“Omeo anay ny sainanay!”: Fahatezeran'i Madagasikara tamin'ny lalaon'ny ranomasimbe indiana 2015

Marthe Ralisinirina nanandratra ny sainan'i Madagasikara nandritra ny lanonam-panomezana meday tamin'ny lalaon'ny nosin'ny Oseana Indiana 2015. (Pikantsary avy amin'ny lahatsary)

Fanavaozam-baovao (7 Aogositra amin'ny 6 ora GMT): Taorian'ireo fifanenjanana misesisesy teo amin'ny komity mpikarakara sy i Madagasikara dia nanambara ny fampitam-baovaon'ny Filohan'i madagasikara (izay niala tsiny taty aoriana fa diso fandray ny toromarika) fa Hisintaka tsy handray anjara intsony amin'ireo ambin-dalao i Madagasikara (saingy tsy mahafantatra izany ny mpilalao sy ny mpandray anjara fa nanohy hatrany ny lalao sy ny fifaninanana).

Noheverina ho fanandratana ny finamanana sy ny mpanao fanatanjahantena ny Lalaon'ny Nosin'ny Ranomasimbe Indiana andiany 2015 notontosaina tao amin'ny nosy la Réunion. Saingy mila ampahatsiarovina an-dry zareo hatrany izany raha ny hita tamin'ireo lesoka ara-pitantanana maro dia maro sy ny fanosihosena ny hasin'ny firenena izay niteraka fandranitana fitiavan-tanindrazana sy fiampangana mitady hanao fanjanahana vaovao avy amin'ny “firenena” mpampiantrano.

Efa nisy ihany ny Lalaon'ny Nosin'ny Ranomasimbe Indiana izay nanomboka nanodidina ny taona 1976 tany ho any. Fanatanjahantena isan-karazany no ifaninanan'ireo atleta avy amin'ny firenena fito eto amin'ny Oseana Indiana isaky ny efa-taona ahitana an'i —Maorisy, Seychelles, Kaomoro, Madagasikara, Mayotte, Réunion, Maldiva—ny tanjon'ny lalao dia ny hampiroboroboana ny fiarahamiasa rezionaly, hampivelatra ny fanatanjahantena ary hanangana fifankahazoana araka ny tarigetran'ny lalao Olaimpika. Maro amin'ny mpanara-baovao anefa no te-hiteny fa ny kely indrindra no ataon'ny andiany 2015 amin'ity lalao ity amin'ny fanatrarana ireo tanjona ireo.

Tamin'ny 7 aogositra nandritra ny lanonana fanolorana meday hita tamin'ny sombin-dahatsary no niteraka sahotaka indrindra ary nahatonga ny fisian'ny antsom-pitiavan-tanindrazana nahahenika ny vondrom-piarahamonina an-tserasera nanerana an'i Madagasikara (“Omeo anay ny sainanay!” araka ny hiakan'i William Wallace : Afa-manaisotra amintsika ny aintsika ireo fa tsy ho afa-maka na oviana na oviana ny fahafahantsika) . Ilay Malagasy Marthe Ralisinirina,nandrombaka ny fandresena tamin'ny hazakazaka 3000m misy karazam-pefy, raha niakatra ny lampihazo handray ny meday volamenany, no nampakatra ny sainan'ny fireneny tambonin'ny lohany. Catherine Paoli, mpikambana iray ao amin'ny komity mpikarakara, no nihazakazaka nankeny amin'ny lampihazo ary nanendaka ny saina teny an-tanan-d Ralisinirina. Indro ny lahatsarin'ny tranga niseho :

Nanazava taorian'izany i Paoli fa ny fitsipika ofisialy no mandrara ny fampisehoana izay faneva rehetra ankilan'ny saina olaimpika eo amin'ny toeran-danonana. Naverina tamin-d Ralisinirina ny saina rehefa voatolotra ny meday.

