Hilalalala sa tsy hilalalala hoan'ny filoha Obama? Mifanontany ny Kenyana

Kenyan TV host and anchor Julie Gichuru. Creative Commons photo by the World Trade Organisation.

Julie Gichuru, Kenyana mpanentana sy mpanolotra fandaharana amin'ny Fahitalavitra. Sary Creative Commons avy amin'ny  World Trade Organisation (Fikambanana Iraisampirenena momba ny Varotra).

Niarahaba ny filoha Amerikana Barack Obama tonga soa tamin'ny Zaikaben'ny Fandraisan-Draharaha an-tanana Manerantany tamin'ny fihetsika miavaka i i Julie Gichuru: Nilalalalam-pifaliana izy raha nandray azy nandritra ny fitsidihany ofisialy tao Kenya.

Mahazatra ao Afrika ny milalalala (kiririokam-behivavy amin'ny lelany fahitantsika amin'ny Sakalava vavy rehefa miantsa) rehefa miarahaba am-pifaliana, misaona na manao izay itodihana. Mampiseho an'i Gichuru mihiaka ity lahatsary Youtube eto ambany nalefan'ny fandaharana Citizen TV ity:


Nandrehitra adihevitra antserasera raha antonona ilay fotoana ny lalalala nataony na tsia. Manohana mafy azy ny sasany raha tsy izany kosa ny hafa.

Taorian'ny fandefasana ny vaovaon'ny lalalalany tao amin'ny habaka Kenya Today, niditra aterineto ny mpamaky mba haneho ny fijeriny.

Nankafizin’ i Eve ilay fihetsika :

she is an African woman.
I liked it too.

Vehivavy Afrikanina izy.
Tiako koa ilay izy.

Mpamaky iray tsy nitonona anarana nanontany hoe:

Whats wrong with ululating? I thnk it was a very unique way of welcoming the heads..its different from the usual official ways….sometimes its good to appreciate we are Africans and this is part of us! Stop hating!

Inona no maharatsy ny milalalala? Mino fa fomba tokana handraisana olobe izany..hafa noho ny fomba mahazatra fahita… indraindray mba tsara koa ny mankasitraka fa Afrikana isika ary ao anatintsika izany! Atsaharo ny fankahalana!

James Mathu nanamarika hoe:

I liked it.It’s African and I dont think President Obama took offense to it.I bet he wanted to know about it’s origin and meaning.

Tiako ilay izy. Fihetsika Afrikanina izany ary tsy mino aho fa raisin'ny filoha Obama ho fanevatevana ilay izy. Sahiko ny miloka fa hitady ny niaviany sy ny dikany izy.

Wakisome nieritreritra fa ao anatin'ny kolontsaina afrikana ny zavatra nataony :

it depends on which angle you look at it. infact the African way of appreciating our kings, heroes and heroins to the podium is through ululation. it is very African and I remember her saying to do it African way. I mean what’s wrong with that? I think she right.

Miankina amin'ny zoro ijerenao azy ihany io. Ny zavanisy ny fomba afrikana hankasitrahana ny mpanjaka, ny maherifo teny amin'ny lampihazo dia tamin'ny alalan'ny lalalala. Afrikana madiorano izany ary tsaroako izy nilaza azy io ho fomba afrikana. Milaza aho hoe inona no tsy nety tamin'ilay izy? Mieritreritra aho fa nety ny nataony.

Mimi niteny fa voasasan'ny imperialista atidoha izay mitaraina amin'ilay izy :

These complainants Guchurus welcome is a direct evidence of how western cultural imperialism has brainwashed black Africans to turn against their modes of speech and communication. Keep it up Gichuru.

Ireo mimenomenona amin'ny fandraisam-bahiny nataon'i Guchurus no porofo mivantana amin'ny fanasana atidoha ny Afrikana mainty nataon'ny kolontsaina imperialista tandrefana hanoherana ireo fomba firesaka sy fomba fifandraisana fanaony. Asandrato hatrany ry Gichuru a!

