Ireo Nizeriana Miverina Any Amin'ny Lisea Miaraka Amin'ireo Bitsika Mahatsikaiky An'arivony

Screen Shot of Humorous Nigerian Tweets

Dikasarinà Bitsika Nizeriana Mahatsikaiky

Tao anatin'ny 24 ora farany (talohan'ny 06 Aogositra), bitsika maherin'ny 193K miresaka fihomehezana manapa-tsinay sy tsy sarotra hadinoina avy tamin'ny fiainana tao amin'ny sekoly ambony ao Nizeria no niparitaka nanerana ny Twitter niaraka tamin'ny tenifototra #SecSchoolinNigeria.

Mandany taona enina ao amin'ny Lisea ireo mpianatra any Nizeria, ny ambaratonga faha-7 ka hatramin'ny faha-12 no mifanandrify aminy any Etazonia. Fantatra amin'ny hoe Lisea Zandriny ny telo taona voalohany ary antsoina amin'ny hoe Lisea Zokiny kosa ny telo taona sisa. Fifaninanana eo amin'ireo mpianatra hiditra eny amin'ny anjerimanontolo, fifaneraserana ara-tsosialy mahery vaika ary feno fifankatiavana mahafinaritra, ireo taona enina tsy azo sarahina sady tsy maintsy lalovana ireo.

Araka ny Topsy, vohikala mpanao famakafakana, nalefa ny 3 Aogositra avy any Filadelfia ny bitska voalohany nampiasa ilay tenifototra, avy tamin'ny kaontin'i Melanin Mami mipetraka ao Etazonia. Miresaka ny fifaninanana misy eo amin'ireo mpianatra ao amin'ny SS3 (ambaratonga faha-11) sy ny SS2 (ambaratonga faha-12) izy.

#secschoolinnigeria. Tara amin'ireo ankizivavin'ny Ss2 ireo ankizilahin'ny Ss3, tsikaritr'ireo ankizivavin'ny Ss3 izany ka mitady zavatra kely indrindra izy ireo mba hiadiana amin'ireo ankizivavin'ny Ss2.

Naverina nalefa in'arivony ny bitsika nalefany. Andro roa taty aoriana, nipoaka ilay tenifototra, nampiasaina nihoatra ny 194K ny 6 Aogositra. Aseho eto ambany ny sasany tamin'ireo bitsika ireo:

Manana laza ho ‘misakafo tsara’ ireo mpiandraikitra ny trano fisakafoana any amin'ireo lisea  Nizeriana, miaraka amin'ny fahazaran-dratsy ‘mivarotra’ ny sakafo tokony ho an'ireo mpianatra sasany :

Ny toetoetry ny androko fony aho mpiandraikitra ny trano fisakafoanana. #secschoolinnigeria

Ho an'ireo mpianatra nanandrana ny nampiseho ny fiaran'ireo ray aman-dreniny tany an-tsekoly:

#SecSchoolInNigeria Rehefa mangalatra mitondra ny fiaran'ny rainao any an-tsekoly ianao, ary tianao hahatsikaritra anao ny olona rehetra.

Maro amin'ireo lisea Nizeriana no manana ambaratonga zokiny sy zandriny (Junior Secondary School – JSS). Mahazatra ireo ankizilahy ao amin'ny ambaratonga zandriny (ambaratonga faha-7, faha-8 ary faha-9) ny manao pataloha fohy raha ireo ankizilahy ao amin'ny sampana zokiny kosa manao pataloha lava:

#SecSchoolInNigeria Raha te-hanaraka lamaody ianao kanefa tsy maintsy manao pataloha fohy satria ao amin'ny JSS.

Hita eo foana ny fizarazarana eo amin'ireo mpianatra zokiny sy zandriny ao amin'ny sekolim-panjakana Nizeriana. Araka izany, mampiseho hatsikana mibaribary amin'ny ‘tsy fitiavana’ mpianatra zokiny ito bitsika eto ambany ito:

#SecSchoolInNigeria Raha zandriny ianao, mofo no aroson-dry zareo ho anao ao amin'ny trano fisakafoana, ary ankizilahy ss3 no eo amin'ny latabatrao

Mitantara ny resadresaka niaraka tamin'ny ramatoa tompon-trano toy izao i Bibi:

Ramatoa Tompon-trano: Tadidinao ve ireo mpianatra ss3 izay nangalatra tao amin'ny toeram-pivarotana vatomamy? Izaho: #SecSchoolInNigeria

Fisehon-javatra hita rehefa nanadino ny fandaharam-potoana hanao fitsapam-pahaizana ny mpampianatra, kanefa tena vonona sy mahay be ny solontenan'ny kilasy:

#secschoolinnigeria Rehefa te-hampahatsiahy ny mpampianatra ilay fitsapam-pahaizana ny solontenan'ny kilasinao.

Ilay fotoana miavaka rehefa voasazy ireo mpianatra ‘zokiny':

#SecSchoolInNigeria Toy izao ireo zokiny

Na ny dihin'ny fandresena izay mipoapoaka rehefa tratra nanao zavatra tsy araka ny lalàna ny  ankizivavy iray mba eo ho eo ihany :

#SecSchoolInNigeria rehefa tratra nangala-tahaka tamin'ny fanadianana ihany nony farany io Filohan'ny Ankizivavy ratsy fanahy io.

Tsy misy na inona na inona manintona anao handihy toy ny fiantraikan'ny tehina eo an-damosin'ny hafa:

Rehefa miantefa eo afovoan'ny lamosinao ny tehina ary tsy afaka mikaotra azy akory ianao #Secschoolinnigeria

Fa mampifalifaly kokoa ilay fandihy, raha, na eo aza ireo donan'ny tehina azonao, mbola voalohany ao am-pianarana ihany ianao:

#SecSchoolInNigeria Rehefa voalaza ho mpianatra tsara indrindra amin'ny ambaratonganao ianao ………. taorian'ny fanebatebahana maro tany an-tsekoly pic.twitter.com/kLwiYFXO2k

Tena fandresena lehibe any amin'ny lisea ny tsy mahatafiditra anao ao anatin'ny ‘lisitry ny mpanabataba':

#SecSchoolInNigeria Raha nanabataba ianao kanefa tsy tafiditra ao anatin'ny lisitry ny mpanabataba ny anaranao

Raha te-ho mpiandraikitra sekoly ianao, tsara raha mihomehy amin'ireo karazana fampihomehezana rehetra ataon'ny mpiandraikitra lehibe ao amin'ny sekolinao ianao :

#secschoolinnigeria rehefa manao fampihomehezana mivantambantana be ny mpiandraikitra lehibe ao amin'ny sekoly kanefa tena mila io toeran'ny mpiandraikitra Zokiny io ianao😂😂😂

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.