Misy krizy ara-politika hafa ve miotrika ao Guinea-Bissau?

Guinea Bissau's parliament.  Photo:  Flickr by Colleen Taugher cc-by-2.0

Parlemantan'i Guinea Bissau. Saripika: Flickr avy amin'i Colleen Taugher. CC 2.0.

Ampangain'ny praiminisitr'i Guinea-Bissau Domingos Simoes Pereira ho “minia manao izay hampitriatra ny governemantany amin'ny alalan'ny fambolena krizy politika amin'ny fialana bala handroaka ny rehetra” ny Filohan'ny firenena, Jose Mario Vaz. Nivoady ny Praiminisitra hampiasa “ny fomba rehetra ara-dalàna” hisorohana ny fandravana ny governemanta misy ankehitriny. Tamin'ny alalan'ny kabary ho an'ny firenena i Simoes Pereira ni niangavy ny vahoakan'i Guinea-Bissau ho “tony”:

Ampangain'ny Praiminisitra Guinea-Bissau ho te-hitady handrava ny governemanta ny Filohan'ny Repoblika.

Ny blaogy Progresso Nacional izao dia niantso ny Filoha Mario Vaz “hiala mialoha ny rahampitso” (7 Aogositra 2015), tamin'ny filazana fa “tonga ao amin'ny firenena miteny portiogey ny lohataona arabo.”

CHEGOU A PRIMEIRA PRIMAVERA ÁRABE NUM PAÍS LUSÓFONO ILUSTRES LEITORES AMANHÃ VAMOS ASSISTIR A PRIMEIRA PRIMAVERA ÁRABE NUM PAÍS LUSOFONO SI KILA KA ACONTECI NÔ NA DITA KU NÔ MAMÉ O PROBLEMA É SÉRIO MAS MUITO SÉRIO!!!! Publicada por Progresso Nacional à(s) 22:03

Tonga ao amin'ny fireena miteny portiogey ny lohataona Arabo voalohany. Ry mpamaky malala, rahampits isika hanatrika ny Lohataona arabo voalohany ao amin'ny firenena iray miteny portiogey […] Matotra ity, tena matotra!!!

Nilaza ny ahiahiny amin'ny tsy fifanarahan-kevitra eo amin'ny andrim-panjakana ao amin'ny governemanta gineana ny Vondrona Afrikana ary niangavy ny roa tonta “hanao izay isian'ny fifanarahana amin'ny fandravonana ny filàna hisian'ny firindrana mandalo fifampiresahana”, hoy i Ovidio Pequeno, solontenan'ny Vondrona Afrikana ao Bissau.

Guinea-Bissau: Manahy amin'ny tsy fifankahazoana teo amin'ireo mpitarika ireo ny Vondrona Afrikana.

Nisamonomonona ny Gineana mpisera Twitter tamin'ny fivoaran'ny krizy tao amin'ny fireneny:

Tahin'Andriamanitra i Guinea-Bissau malala. Hita avy eto ny lokon'ny hoavy!

Ny hafa mihevitra izany ho fanaon-jaza eo amin'ny politisiana :

Toetran-jaza ara-politika ao Guinea-Bissau.

Ilay avy ao Timor Atsinanana nahazo ny loka Nobel José Ramos-Horta nilaza ny vaovao avy any Bissau ho “mampitaintaina,” sy mandresy lahatra fa “tsy ilaina ny mandroaka ny governemanta”:

Taloha ny miaramila dia nanana anjara toerana lehibe sy matetika tamin'ny fitantanana an'i Guinea-Bissau, ao anatin'ny olona amin'ny mpanao trafikan-drongony mahery vaika sy ny fanonganam-panjakana tamin'ny 2010 sy 2012. Hatramin'ny herintaona, hatramin'ny niasan'ny filoha Domingos Simoes Pereira tao amin'ny biraom-panjakana tamin'ny 2014, dia nianoka fandriampahalemana azo iafiana ny firenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.