Japoney Mpanao Zavakanto, Manao Asa Mahavariana Mampiseho Ny Fiainana Isan'andro Amin'ny Alalan'ny Broccoli, Fitazonana Taratasy Sy Singa Elektronika

The Miniature Calendar of Tatsuya Tanaka

Alimanaka Kely avy tamin'i Tatsuya Tanaka. Sary avy tamin'ny Amazon.co.jp

Namorona ny fiainana isan'andro amin'ny endriny kely ary mahavariana, amin'ny fampiasàna ireo fitaovana ao an-tokantrano fampiasa matetika, ilay Japoney mpanao kanto Tatsuya Tanaka, hatry ny 20 Aprily 2011.

Sary maherin'ny 1.500 isa fanehoana ny fiainana amin'ny endriny kely no nalefa tao amin'ny vohikalany tahaka ny Alimanaka Kely, izay amidy ihany koa ao amin'ny vohikala Japoney Amazon. Nampiditra ny sarin'ireo zava-bitany ao amin'ny Instagram ihany koa izy, izay nahazoany mpanaraka betsaka tokoa, maherin'ny 260.000 isa.

Tanaka, izay ny mombamomba azy ao amin'ny Instagram milaza azy ho miasa toy ny tale ara-javakanto ho an'ny orinasa mpanao dokambarotra any ambanivohitr'i Japana, milaza ao amin'ny vohikalany momba ilay tetikasa:

Tsy maintsy nieritreritra mitovy amin'izao daholo kosa ny olona rehetra, farafaharatsiny indray mandeha monja.

Mety mitovy amin'ny ala indraindray ny Broccoli sy ny persila, na indraindray mety mitovy amin'ny lakana kely ireo ravina mitsingevana eny ambony rano. Afaka mitondra eritreritra mahafinaritra ho antsika ny isan'andro hita amin'ny fahitan'ny olona kely.

Tia hanararaotra io fomba fieritreritra io aho ary haneho azy io amin'ny alalan'ny sary, ka nanomboka nanao ny “ALIMANAKA KELY”. Maneho indrindra ny fisehon'ny zavatra kely amin'ireo zavatra ilaina andavanandro ireo sary ireo.

Mitovy amin'ny alimanaka isanandro tsotra ihany, miova isanandro ireo sary ireo ao amin'ny vohikalako sy ao amin'ny pejy SNS, mitondra ny anarany hoe “ALIMANAKA KELY”

Tena tsara tokoa izao raha afaka mampiasa io hanampiana hafaliana kely amin'ny fiainanao isanandro ianao.

Ireto ary misy sary vitsivitsy nofantenana amin'ilay fanehoany ny fiainana amin'ny hakelezany, izay nalefany tao amin'ny Instagram. Milaza tantara foronina mahavariana (ary indraindray tsy misy dikany) matetika ireo sary:

Lehilahy: Tia hametaka takelaka manome angovo mandeha amin'ny herinaratra misimisy kokoa izahay!

Mpiasa: Handany vola indray izany!

“Tsy mila antsika hanao na inona na inona akory, mitohy foana ny fiainana, sahala amin'ny tohatra mihodina ho azy .”

“Tena mahamay i Tatooine.”

. 7.19 sun "Search" . 「ちょっとまってね今調べるから」 . . #Google先生 #本棚

A photo posted by Tatsuya Tanaka (@tanaka_tatsuya) on

“Andraso kely fotsiny, hijery an'io ao amin'ny Google aho.”

“Fotoana hamoahana ny fitaovana fanefena izao.” (Te-hanandrana ny hilaza izany fotsiny aho)

“Alanà Bararatabe.” Mitombo mahitsy sy lava isika, tsy mondrika.
(Fialantsasatra: 7 Jolay Fetiben'ny Tanabata Festival)

Nahoana no tokony hanorana ny andro Mibaliaka (Alahady)?

. 7.1 wed "Surf’s up!" . 今日から7月、いい波がきてますよ! .

A photo posted by Tatsuya Tanaka (@tanaka_tatsuya) on

1 Jolay izao… Tonga ny lohataona ary ny fikorisàna amin'ny onja!

Jereo ny Instagram an'i Tatsuya Tanaka raha te-hijery sary maromaro kokoa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.