India : Tsy Ny Ara-Pahasalamana Ihany No Voakasiky Ny Tsy Fisian'ny Trano Fivoahana

After the alleged rape and gruesome murder of two sisters stirred the nation’s conscience, a country-wide "Toilet for Every House" campaign was launched from the infamous village in Uttar Pradesh. Image by Deepak Malik. Copyright Demotix (31/8/2014)

Rehefa nanaitra ny sain'ny fanjakana ilay heverina ho fanolanana sy ny famonoana mahatsiravina nanjo ireo mpirahavavy, dia fanentanana ‘trano fivoahana isan-tokatrano’ manerana ny firenena kosa no nanomboka tany amin'ny tanàna kely malaza mampalahelo tany Uttar Pradesh. Sary avy amin'i Deepak Malik. Fizakàmanana Demotix  (31/8/2014)

Manodidina ny antsasaky ny mponina 1,2 lavitrisa any India, indrindra ireo monina any ambanivohitra no tsy manana trano fivoahana misy rano ao an-tranony ka voatery mangery eny an-kalamanjana na any amin'ireo lavaka maina tsy ara-pahasalamana. Mponina ambanivohitra maherin'ny 72% no manao izany.

Ao amin'ny Tatitra voalohan'ny fanadihadian'ny governemanta tamin'ny 2012 nataon'ny Ministeran'ny Rano fisotro sy ny Fahadiovana dia ireo fanjakana toa an'i Odisha (88%), Bihar (79%), Jharkhand (72%), Jammu sy Kashmir (75%), ary Telangana (74%) no naharaketana taha ambony amin'ny tsy fananan'ny tokantrano trano fivoahana. Fomba fanao izay vao mainka nampitombo be ny olana sosialy ao India.

Tamin'ny faha-4 Jolay 2015 teo, Jahrkand , zatovo iray 17 taona tany Dumka izay menatra ny mangery an-kalamanjana no namono tena rehefa nolavin'ny ray aman-dreniny ny hataka matetika nataony mba hanangana trano fivoahana. Tamin'ny taona lasa, tovovavy roa tany amin'ny distrikan'i Katra Badaun, Uttar Pradesh, no hita ary heverina fa voaolan'ny olona maromaro ary nahantona tamin'ny hazo. Voalaza fa nivoaka mba hanala mavesatra an-kalamanjana tamin'ny alina izy roa ireo ary tsy niverina.

Antony lehibe mahatonga ny sotasota ara-nofo atao amin'ny tovovavy sy ny vehivavy ny fangerena an-kalamanjana. Nampananosarotra ny fitadiavana toerana hangerena any ambanivohitra ny fandripahana ny ala. Miezaka miteny manandrana misintona ny saina ho amin'io olana io ireo tovovavy sy ireo vehivavy.

Ny 15 Aogositra 2014, tamin'ny kabariny voalohany tamin'ny Fetin'ny Fahaleovantena, ny Praiminisitra Narendra Modi dia niantso hanaovana ‘Swachh Bharat Abhiyan’ iray (Iraka Hisian'i India Madio), mifantoka indrindra amin'ny maha-zava-dehibe ny fanorenana trano fivoahana isaky ny sekoly any India. Izao no nolazainy :

Henatra ho an'ny firenena izay manana faniriana mahenika izao tontolo izao izany,  ary fanalàna baraka ho an'ny vehivavy ny tsy fisian'ny trano fivoahana.

Noraisin'ireo mponina tany amin'ny fariatra sasany any India ho matotra kokoa noho ny hafa ity kabary ity. Raha araka ity drafitra ity dia tokony tsy hisy intsony ny fangerena an-kalamanjana any amin'ny tanàna 100 any Ludhiana amin'ny 2017. Nanandrana nanao  ‘ fangatahana trano fivoahana’ ireo hetsika fanentanana teo aloha toy ny ‘Nirmal Bharat Abhiyan’ saingy tsy nisy vokany izany.

Naverin'ny hetsika Modi ho fototry ny adihevitra amin'izao fotoana izao io olana maika io. Misongadina ny fanehoan-kevitra any anaty haino aman-jery sosialy amin'io fahatsiarovan-tena misonga io :

#ShamelessBJD 88%-n'ny tokantrano any Odisha no tsy manana trano fivoahana

109 no migadra 24 ora noho ny famaniana an-kalamanjana. Tsy vahaolana maharitra any India izay misy olona 635 tapitrisa tsy manana trano fidiovana izany.

