Mamoaka Gazety Amin'ny Fiteny Maya Ny Gazety An-tsoratra Meksikana

Imagen de la edición de La Jornada Maya publicada en Twitter por @YUCATANALMINUTO.

Sarin'ilay gazety La Jornada mivoaka isan'andro amin'ny fiteny Maya any Meksika, navoakan'ny @YUCATANALMINUTO tamin'ny Twitter.

Vao haingana ny gazety La Jornada , iray amin'ireo gazety an-tsoratra lehibe any Meksika, no namoaka votoaty amin'ny fiteny Maya. Havoaka isan'andro io any Mérida, renivohi-panjakanan'ny Yucatán, ao atsimo-atsinanan'i Meksika.

Araka ny Ivon-toerana Nasiônalin'ny Antontanisa sy ny Jeôgrafia ao Meksika , ny fiteny Maya no faharoa be mpampiasa indrindra amin'ny fiteny teratany eo amin'ny firenena, misy mpiresaka manodidina ny 800.000 isa, aorian'ny Náhuatl. Ankehitriny, afaka hita any amin'ireo fanjakana Meksikana aoYucatánCampecheQuintana RooTabasco, ary Chiapas ireo vahoaka betsaka indrindra miteny Maya.

Milaza ilay ivon-toerana fa ao Meksika,  vahoaka manodidina ny 6,6 tapitrisa, izay manome ny 6,5 isanjaton'ireo vahoaka Meksikana ny taona 2010 no miresaka amin'ny fiteny teratany, fihenàna hatry ny taona 1930, izay nahitàna 16 isanjaton'ny mponina.

Ampiasaina ihany koa ny fiteny Maya ao amin'ireo firenena ao Amerika Afovoany any Belize sy Goatemalà. Tafiditra amin'ny lovan'ny kolontsaina Maya io, izay nalaza be tamin'ny harenan'ny literatiorany sy ny fahaizany mamorona fotodrafitrasa, toy ny Tikal any Goatemalà sy Chichen Itza any Meksika..

Izany no nahatonga ny La Jornada nanao ny famoahana vaovao amin'ny fiteny Maya:

Con dos plataformas, una digital y otra de papel, la franquicia más reciente del periódico nacional La Jornada se publica con la intención de responder a las necesidades informativas de la sociedad yucateca, cambiante, diversa y culta, con todas las herramientas del periodismo.

Echamos mano de la noticia que no se conforma con la versión oficial, sino en presentar todos los ángulos de los hechos; la perspectiva editorial insistirá en dar voz a movimientos y actores sociales; la vocación del periodismo crítico; la crónica que narra hechos sin perder capacidad del asombro; el reportaje que profundiza y cuestiona; la entrevista que indaga y sostiene diálogos inteligentes y amenos con los actores políticos, sociales y culturales; el editorial, el artículo y la columna rigurosos e independientes.

Miaraka aminà sehatra roa, ny iray nomerika ary ny iray natao an-tsaratasy, tamin'ny fampiasana ireo fitaovana rehetran'ny fanaovan-gazety, navoaka miaraka amin'ny finiavana ny hamaly ny filàna samihafan'ny vondrom-piarahamonina Yucatan, miovaova ary liam-pianarana, ny fanontàna farany indrindra tamin'ilay gazety nasiônaly La Jornada.

Tsy miresaka ireo vaovao mifanaraka amin'ny tantara ofisialy izahay, fa aleonay mitatitra ny zava-misy avy amin'ny lafiny rehetra ; miompana kokoa amin'ny fanomezana feo an'ireo hetsika sosialy sy ireo olo-malaza ny famoahana; ny asan'ny fanaovan-gazety mitsikera, ny fisian'ny toetra fahaizana milaza tantara manaitaitra foana, ireo tatitra mankany amin'ny lalindalina kokoa ary mametraka fanontaniana, ny tafatafa miaro fikarohana, ary ny fitazonana resaka amam-pahaizana sy mahafinaritra amin'ireo olo-malaza ara-politika, sosialy, ary kolontsaina; ny mpamoaka lahatsoratra, ny lahatsoratra ary tsangànana marina sy tsy miankina.

Nanontany ny nahatonga ny fandraisana andraikitra hizara io gazety an-tsoratra mivoaka isan'andro io amin'ny fiteny Maya ny vohikala Chilam Balam:

Un periódico diario editado en lengua maya y en español, destinado a toda la Península de Yucatán… ¿Es esto en verdad posible? En un contexto donde la cultura maya se ha usado sólo para “vender” turismo, en un contexto social donde la gente la han avergonzado de declararse maya y las instituciones educativas menosprecian nuestra cultura y especialmente nuestro idioma ¿es esto en verdad posible?

