Tsy Ireo Vondrona Mpikirakira Rongony Intsony No Loza Lehibe Indrindra Mitatao Ho An'ireo Meksikana Mpanao Gazety

 Reporteros de medios escritos, televisivos y radiofónicos increparon hoy a funcionarios de la Secretaría de Gobernación (Segob) y del Gobierno de Veracruz, a quienes pidieron que expliquen qué harán para proteger la vida e integridad de las y los periodistas en la entidad.

Mpanao gazety manao hetsi-panoherana anoloan'ny tranoben'ny governemanta  Veracruz. Mbola mitohy ho iray amin'ireo faritra mampidi-doza indrindra hanaovan-gazety i Veracruz noho ireo vono olona maro niseho tao. Sary nalaina avy tamin'ny kaonty Flickr an'ny CimacNoticias Agency, ambany fahazoan-dàlana Creative Commons.

Nalefa voalohany tao amin'ny bilaogin'ny Fanaovan-gazety tany Amerika ito lahatsoratr'i Mariana Muñoz ito, ary nahazoan-dàlana ny famerenana azy eto.

Tato anatin'ny folo taona lasa, lasa iray tamin'ireo firenena maneran-tany mampidi-doza indrindra ho an'ireo mpanao gazety i Meksika, ilay lazaina ho Ady amin'ny Rongony any amin'ny faritra avaratra akaikin'ny sisintanin'i Etazonia no antony lehibe nahatonga izany.

Nahita fiovàna teo amin'ny toerana ara-jeografika nisy ireo fanafihana atao an'ireo mpanao gazety, izay tena lasa mitombo sy mahazatra any amin'ireo fanjakana ao atsimon'i  Meksika, ny fikambanan'ny mpanohana ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety. Nahita ihany koa izy ireo fa tsy ireo mpikambana ao amin'ireo vondrona mpikirakira rongony ireo voarohirohy ao ambadik'ireo fanafihana, fa tomponandraiki-panjakana sy polisy.

Mikisaka avy any avaratra mankany atsimo ny herisetra

Tamin'ity taona ity, hatreto aloha, miisa enina ny tranganà famonoana mpanao gazety – samy novonoina tany atsimon'i Meksika daholo izy rehetra ireo. Tato anatin'ny herinandro iray tamin'ny volana Jolay, mpanao gazety telo no novonoina tao Oaxaca, Veracruz sy Guanajuato – samy fanjakana tatsimo daholo ireo.

Violence in Mexico

Toa manamarina io fironana io ireo antontan'isa avy amin'ny Periodistas en Riesgo, vohikala izay manaraka sy mamakafaka/mandrakitra ny momba ireo fanafihana mpanao gazety any Meksika.

Vao haingana i Javier Garza Ramos, avy amin'ny Ivon-toerana Iraisam-pirenana ho an'ny Mpanao gazety (ICFJ) mpiara-miasa amin'ny Knight International Journalism izay manara-maso ny Periodistas en Riesgo, no nanoratra lahatsoratra ho an'ny El País izay ahitàny ny fikisaky ny herisetra avy any avaratra mankany atsimo.

Manazava i Garza fa miseho izany fikisahana izany, amin'ny ankapobeny, noho ny fihenan'ny herisetra any avaratra (ankoatra ny ao Tamaulipas) ary namindra ny fijery ho any amin'ireo zava-mitranga ratsy izay mihamitombo ao amin'ireo fanjakana afovoany sy atsimo.

Taminà tafatafa niaraka tamin'ny Ivon-toerana Knight, nilaza i Garza fa misy hevitra diso ny amin'ny hoe iza no tena manao zavatra ratsy indrindra.

Ireo tomponandraiki-panjakana sy polisy ankehitriny no tena mpihetraketraka indrindra

Araka an'i Garza, nafantoka bebe kokoa tany amin'ireo fanafihana mpanao gazety ataon'ireo mpikambana ao amin'ny vondrona mpikirakira rongony ny fijery hatrizay, satria izy ireo no tena loza be indrindra amin'ny fomba fanafihany. Noho izany, ireo mpikambana ao amin'ny vondrona mpikirakira rongony no hita ho tena mpihetraketraka indrindra amin'ireo mpanao gazety .

Milaza i Garza fa tsy marina izany.

