra amin'ny fanaovana ny Kristianisma na ny Silamo ho toy ny fivavaham-panjakana sady tsy mivoana amin'ny maha-laika izany.

Araka ny voalaza teo aloha dia ialàn'ny andininy faha-10 ny fanjakana entin'andriamanitra izay fitondrana ajoron'ny antoko-pivavahana. Raha lazaina amin'ny teny hafa dia ny fifandanjana eo amin'ireo antoko-pivavahana samy hafa ao amin'ny firenena no tian'ny andininy faha-10 ambara. Hamafisin'ny làlana ao amin'ny andininy faha 38 sy 15 andalana (2)-n'ny lalàm-panorenana 1999 izany.  Lazain'ny andininy faha-38 fa manan-jo malalaka amin'ny fiheverana, ny fisainana ary ny fivavahana ny tsirairay, ao anatin'izany ny fahalalahana hiova antokom-pivavahana na finoana, ary koa, amin'ny maha-singa fototry ny tanjona sy ny torolàlana ankapoben'ny Politikam-panjakana voalaza ao amin'ny toko faha-II-n'ny lalàm-panorenana. Ambaran'ny andininy faha-15(2) fa tsy maintsy hamporisihina ny firaisam-pirenena ; tsy azo atao ny fanavakavahana amin'ny fampanginana noho ny antony ara-pivavahana.

Mbola mitoetra ihany ny fanontaniana : moa ve firenena laika i Nizeria sa firenena misy antokom-pivavahana maro ?

Laika ara-piheverana. maro antokom-pivavahana ety amin'ny fampiharana.

Naneho ny hatezerany tao amin'ny Twitter izay nanamelohany ilay didim-pitsarana ny Nizeriana. Nametra-panontaniana ny mpisera iray amin'ny Twitter momba ny fahefan'ny fitsaran'ny antokom-pivavahana manome fanamelohana ho faty  :

Ao anaty rafitra federalista, tsy tokony ho afaka manameloka ho faty ny fitsarana ara-pivavahana , misy zavatra tsy mazava ao. #SaveKanoNine

Nanana fihetseham-po tahaka izany i @NaijaHistory, izay niantso ny governoran'i Kano hanelanelana :

Nanomboka oviana no lasa heloka bevava mahatonga fanamelohana ho faty aty #Nigeria ny ‘fanimbazimbana zava-masina’ ? Tsy maintsy ravàn'ny @GovUmarGanduje io hadisoana io.

Navoitran'i Hydra ilay fanesoana :

Tazonina any am-ponja ireo mpampihorohoro fa helohina ho faty kosa ireo olon-tsotra  mpanimbazimba

Nasongadin'i Dupe Kllia ny maha-tsy misy dikany ny filalaovana ny toeran'ny mpiadin'Andriamanitra :

Inona no mitranga any #Kano? Tsy tokony ho vonoina noho ny fitenenan-dratsy ny olona amin'izao 2015 izao. Avelao ho amin'Andriamanitra izy ireo na avelao fotsiny amin'izao !  #SaveKanoNine

Tezitra i Onye Nkuzi satria haverina ho heloka bevava mendrika fahafatesana ny fitenenan-dratsy  amin'ny taonjato faha-21 :

“Nomelohina ho faty noho ny fitenenan-dratsy” ny Nizeriana sivy.  Mety ho hagaigena izany raha tsy hoe tena zava-doza.#SaveKanoNine

Niangavy ny fanelanelanan'ny Amnesty International ity mpisera amin'ny Twitter ity :

Ry @amnesty malala, nanameloka nizeriana sivy ho faty noho ny fitenenan-dratsy an'i Allah ny governemantan'i Kano. Izany no karazan-keloka bevava tokony hiadianareo.#SaveKanoNine

Na izany aza, misy ihany ireo manaiky ilay didim-pitsarana. Manazava i Ibraheem M :

Tianareo ny #HanavotraIreoKanoSivy abi? Tsotra, mandehana eny an-dàlam-ben'i Kano ary lazao fa hanohitra ny fanamelohany ho faty ianareo. Ianareo  koa no ho tantara ! Adala.

Amin'ny maha-silamo anay, tsy azonay terena ho tahaka anay ianareo na ho tia ny fomba fiainanay. Safidinareo izany. Saingy tsy azonareo atao ny mitsabaka amin'ny raharahanay. #SaveKanoNine

Fa manoratra i Opeyemi Ahmed, Silamo ihany koa :

Tsy misy afaka hiaro an'Andriamanitra ka hamoaka fanamelohana olona iray ho faty, Silamo aho ary manameloka tanteraka izany. #SaveKanoNine

Mametra-panontaniana manindrona mila valiny i Zebbook

‘Ty resaka fitenenan-dratsy ny fivavahana ity, moa ve afaka manao tahaka izany amin'ireo andriamaniny ireo mpanandratra ny nentim-paharazana ary manameloka antsika ambiny ?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.