Gazety mivoaka isan'andro amin'ny fiteny Maya sy Espaniola, natao ho an'ireo Saikinosy Yucatan manontolo. Tena azo atao tokoa ve io? Anatin'ny vanim-potoana iray hoe nampiasaina “hivarotana” fizahantany fotsiny ny kolontsaina Maya. Amin'ny lafiny sosialy izay nahatsapan'ny olona ho menatra hiantso ny tenany hoe Maya, ary ireo ivon-toerana fampianarana mijery ambany amin'ny kolontsainantsika, ary indrindra, ny fitenintsika, tena afaka atao tokoa ve io?

Nanipika toy izao i Enrique Martín Briceño, mpahay momba ny fiteny, ny amin'ny maha-zava-dehibe ny famoahana gazety amin'ny fiteny Maya:

Todavía hoy son muchos los que ignoran que el maya yucateco es un idioma –como el español, el náhuatl, el inglés y el chino– y que lo hablan más de 800 mil personas en Yucatán, Campeche y Quintana Roo. Muchos son también los que no saben que el maya peninsular es la lengua indígena mexicana con el mayor número de hablantes y que cuenta con una importante literatura colonial y una floreciente literatura contemporánea (el Premio Nezahualcóyotl de Literatura en Lenguas Mexicanas 2014 lo obtuvo la narradora maya Sol Ceh Moo).

Hatramin'izao ankehitriny izao, maro ireo tsy mahalala fa fiteny ny Maya Yucatan, toy ny Espaniola, Náhuatl, Anglisy, ary Shinoa, ary ny zava-misy hoe misy mpiteny mihoatra ny 800.000 any Yucatán, Campeche ary Quintana Roo. Maro ihany koa ireo tsy mahalala fa ny Saikinosy Maya no fiteny teratany Meksikana manana mpiteny betsaka indrindra, ary manana literatiora betsaka momba ny fanjanahantany izy io, ary miroborobo ny literatiorany maoderina (ny mpitantara angano Maya, Sol Ceh Moo, no nahazo ny loka Nezahualcoyotl tamin'ny Literatiora amin'ny Teny Meksikana ny taona 2014.

Nanampy izao ihany koa izy:

Así pues, en una región donde la lengua maya tiene tal número de hablantes –no se trata de una lengua minoritaria, sino de una lengua minorizada–, en una zona donde la cultura indígena tiene tal vitalidad –y no solo en el medio rural: Mérida y Cancún son en gran medida mayas–, la presencia del idioma y la cultura originarios no puede reducirse al ámbito familiar y a los contados espacios públicos que hasta ahora se les han otorgado.

Noho izany, ao amin'ny faritra manana mpiteny Maya maro be toy izany, tsy miresaka momba ny fitenin'ny vitsy an'isa isika , fa kosa fiteny iray natao an-jorom-bala. Ao amin'ny faritra iray izay velona tokoa ny fiteny teratany, ary tsy hoe any ambanivohitra fotsiny – ao anatin'ny ampahany lehibe amin'i Maya i Merida y Cancun – tsy tokony ho ferana eny anivon'ny fianakaviana na ireo toerana vitsy ho an'ny daholobe, izay nanome toerana azy hatramin'izao, ny fisian'ny kolontsaina sy fiteny tena niandohana.

Nankalaza ny fidirana an-tsehatr'ilay gazety an-tsoratra nivoaka ilay mpampiasa Twitter Martin del Mar:

Tonga any amin'ny Saikinosy Yucatan ny gazety Meksikana tsara indrindra: havoaka any Mérida manomboka androany ny La Jornada Maya. Arabaina!

Nilaza i Chakz Armanda fa ho iray amin'ireo mpandray anjara ao izy:

Manomboka any Yucatán ny gazety La Jornada Maya, izay itondrako anjara biriky matetika. Alaivo izao ny gazetinao tsy aloa vola!…

Gazety mandeha be sy be mpamaky ny gazety natao ho an'ny firenena manontolo ny La Jornada, miaraka amin'ny fijery mitsikera ny governemanta, ampilaharina foana amin'ny kabarin'ireo antoko politikan'ny firenena izay milaza azy ireo ho “elatra havia”, ao anatin'ireo, ny Antokon'ny Revolisiôna Demôkratika, ary ilay antoko vao haingana indrindra Hetsika Fahateraham-baovao Nasiônaly. Sasantsasany amin'ireo fikambanana izay mifandray amin'ny fanontàna nasiônaly an'ilay famoahan-gazety ny Clarin (Chile) sy ny BBC (Royaume-Uni).

Amin'ny dingana manarak'ilay fanapariahan-gazety, mikendry ny hanakatra ireo fanjakana ao Quintana Roo sy Campeche, any atsimo-atsinanan'ny firenena ny La Jornada Maya. Raha miroborobo io, io no ho lasa iray amin'ireo fandraisana andraikitra mahaliana indrindra, izay noraisina mba hitandroana sy hanomezana lanja ny fiteny Amerindiana izay efa mitady hitotongana tsy hisy hampiasa — ary mety ho faty mihitsy aza.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.