Saripika 18 mahafinaritra ahitana ireo Rana Tharus avy ao ampoto-tendrombohitr'i Nepal

 

The silver white looks strikingly beautiful on the bright dress and black shawls.

Rana Tharus – Kanto manaitra eo ambony akanjo marevaka sy voaly mainty ny helatrelatry ny volafotsy. Saripikan'i Solveig Boergen. Nahazoana alalana

Raha tompontany taloha ny Rana Tharus — ireo teratanin'ny distrikan'i Kailali sy Kanchanpur ao amin'ny farany andrefan'i Nepal — dia vao vavolombelonan'ny fandrobana, fanimbazimbana ary ny fanavakavahana.

Robain'ny andian-jiolahy isan'andro ireo tanàna kelin-dry zareo mitoka-monina. Nafindra toerana ry zareo rehefa nitarina ny Valan-javaboary iarovana ny biby mpirenireny ao Shuklaphanta, ary maro no very tanindrazana nandritra fanantanterahana ny fandaharan'asa fametrahana mponina (voanjo) vaovao. Ny Tharus ao Chitwan izao dia nahena ho ny 14 isanjaton'ny faritra nitoerany taloha ihany no azony onenana rehefa nisy programa miady amin'ny tazomoka namendraka DDT (Dichloro Diphenyl Trichloroethane) nanodidina ny tranon-dry zareo. Taloha ry zareo nonina tamin'ny 90 isanjaton'ny faritra.

Sarotra ny mahita tahirinkevitra voasoratra momba ny Rana Tharus noho ry zareo mitoka-monina, hoy i Bikram Rana nanoratra tao amin'ny blaoginy:

In India Rana Tharus of Khiri, and Nainital are under scheduled tribes. In case of Nepal in terms of habitats Rana Tharus are the native residents of Kailali and Kanchanpur since 16th century and are the first settlers of the two districts later they were joined by Dangauras of Dang and after the eradication of malaria and resettlement plan of Panchayat regime, Khasiyas [tribes] joined.

Ao India dia sokajiana ho foko iangarana fa tsy itongilanana ny Tharus-n'i Khiri sy ny Nainital. Raha resaka fonenana ao Nepal dia mponina teratanin'i Kailali sy ny Kanchanpur ry zareo hatramin'ny taonjato faha-16 ary ry zareo no voanjo nanoriponenana voalohany tamin'ireo distrika roa ireo, taty aoriana vao nanatevin-daharana an-dry zareo ny Dangauras avy ao Dang ary taorian'ny nahafoana tanteraka ny tazomoka sy ny drafi-pametrahana mponina vaovao araka ny rafitra Panchayat (fokonolona mizaka tena) dia nanampy isa azy ireo ny [foko] Khasiyas

Na dia teo aza anefa izany zavatra hafahafa rehetra izany dia tsy nanadino ny kolontsainy sy ny fomban-drazany ry zareo. Mbola miavaka ny fomba fandaminan-dry zareo ny fiainany andavanandro ary mahamiramirana izay rehetra mpakasary sy mpiangaly ny fandravahana ny fomba fiakanjo sy firavahana ara-pombandrazany.

Solveig Boergen, Alemana iray mpaka sary izay nonina sy niasa tany Japan, dia nanao dia lavitra tany amin'ny distrikan'i Kanchanpur any andrefan'i Nepal handrakitra ny fiainana andavanandron'ny Rana Tharus. Indreto ny zavatra hitany:

As the sun peeks from the window of the mud house, an old Rana lady is busy preparing meal. The mighty rays illuminate the surrounding and the dark corner of kitchen turns into a portrait painted in ochre.

Rehefa niditra avy eo amin'ny varavarankelin'ny trano tomboka ny masoandro, dia nisahirana tamin'ny fikarakarana ny sakafo ny vaviantitra Rana iray. Nanazava ny manodidina ny taratra mahery ary lasa niova ho sarintava amin'ny volontanimena ny faritra maizina ao an-dakozia.

 

The morning chores comprise cleaning the premises and taking the cattle out in the open.

