Novahan'i Iran tamin'ny ampahany ny fandrarany ny BBC

BBC Persian is a popular news source in Iran. Photo taken by Stuart Pinfold. Flickr CC BY-NC-ND 2.0

LOharanom-baovao malaza ao Iran ny BBC Persian, saingy tsy afa-miasa ao amin'ny firenena iraniana. Saripika nalain'i Stuart Pinfold. Flickr CC BY-NC-ND 2.0

Navoakan'ny sampam-baovao Tasnim ao Iran ny fanambarana nataon'ny Minisiteran'ny Kolontsaina sy ny Fitarihana Islamika amin'ny famahana ny fandrarana ny fiasan'ny BBC ao Iran. Ny Minisitera no tompon'andraikitra amin'ny raharaha anatiny sy ivelany amin'ny resaka fanaovan-gazety ao Iran.

Heno nandritra ny antsafa nifanaovan'ny mpitondratenin'ny minisitera iray tamin'ny Tasnim izany vaovao izany, ka tao no nanambarany fa hisy vondrona mpanao gazety teraka holandey hiditra tsy ho ela ao amin'ny firenena hanao tati-baovao manokana ho an'ny BBC World. Nanambara ihany koa ny mpitodrateny fa tapaka ny hevitra rehefa vita ny fierana tamin'ny sampam-pitsikilovana sy ny polisy.

Nanazava ny minisitera taty aorina nandritra ny antsafa nifanaovana tamin'ny Associated Press (AP) fa vonjimaika ihany ho amin'ny tatitra manokana ataon'ny BBC World izany fiovana izany. Nilaza tamin'ny AP ihany koa ny BBC fa tsy naheno ny fanapahan-kevitra vaovao avy amin'ny governemanta Iraniana ry zareo.

Ny BBC Persiana dia loharanom-baovao an-tserasera sy avy amin'ny zanabolana manana ny lazany eo anivon'ny Iraniana maro ao amin'ny firenena. Voarara hiasa ao Iran ny BBC Persiana hatramin'ny 2009 rehefa noampangain'ny manampahefana ho nandrisika ny hisian'ny rotaka nandritra ny Hetsika Maitso tamin'ny 2009.

Samy nosakanana ao Iran avokoa ny tranonkalan'ny BBC Persiana sy Anglisy. Ny BBC Persiana antserasera no nosakanana voalohany tamin'ny 2006 fa ny onjampeony [sy sary] dia hita any amin'ireo zanabolana tsy ara-dalàna.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.