Antoko Mpihira Puerto Rikana Mitondra Fifaliana Kely eny an'Habakabaka

Talanjona ireo mpandeha tamin'ny zotra an'habakabaka iray avy ao Ekoatera rehefa nandre ireo mpiara-mandeha aminy sasantsasany—izay antoko mpihiran'ny Oniversiten'i Puerto Rico ao Cayey—nihira a capella ny Amanecer borincano (Masoandro Miposak'i Borinquen) rehefa hitody tao Puerto Rico ry zareo. Borinquen na Borikén no anarana iantsoan'ireo vahoaka vazimba teratany Taíno ny nosy.

Nandrakitra ny fotoana ny mpandeha sasantsasany, ary dia nalaza tao amin'ny media sosialy ny lahatsary.

Misedra krizy ara-toekarena henjana dia henjana i Puerto Rico amin'izao fotoana izao, sy miaritra haintany mahatsiravina. “Amanecer borincano,” nosoratan'i Alberto Carrión, dia miresaka ny hankaton'ny nosy sy ny vahoaka ao aminy, ny fomban-drazany, ny fanantenana, ary ny hoavy.

Ity antoko mpihira ity no nisolo tena an'i Puerto Rico tamin'ny hetsika mozikaly iray tao Ekoatera.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.