Tafiditra ao anatin'ny raharaha maraina ny fanadiovana ny toerana sy ny famoahana ny omby hivoaka ankalamanjana.

 

The morning chores comprise cleaning the premises and taking the cattle out in the open.

Tafiditra amin'ny raharaha maraina ny fanadiovana ny toerana sy ny famoahana ny omby hivoaka ankalamanjana.

 

The young one is a helping hand in looking after the goats and bringing grass for the animals.

Manampy amin'ny fiandrasana osy ity tanora iray ity sy amin'ny fitondrana vilona ho an'ny biby.

 

The lady in her bright blouse sits on a rope cot and makes clay figurines for her grandchildren to play with in the upcoming festival. She draws inspiration from the nature, the tattoos on her arms and the bright colours of her blouse.

Mipetraka eo ambony tady fandriana ity vehivavy miakanjo marevaka ity ary manamboatra sarivongana amin'ny tanimanga hilalaovan'ny zafikeliny amin'ny fetibe hoavy. Mandoko ny aingam-panahiny avy amin'ny voaary izy ataony amin'ny tombokavatsa amin'ny tanany sy ny loko marevaka amin'ny akanjony.

 

Like William Wordsworth's Solitary Reaper, the lady reaps the paddy alone. Her bright costume stands out in the sea of yellow.

Toy ilay Mpijinja Manirerin'i William Wordsworth, dia mijinja irery ny akotry ity vehivavy ity. Miavaka ao anatin'ny ranomasin'ny loko vony ny akanjony mamirapiratra.

 

When her friend joins her, it seems like a competition between the traditional dress she is wearing and the modern dress her mate is adorning. Both the colours burn bright in the yellow field.

Rehefa nankeo aminy ny namany dia tahaka ny manao fifaninanana ny fitafy nentin-drazana nentiny sy ny fiakanjo maoderina ankafizin'ilay namany. Samy manjelanjelatra anivon'ny saha mavo ny loko marevaka entin'izy roa.

 

The coming together of the community for a bountiful catch is a moment to watch.

Fotoana tsara jerena ny fiarahan'ny fokonolona manihika.

 

The joy of working together and sharing the catch – there’s plenty to learn from them.

Fifaliana anaty fiarahana miasa sy ny fizarana ny haza – feno dia feno ny zavatra azo ianarana avy amin-dry zareo.

 

The catch is enough for everyone.

Ampy ho an'ny rehetra ny haza.

 

It's the marriage season and the ladies show off their ornaments.

Vanim-potoanan'ny fampakaram-bady izao ka mamoaka ireo ravaka ananany ny vehivavy.

 

Mirror! Mirror! Who is the fairest of all?

Ry Fitaratra! Ry Fitaratra! Iza no tsara indrindra?

 

Tell me if I don't look good.

Ilazao aho raha tsy kanto jerena.

 

And they don’t even leave the legs. They are laden with the silver ornaments.

Ary tsy ataon-dry zareo afa-bela ihany koa ny tongotry ry zareo. Ataony mivesatra ravaka volafotsy ihany koa.

 

Like the beautiful patchwork in their dresses, the colours chosen by Ranas form a melange of vivid colours inspired by nature.

Tahaka ny hakanton'ny sanganasan-dry zareo amin'ny fitafiany, ny loko marevaka isafidianan'ny Rana dia nakana aingam-panahy avy amin'ny natiora.

 

The young ones, careless and carefree, play and roam around the village. Their smiles are precious and innocent.

Ny zaza, sady tsy voakarakara no tsy mikarakara tena, kosa dia milalao sy mivezivzey manodidina ny tanàna. Sarobidy sy tsy manantsiky ny tsikin-dry zareo.

 

Whether the young ones will follow the footsteps of their forefathers and conserve the rich culture – the future will decide.

Hanaraka ny dian'ny razambeny ve ireto zaza ireto ka hitahiry ny kolontsain-dry zareo  – ny hoavy no mamaritra izany.

Ny sary rehetra dia nahazoana alalana. Misy endrika iray amin'ity tantara ity navoaka tao amin'ny blaogy Voice of Tharus.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.