Vitan'ny tambajotra sosialy ny nampihetsi-po olona hanao zavatra ao Myanmar ravan'ny tondradrano

Inspecting the flood situation in the town of Bago. Photo from the Facebook page of Aung San Suu Kyi

Mitsidika ny tanànan'i Bago mijery ny toetry ny tondra-drano. Saripika avy amin'ny pejy facebook an'i Aung San Suu Kyi

Naha-tra-boina olona efa ho 330.000 amin'ny fanjakana 12 sy namotika toeram-pambolena an-tapitrisany hekitara ny tondra-drano ao Myanmar, nateraky ny fotoana manorana andro maromaro sy ny rivodoza Komen. Ity no voina voajanahary nidadasika indrindra nahazo ny firenena hatramin'ny namonoan'ny rivodoza Nargis olona mihoatra ny 100.000 tamin'ny 2008. Saingy tsy nitovy tamin'ny 2008 izay niankinan'ny vahoaka tanteraka tamin'ny vaovao alefan'ny governemanta, dia afa-nanaramaso ny toetry ny tondradrano tamin'ny alalan'ny tambajotra sosialy ny mponina maro amin'izao fotoana izao.

Chit Win, mpianatra maka ny PhD ao amin'ny Oniversite Nasionaly Aostraliana, nahita ny fomba ahafahan'ny olona manamarina ny fiantraikan'ny tondradrano amin'ny alalan'ny tambajotra sosialy:

During Cyclone Nargis we knew very little and were told very late about the situation and how the disaster was being handled. This time the flood is being covered minute-by-minute via social media and we can see how authorities have responded, for better or for worse.

Nandritra ny rivodoza Nargis dia kely dia kely no fantatray ary tratra aoriana izahay vao nilazana ny toe-draharaha sy ny fomba hiatrehana ny voina. Tamin'ity indray mitoraka ity kosa dia isa-minitra no misy tatitra amin'ny alalan'ny tambajotra sosialy ary hitanay ny fomba famalin'ny manampahefana, na ho amin'ny tsaratsara kokoa na ho amin'ny ratsatsy kokoa.

Ankilan'ny fanomezam-baovao haingana dia haingana momba ny tondra-drano, dia nahatonga ny maro hanolotra fanomezana na nanomana hitondra ny fanampiana mihitsy koa aza ny tambajotra sosialy. Ny sasany amin'ireo diezy Twitter malaza hanetsehana mpirotsaka an-tsitrapo dia ny #MyanmarFlood sy ny #SaveMyanmar.

Ma Khin Zar Mon, mpirotsaka an-tsitrapo iray tao amin'ny vondrona Facebook Vahoaka mankany amin'ny vahoaka, nankatò fa niely tokoa ny fampiasana ny tambajotra sosialy amin'izao fotoana izao raha oharina amin'ny tsy fisian'ny fitaovana an-tserasera fampiasam-bahoaka tamin'ny 2008:

We did not have so many volunteer groups at that time. This year, there are a lot of volunteers who are coming out to help people. Of course, social media is the main part.

Tsy mbola nanana vondrona mpanolo-tena maro izahay tamin'izany fotoana izany. Tamin'ity taona ity dia maro ny mpirotsaka an-tsitrapo izay nivoaka hanampy ny olona. Mazava loatra fa nanana anjara lehibe tamin'izany ny tambajotra sosialy.

Tamin'ny alalan'ny tambajotra sosialy ny nahafahan'ny tra-boina nitaraina tamin'ny fahelan'ny famoahana ny fanampiana. Nisy lahatsary iray malaza tamin'ny Facebook nampiseho ny fanarian'ny miaramila ireo fitaovana natao hanampiana ny olona tamin'ny alalan'ny fandatsahana gonim-bary amin'ny fotaka sy ny rano.

Tao amin'ny Facebook ihany koa no nanaovan'ny governemanta fialantsiny noho ny fahadisoana :

We feel very sorry to learn that some relief items fell into the mud, and some [sacks] were broken. We are trying not to repeat that kind of incident.

Malahelo tokoa izahay nandre fa niajera tany amin'ny fotaka ireo fitaovana sasantsasany, ary misy ireo gony sasany vaky nitriatra. Hiezaka izahay tsy hamerina intsony ny zavatra tahaka izany.

Mandritra izany fotoana izany, misy mpiasam-panjakana iray avy ao amin'ny departemantan'ny fitarihan-drano lasa nalaza tamin'ny fandefasana vaovao tsy mitsahatra momba ireo fefiloha ho fanoherana ireo tsahotsaho an-tserasera izay manombana fa vaky ny maro amin'izy ireny.

Tamin'ny fotoana nanoratana dia manana mpanaraka 24000 ao amin'ny Facebook.

Map of flooded regions in Myanmar

Sarintanin'ny faritra tondraky ny rano ao Myanmar. Biraon'ny Firenena Mikambana misahana ny fandrindrana ny raharaham-panampiana

Efitra ho amin'ny firaisankina

Mandritra izany fotoana izany, misy ireo sasantsasany nahaforon-javatra amin'ny fandefasana fanampiana ho an'ireo tra-boina, tahaka ity tantsambo taloha ity izay nanangana sambokely vita amin'ny tavoahangin-drano efa foana:

Taozavatry ny tantsambo taloha ho fiezahana hanampiana an'i Myanmar

Ny sariitatra eto ambany dia mitaratra ny fihetseham-pon'ny maro : misy fahatsapana firaisankina etsy ankilany nefa eo koa ny fahadisoam-panantenana amin'ny fahelan'ny valiny avy amin'ny governemanta.

Manome tanana hamonjena

Mieritreritra aho fa efa madio ny morontsiraka amin'izao!

Voina nataon'olombelona amin'ny ampahany

Ny fahasimban'ny tontolo iainana no fototry ny fahenjanan'ny tondradrano ao Myanmar. Saingy araka ny fanazavan'i Ko Aye Chan Maung, mpianatra iray hafa ao amin'ny Onivesite Nasionaly Aostraliana, maro ny zavatra azo natao hanalefahana ny fiantraikan'ny safodrano.

Deforestation, unsustainable land-use practices, damming projects and lack of policy initiatives for disaster risk management have compounded the effects of these latest torrential rains.

Damming rivers and streams and blocking natural water ways contributed to unlikely floods in some parts of the country. This has worsened because of a lack of well-planned risk management strategies.

Fandripahana ala, fomba fampiasana ny tany tsy mitsinjo ny hoavy, tetikasam-pefiloha sy tohodrano ary ny tsy fahampian'ny politikam-pandraisana an-tanana amin'ny fifehezana ny voina no nifangaro tamin'ny fiantraikan'ny oram-baratra farany teo.

Niteraka safodrano tamin'ny faritra sasany ao amin'ny firenena ireo fefilohasy tohodrano ary ireo sakan-drano voajanahary. Niharatsy izany satria tsy ampy ny teti-panorona tsara rafitra hifehezana ireo risika mety hitranga

Tahaka ny tamin'ny 2008, kinga tamin'ny fandefasana vonjy voina tamin'ireo faritra niharam-boina ny fiarahamonina iraisampirenena tao anatin'ny andro vitsivitsy izao. Nanao antso isian'ny fanampiana bebe kokoa hanombohana ny fananganana ireo tanàna kely rava ny mpitarika ao amin'ny fanoherana Aung San Suu Kyi :

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.