Saingy tsy nampitony ny jerena ho fanimbazimbana ny fanevam-pirenen'i Madagasikara izany fanazavan'i Paoli izany. Ary vao maika niteraka fahatezerana fanampiny io toe-draharaha io rehefa tsikaritra fa narangaranga tamin'ny lanonam-panoloran-doka azon'ny atletan'i Mayotte ny sainam-pirenena frantsay.

Screen Capture of  athletes from Mayotte raising the French flag at medal ceremony

Pikantsarin'ny atleta avy ao Mayotte nanandratra ny saina frantsay nandritra ny lanonam-panolorana meday

Efa mampiroanahana ihany ny toerana misy an'i Mayotte na dia nialoha ny nanombohan'ny lalao aza. Zaratany frantsay i Mayotte (tahaka ny nosy la Réunion), saingy ao anatin'ny vondro-nosy Kaomoro ihany koa, koa efa nisy ny marimaritra iraisana notinapaka, fa ho eo ambany fanevan'ny saina sy hira olaimpika i Mayotte. Nanambara ny komitin'ny lalao fa amin'ity hetsika 2015 ity kosa, dia hifaninana eo ambany faneva sy hiram-pirenena frantsay ny mpilalao fanatanjahatenan'i Mayotte rehefa eo amin'ny fotoanan'ny matso fanokafana. Novalian'i Kaomoro tamin'ny fisintahana tsy hifaninana izany fibolisarana izany.

Taorian'ny fifanenjanana tamin'ny Kaomoro, nampidirina haingana ny arofenitra vaovao mandrara ny saina sy ny hiram-pirenena rehetra mandritra ny lanonan'ny fanolorana meday. Amin'ny lanonam-panatanjahantena izay heverina ho fanehoana ny voninahim-pirenena, nampivalaketraka ny mpanara-baovao maro ny fanapahan-kevitra. Araka ny nametrahan'i Nassimah Dindar, mpikambana ao amin'ny vaomiera rezionalin'i Réunion azy toy izao :

Au nom de quoi peut-on demander à des sportifs français, mauriciens, maldiviens, malgaches, seychellois, ou, s’ils étaient présents, comoriens, de camoufler leurs symboles nationaux alors même qu’ils en sont les porte-drapeaux et qu’ils font la fierté de leurs concitoyens ?

Amin'ny lalàna manao ahoana moa izany no itakiana ireo mpanao fanatanjahantena frantsay, maorisiana, maldiva, Seisheloà ary komoriana hanafina ny mariky ny fireneny nefa ry zareo indrindra no mpitondra ny fanevam-pirenena sady reharehan'ny mpiray tanindrazana aminy?

Anisan'ny fanalam-baraka nahazo ny ekipan'i Madagasikara ihany koa ny tsy nahazoan'ny atleta malagasy maro visa ara-potoana hanatrika [handray anjara amin'ny] ny lalao ary teo ihany koa ny fianakavian'ny atleta tsy navela hiditra tao amin'ny lanonam-panokafana. Misy koa ireo manampahefana Malagasy nosakanana tsy hiditra ao amin'ny kianjabe. Tsy navela hiditra tao amin'ny fisotroana kafe natao ho an'ny atleta ihany koa ny atleta sasantsasany avy ao Maorisy sy Seychelles.

Ampy nahazoan'ny fahatezerana vahana ny tato amin'ny serasera ka nahatonga ny fitsanganan'ny fanangonantsonia iray mitaky fialantsiny amin'ny fomba ofisialy avy amin'ny governemanta frantsay sy fitakiana fisintahan'i Madagasikara avy hatrany amin'ny Lalao.

Ny fanangonan-tsonia sy ny fahatezerana no nanery ny governemantan'i Madagasikara hitaky fialantsiny amin'ny fomba ofisialy avy amin'ny mpanomana ny Lalao sy avy amin'ny governemanta frantsay ihany koa.

Tamin'ny 7 aogositra ny mpanomana ny lalaon'ny nosin'ny ranomasimbe indiana no nandefa taratasim-pialantsiny amin'ny fomba ofisialy tamin'ny minisitry ny fanatanjahantena malagasy.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.