“Izy ireo no manafika amin'ny fomba mafimafy kokoa, fa amin'ny resaka salan'isa, tsy izy ireo no tena mpanafika be indrindra,” hoy izy.

Araka an'i Garza, ireo tomponandraiki-panjakana sy ireo polisy no tompon'andraikitra amin'ny ankamaroan'ireo fanafihana mpanao gazety. Miovaova ny fomba sy ny hamafin'ny fanafihana, manomboka amin'ny fandrahonana sy fampitahorana ka hatramin'ny fangalàna an-keriny, fidarohana ary famonoana.

Voatohintohina ny fahalalahana maneho hevitra ao Meksika tato anatin'ny taona maromaro lasa izay. Miatrika fandrahonana avy amin'ireo tomponandraiki-panjakana sy ireo mpikambana anaty vondrona mpanao heloka bevava voakajy ireo mpanao gazety ao amin'io firenena io, izay mandratra azy ireo na mamono mihitsy amin'ny tranga sasany.

“Nanomboka nihena ny herisetra aminà heloka bevava voakajy any amin'ireo faritra avaratra toa an'i Tijuana sy Ciudad Juarez, raha oharina tamin'ny taona 2010 sy 2011. Tamaulipas ihany no hafa amin'ireo,” hoy izy.

Tranga iray vao haingana noraketin'i La Crónica no toa mampiseho io fironan'ny  tomponandraiki-panjakana mandrahona na manafika mpanao gazety io.

Nalefa tany amin'ny kaominin'i Almoloya de Juarez, ao amin'ny fanjakàn'i Meksika, i Daniel Blancas, mpitatitra vaovao ho an'i La Cronica, mba hanadihady ny fitsoahana am-ponja an'ilay mpanjakaben'ny rongony any Meksika, Joaquín Guzmán Loera, fantatra amin'ny anarana El Chapo ihany koa. Ny hitafatafa amin'i Calixto Estrada Castillo no tokony ho asany, io no tompon'ny trano farany izay natao teboka niafaran'ny tonelina nandosiran'i Guzmán Loera.

Taorian'ny nanontaniana azy ary nandraràna azy tsy hiditra tao amin'ireo trano, nilaza i Blancas fa nahazo fandrahonana izy: “Feno mpanao gazety toa anao ny fasana!”

Araka an'i Huellas de Mexico, avy amin'i Jorge Peña ilay fandrahonana, tomponandraiki-panjakana ao amin'ny Biraon'ny Mpampanoa Lalàna ao Zinacantepec.

Veracruz: “afobe ho an'ireo mpanao gazety”

Araka ny tatitra voalohany miseho isaky ny enim-bolana ny taona 2015  ataon'ny Article 19, mitondra ny lohateny hoe, “Más violencia, más silencio” (“Herisetra miha mitombo, fahanginana miha mitombo”), herisetra miisa 227 atao amin'ireo mpanao gazety no voaray tamin'ny enim-bolana voalohan'ny taona 2015. Nampian'ilay tatitra hoe, tena ambony be io raha oharina amin'ny salan'isa nandritra ny fitondran'i Felipe Calderón ny taona 2006 hatramin'ny 2012, izay teo amin'ny 182 isan-taona eo ho eo.

Niresaka ireo famonoana miisa enina anà mpanao gazety niseho hatry ny Janoary 2015 ihany koa ilay tatitra, samy tany amin'ny faritra atsimon'ny firenena daholo.

Telo tamin'ireo famonoana miisa enina no niseho tao Veracruz, mitoetra ao amin'ny tapany atsimon'ny firenena, amin'ny morontsiraky ny Golf an'i Meksika.

Na hoe ny fanjakan'i Guerrero aza no manana ny isa ambony indrindra amin'ireo fanafihana mpanao gazety (38), mbola mitohy ho iray amin'ireo faritra mampidi-doza be indrindra hanaovana asa an-gazety i Veracruz noho ireo isa maronà famonoana izay niseho tao, araka an'i Animal Politico.

Tao amin'ny lahatsoratry ny BBC Mundo, nolazaina ho “afobe ho an'ireo mpanao gazety” io firenena io.

Araka ny Article 19, mpanao gazety miisa valo ambinifolo no novonoina tao hatry ny taona 2000, ka voarakitra ho teo ambanin'ny fitondran'ny governora ankehitriny, Javier Duarte, ny 12 amin'ireo famonoana ireo (14, araka ireo loharano hafa).