Ilay lalalala no nahatonga an'i Onyango ho afa-mirehareha amin'ny vakoka Kenyana sy Afrikana ao aminy:

I liked the way Julie did it, it is unfortunate that some of us are unable to appreciate themselves to the extent that they extend their self-hatred to other people, Julie is Julie and let her be Julie and she cannot be anyone else but herself. She made me proud to be a Kenyan and an African and I appreciate our diversity.

Tiako ny fomba nanaovan'i Julie azy, mampalahelo fa misy ny sasany amitsika tsy mahay mnkasitraka ny tenany ka mamindra ny fankahalany ny tenany amin'ny olona hafa, izay no maha-julie azy ary avelao izy haneho ny maha-julie azy fa tsy afaka ny ho olon-kafa izy. Mahatonga ahy hirehareha amin'ny maha-Kenyana sy Afrikana ahy ny nataony ary ankasitrahako ny fahasamihafantsika.

Ary lasa lavidavitra kokoa i Mimi tamin'ny fanoloran-kevitra fa tokony atao ofisialy io fomba io :

Julie give us more and more of this! Actually, why not make it the official Kenyan welcome style!

Manome zavatra ho antsika hatrany i Julie! Fa maninona moa raha mba ampidirina ho fomba fandraisam-bahiny kenyana amin'ny fomba ofisialy izy io!

Raha miresaka momba ireo mitsikera an'i Gichuru dia nampitandrina i Justus Atuti :

I thought Gichuru did so well and her did was so African, a reflection of who we are as a people. With this level of hatred, Kenya is as good as dead. 2017 is a dangerous year for us all.

Nieritreritra aho fa nataon'i Gichuru tsara tokoa ilay izy ary tena Afrikana tokoa, mitaratra ny hoe iza isika amin'ny maha-vahoaka iray antsika. Amin'izao ambaratongam-pankahalana izao, dia tsara amin'i Kenya ny maty. Taona mampididoza ho antsika rehetra ny 2017.

Saingy, mpamaky iray no nanandratra fa manimba fahasalamana ny milalalala amin'ny micro :

Why must we hide behind culture and tribalism when avoiding correction?Then why do we go to school? Journalists have their ways of doing things and 2 wrap it all,it is health hazard to spat on mike in the name of ululation,just for your good ears to listen. African ululate a lot but this time round,my sister Julie,it was a little bit bad so next time try and change on it. Let’s avoid ths political mood,it has cost Auma to reign where it’s known well as your domain and actually,she won. Wish u better next time my sister Julie.

Fa maninona isika no tsy maintsy miafina ambadiky ny kolontsaina sy ny foko rehefa te-hiala fanitsiana? Ka inona no andehanantsika any an-tsekoly? Manana ny fomba fanaovan-javatra ny mpanao gazety sy ny fomba hamonosany azy, manimba fahasalamana ny miady amin'ny fanamafisam-peo amin'ny fanaovana lalalala, mba handrenesan'ny sofinao azy tsara. Milalalala im-betsaka ny Afrikana saingy tamin'ity indray mitoraka ity ry ranabaviko Julie, tahaka ny tsy dia nety loatra ka amin'ny manaraka miezaha ary ovay ilay izy. Andao ovaina io toe-po ara-politika io fa io no nahatonga an'i Auma hanjaka amin'ny toerana fantatra fa kianjanao ary ny zavanisy dia nandresy izy. Mirary soa anao ho tsara kokoa ranabavy Julie.

Utamaduni nieritreritra fa tsy matihanina ilay izy:

Its all got to with journalists putting aside professionalism to pander to the whims of politicians and its rampant in this country.

Vita ny mpanao gazety mametraka eo anilany ny mahamatihanina azy hiforetana amin'ny sitrapon'ny mpanao gazety sy ny fandadizany amin'ity firenena ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.