Manery Ny Governemanta Hanasazy Ny Uber Ireo Mpamily Taxi Ao Hong Kong

Taxi driver slow-drive protest helps promoting Uber.

Manampy amin'ny fampiroboroboana ny Uber ny fihetsiketsehan'ireo mpamily fiarakaretsaka. Sary avy amin'ny 852 post, sehatra fiadian-kevitra mahaleotena ao Hong Kong.

Nanatontosa fihetsiketsehana tamin'ny alalan'ny fitondrana miadana dia miadana ny fiara nandritra ny roa andro ny vondrona mpamily fiarakaretsaka tamin'ny faran'ny herinandro ary nandrisika ny governemanta mba hanasazy ireo orinasa mpampanofa fiara tsy manana lisansa ao Hong Kong. Nandrahona hanatontosa hetsika goavambe sy hanao barazy izy ireo raha tsy mahavita mandray andraikitra ny governemanta.

Ao Hong Kong, miasa ao anatin'ny lalàna manjavozavo hatry ny ela ireo mpampanofa fiara tsy manana lisansa. Ohatra, matetika antsoina hitatitra mpandeha mankany amin'ny seranam-piaramanidina ireo fiara lehibe natao hitatitra entana. Tao anatin'ny taona vitsivitsy, nivelatra noho ny fivoaran'ny fampiharana finday ity sehatra ity, ka anisan'izany ny Uber miorina Etazonia sy ny Fiarabe GoGo miorina ao Hong Kong, izay mampifandray ny mpandeha amin'ny mpanamory fiara.

Tsy sarotra ny manakatra ny antony mampitaraina ireo mpamily taxi. Nilaza ny Fikambanana Hong Kong Taxi & PLB fa nijotso 20% ny fandraharahan'ny taxi noho ireo tolo-draharaha nomen'ireo tsy manana lisansa.

Ao amin'ny fifanandrinana ataon'ny Uber sy ny taxi, toa manome vahana ny taxi ny lalàna. Ao Hong Kong, tsy maintsy mitondra lisansa ireo fiaran'olo-tsotra mampanofa fiara ho an'ny mpandeha, raha tsy izany tsy voaron'ny fiantohana izay mpandeha aminy raha sanatria misy loza mitranga. Miezaka manery ny governemanta hanamafy ny fampiharana ny lalàna amin'ireo mpampanofa fiara tsy manana lisansa ny fihetsiketsehan'reo mpamily taxi manao fihetsiketsehana.

Ny mahaliana amin'ny hetsika ataondry zareo dia ny nampiroboroboany ny fampiharana finday fananganan-tanana hanofàna fiara, indrindra ny Uber. Nandritra ny hetsika roa andro, laharana voalohany ny Uber ary faharoa amin'ny fitrohana fampiharana ao amin'ny tsena Apple sy Google Play tao Hong Kong. Maro ireo mpiserasera no nilaza fa tsy mahalala ny fampiharana Uber raha tsy tamin'ny fihetsiketsehana nataon'ireo mpitondra taxi.

Maro ihany koa ireo mpisera aterineto naneho ny tsy fahafaliany tamin'ireo mpamily fiarakaretsaka. Mpanao matoandahatsoratra iray tsy mitonona anarana,”Toeram-pandihizana ao atsimo” avy ao amin'ny median'olo-tsotra inmediahk.net, nitaraina amin'ny fomba tsy ara-dalàna ataon'ireo mpitondra taxi sasantsasany misafidy mpandeha sy mampandoa vola tafahoatra azy ireo :

這些明目張膽揀客的司機是香港之恥,遊客當然首當其衝,他們除了被拒載,還是會被濫收車資、兜路,但市民也一樣受了不少的士司機的劣質服務。每逢周末,中環一帶,所有的士司機都是冚旗揀客的,灣仔唔去、屯門又唔去?去黃泉路好不好?

Henatra hoan'i Hong Kong ireo mpamily taxi sahy mifidifidy mpandeha hoentina. Ny mpizaha tany, mazava ho azy, no lasibatra indrindra amin'izany - ankoatra ny fandavana mpizaha tany, mandeha amin'ny lalana lavitra kokoa ireo mpitondra taxi ary lafo kokoa ny saran-dalana alain'izy ireo. Na dia tsy maintsy mizaka ny tolotra ratsy ataon'ireo mpitondra taxi aza ny mponin'i Hong Kong: isaky ny faran'ny herinandro dia afenin'izy ireo ny milina fandrefasan-dia vita dia maka mpandeha ireo mpitondra taxi ao amin'ny Distrika Foibe. Tsy mazoto izy ireo handeha any amin'ny faritra [akaiky] toy ny ao Wanchai sy ny faritra [somary lavitra loatra] tahaka ny ao Tuen Mun. Maninona raha mandeha any amin'ny helo?

Nidera ny tolotra avy amin'ny Uber ny mpanoratra avy eo:

Uber好處太多,只是用信用卡找數一項,對乘客來說已是重大發明,香港的士到今時今日還不能以信用卡/八達通付款是一大落後。

Mitobaka ny tombotsoa amin'ny Uber. Raha hanonona iray, fivoarana be amin'ny mpandeha maro ny fandoavam-bola amin'ny alalan'ny kara-bola. Tratra aoriana kosa ireo taxi ao Hong Kong tsy manaiky  fandoavam-bola na amin'ny alalan'ny kara-bola na amin'ny [fandoavam-bola elektronika] Octopus.

Midera ny fametrahan'ny Uber rafitra fanomezana naoty sy fitarainana ihany koa i HR Bear, mpanoratra matoandahatsoratra ao amin'ny VJMedia, tranonkalam-baovao tsy miankina ao amin'ny aterineto iray:

uber既出現,就係迎合市場上呢個無可避免既大趨勢,call車方便,而且特別對於女仔黎講係感覺有保障,佢地提供投訴同埋評分渠道,如果有司機被投訴就會被「cut 單」,所以服務質素大致上有保證。

Zava-misy tsy azo ihodivirana ny fisongan'ny Uber noho ny fitadiavan'ireo mpanjifa tolotra mety sy azo antoka. Ho an'ny vehivavy, voaaro kokoa izy ireo amin'ny Uber satria mametraka rafitra anaovana fanamarihana sy fitarainana izy. Raha misy mpamily nanaovana fitarainana, dia maty ny fifampiraharahana ataon'ilay mpamily amin'ny Uber, ka mahafa-po ny tolotra amin'ny ankapobeny.

Tamin'ny fanadihadiana amin'ny tombontsoa amin'ny Uber ny fanontaniana iray mari-pototra raha mety ho voasolony tanteraka ny taxi ao Hong Kong atsy ho atsy. Toa tsy hitranga izany raha ny hoavy azo visavisaina no jerena. Etsy ankilany, tsy ampy fiara ny Uber hanomezana fahafahampo ny mpanjifa rehetra. Etsy andaniny, tsy afaka hanakana fiara Uber eny an-dalana ny olona dia ny taxi mahazatra ihany no ampiasaina kokoa rehefa maika.

Ny tena mahasarotra kokoa ny raharaha dia ny lafiny lalàna. Raha manao raharaha amin'ny fomba tsy ara-dalàna noho ny tsy fananana fahazoan-dalana ny Uber, ny tokony ataon'ny governemanta dia na mampihatra ny lalàna na manitsy izany. Amin'izay fotoana izay dia aza miala hamantatra hoe iza no handresy amin'ity fifanenjanana ity – ireo mpitondra fiara sa ireo mpanjifa mitaky tolotra tsaratsara kokoa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.