Niady ho an'ny ” fampidirana rano any an-tsekoly” sy kojakoja momba ny fahasalamana ary fahadiovana (WASH) ho an'ny fiainan'ny Indiana andavan'andro ny filohan'ny politika momba ny rano sy ny fanadiovana ao amin'ny Fikambanana Tsy Miankina WaterAid, Nitya Jacob nandritra ilay fivoriana nokarakarain'ny Oniversiten'i Chicago Centre tany New Delhi. Aleon'ny olona mangery an-kalamanjana na dia efa vita tsara aza ireo trano fivoahana satria heverina fa mahasalama kokoa izany. Fanamby iray hafa ilàna fifantohana ny famatsiana rano madio. Misalasala noho izany ireo manampahaizana fa tsy ny fananganana trano fivoahana maro ihany no hanova ny fahazarana ara-pahadiovana eo anivon'ireo vondrom-piarahamonina.

Avoitran'i Jacob, miaraka amin'i Amitangshu Acharya, talen'ny fandaharan'asa amin'ny biraom-pifandraisan'ny orinasa Avko ao Azia ho fanampiana sy fampandrosoana ny rindrambaiko, ny lafiny hafa amin'io olana io :

Lehilahy ny ankamaroan'ireo injeniera ao amin'ny sampan-draharahan'ny governemanta, fa vehivavy kosa ireo vahoaka manohana ny fanorenana trano fivoahana. Mirona kokoa amin'ny lafiny ara-teknika ireo injeniera lehilahy raha toa ka endrika manafina ny fiainany manokana sy ny fidiovana mandritra ny fadimbolany kosa no ilain'ireo vehivavy ( sy ny hafa) izany.

Taty aoriana namafisin-dry zareo fa tsy afaka nampiasaina ilay trano fivoahana vita noho ny kalitaony :

Tsy mafy tsara ny zoron'ilay koveta fivoahana, na tsy mety tsara ny firaikan'ilay fantsona mampitohy ilay koveta amin'ny lavaka, na nirodana noho ny havesany ny lavaka.

Mamela dindo lalina amin'ny rafi-panavakavahana ara-piarahamonina any India io fomba ratsy amin'ny resaka fahadiovana io. Noho ny tsy fisian'ny rafitra fanadiovana, dia ireo ao amin'ny saranga ambany amin'ny fiarahamonina antsoina hoe ” ireo tsy fikitika” no voatendry hanao fanadiovana amin'ny tànana  (famafàna ny maloton'olona amin'ny tànana), zava-panao izay efa miparitaka any amin'ireo saranga ambony amin'ny fiarahamonina amin'izao fotoana izao izany.

Manazava io resaka io i Sameer Kamat :

Misy trangam-panadiovana atao tànana voarakitra na dia any tanàndehibe sy any ambanivohitra aza. Ohatra, olona 13 no fantatra fa manao fanadiovana amin'ny tànana tamin'ny fanadihadiana natao tany Delhi tamin'ny 2008. Ohatra iray hafa i Meerut, iray amin'ireo tanàna lehibe any UP, 60 km monja miala ny renivohitry ny firenena. Mpanadio amin'ny tànana 392 no voarakitra tany Meerut nandritra ny fanadihadiana tamin'ny 2010.

Aroson'i Jacqueline Cieslak, mpianatra haka maripahaizana ‘doctorat’ ny hevitra vaovao mba hisakanana ny olona tsy hamany an-kalamanjana nandritra ny fikarohana nataony momba ny fifandraisan'ny fivavahana sy ny fampiasana trano fivoahana :

[…] ny fomba fanao amin'ny fanantonana ny sarin'ireo andriamanitra amin'ny rindrin'ny tranom-panjakana any India mba hisakanana ireo lehilahy tsy hamany amin'izy ireny. Karazana finoana indramina avy amin'ny finoan'ny hafa sy ny finiavany hanova ny fitondrantenany ho an'ireo finoana ireo izany – raha lazaina amin'ny teny hafa dia tsy voatery hino ireo andriamanitra Hindo vao hino fa tsy hamàny eny amin'izy ireny ireo olona izay mino azy ireny.

Raha ny fahitàna ireo tranga ireo dia azo fehezina fa ireo saranga ambony no hahazo tombony bebe kokoa amin'io drafitra io. Noho izany, ilaina ny fanentanana fampahatsiarovan-tena ireo vondrom-piarahamonina, fa tsy ny tsirairay ihany, momba ny maha-zava-dehibe ny lava-piringa mba hitondra fanovàna amin'ny fomba fisainana. Ilàna famoahana vola be noho ny ” fangatahana fanorenana trano fivoahana” anefa ny “fanaovana fanentanana fampahatsiarovan-tena” sy ny fanaraha-maso hentitra mba ahazoana manombana ny vokatra ao amin'ny fandaharanasa ‘Swachh Bharat Abhiyan’.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.