Famakafakain'ny fanadihadiana iray mitondra ny lohateny hoe “Fahafatesana any Veracruz”, nataon'ilay fantsona nomerika AJ+, ny fomba niovan'ny fiainan'ireo mpanao gazety ao Veracruz, miasa eo ambany fandrahonana tato anatin'ireo taona faramparany izay.

 

Ny taona 2011, noravàna ny polisy kominalin'i Veracruz noho ny fiahiahiana fisiana kolikoly sy ny zava-mitranga hoe nanomboka nanao ny asany indray ny miaramila.

Niforona tao amin'ny firenena ny vondrona ho fiarovan-tena, tofoka amin'ny tsy fahitam-bokany amin'ny asan'ireo polisy,

Félix Márquez, mpakasary sy mpanao gazety, nanao horonantsary famakafakàna ilay vondrona.

“Tsy te-hiaiky ireo manampahefana hoe misy ireo vondrona ireo,” hoy izy. “Tsy fantatro hoe maninona izy ireo no tsy tia miresaka momba ireo vondrona mpiaro tena ireo. Kanefa, mamakafaka azy ireny ary manaporofo fa tena misy izy ireo no asanay.”

Nilaza i Márquez fa nahazo fandrahonana izy noho ny sarin'ireo vondrona mpiaro tena nalainy.

Hoy izy tao amin'ilay horonantsary famakafakàna hoe “Nanao fanambaràna ny Sekreteran'ny Fiarovam-bahoaka, nilazàny fa tokony haiditra am-ponja aho”.

Ny “Fahafatesana ao Veracruz” ihany koa dia mamakafaka ny trangan'i José Moisés Sánchez Cerezo, mpanao gazety novonoina tao Veracruz ny 02 Janoary.

Namorona ny gazety mivoaka isan'andro La Unión i Sánchez, tao amin'ny kaominin'i Medellín de Bravo ao Veracruz, nataony io mba hampahafantarana ireo vondrom-piarahamonina mikasika ireo zavatra tsy notaterin'ireo famoaham-baovao hafa.

Manao tatitra matetika momba ny kolikolin'ny polisy, nampitahorin'ireo tompon'andraikim-panjakana i Sánchez, ary, indray mandeha, nahazo teny nilaza fa nieritreritra ny hampihorohoro azy ny ben'ny tanàna, araka ilay famakafakàna.

Nalaina an-keriny tao an-tranony i Sánchez ny 2 Janoary; hita tao Veracruz ny vatana mangatsiakany ny marainan'ny 24 Janoary. Maro ireo mino fa nanome baiko ny fakàna azy an-keriny sy hamono azy ny ben'ny tanàna, Omar Cruz.

Mbola manohy mitady ny rariny tamin'ny famonoana an-drainy ihany i Jorge Sánchez, zanaka lahin'i Moisés.

“Feno tsy fanarahan-dalàna maro tamin'io fanadihadiana io,” hoy izy tamin'ilay horonantsary. “Fahadisoana mitovy amn'izay miseho amin'ireo fanadihadiana rehetra momba ny  famonoana ireo mpanao gazety.”

Taorian'ilay famonoana, nomena baiko hanara-maso ny tranon'ny Sanchez ny polisy—fomba fiarovana ny fianakaviana. Nohodidinina tariby misy tsilony ny trano.

“Mety hieritreritra ny olona hoe tokony ho olon-kafa nohidiana an-trano fa tsy izahay,” hoy i Jorge Sánchez tao amin'ilay horonantsary famakafakàna. “Fa izao moa no fomba fiasa aty— miriaria eny ivelany ny mpamono olona ary izahay kosa tsy maintsy mihidy ato.”

Olana ao Meksika ny tsimatimanota, ao amin'ny tany izay zara raha voasazy ny heloka bevava atao amin'ireo mpanao gazety. Any amin'ny laharana faha fito no misy ilay firenena amin'ny Tondro Maneran-tany Momba ny Tsimatimanota, taona 2014  ataon'ny Kaomity Miaro Ireo Mpanao Gazety. Ho fanampin'izany, ireo tsikera dia nanipika ireo olana lehibe eo amin'ny rafi-piarovana federaly ho an'ireo mpanao gazety tandindonin-doza.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.