Kolikoly be volombavan'i Rosia

The mustachioed Richard Mille RM 52-01. Image edited by Kevin Rothrock.

Ny Richard Mille RM 52-01 misy volombava. Sary namboarin'i Kevin Rothrock.

Nisora-panambadiana tamin'ny sipany tao anatin'ny dimy taona antsoina hoe Tatiana Navka ny mpitondratenin'i Vladimir Putin be volombava antsoina hoe Dmitry Peskov, Tatiana Navka. Tahaka ny tsahotsaho amin'ny fahatarataran'i Putin amin'i  Alina Kabaeva, dia tompondaka olaimpika taloha ny vadin'i Peskov vaovao. Io no mariazin'i Peskov fahatelo, ary efa mananjanaka iray izy roa, teraka herintaona lasa izay.

Ny mariazy izay notontosaina tamin'ny asabotsy voalohany aogositra dia raharaha nirentirenty notontosaina tao amin'ny trano fandraisambahiny lafo indrindra ao Sochi. Araka ny tranonkalam-baovao Gazeta.ru (famoahana iray sakaizan'i Kremlin), ny efitra ao amin'ny Rodina Grand Hotel and Spa dia mitetina anelanelan'ny 36.000 ka hatramin'ny 200.000 robla ($580-$3250) isak'alina.

Tamin'io andro io ihany ny Gazeta.ru dia namoaka antsafa mampiadihevitra nifanaovana tamin'ny zanakavavin'i Peskov 17 taona, Elizaveta, izay nanehoany ny mampihazohazo azy manoloana ny mariazy vaovaon'ny rainy sy nanazavany ny fanapaha-keviny tsy hanatrika ny mariazy. Tamin'ny teboka iray ao amin'ny antsafa aza no nilazan'ny zanakavavin'i Peskov fa mahatsiaro any aminy kokoa izy ao Paris, izay onenan'ny reniny, noho ny ao Moskoa na dia nikiry ihany aza ny rainy ny hijanonany any Rosia mandra-pahavitan'ny fianarany. “Mora iainan'ny olon-tsotra kokoa ao Eoropa,” hoy ny fanazavany, ary nampiany, “Ary tiako mihitsy ny toe-tsain'ny Eoropeana mitovitovy taona amiko—ny fomba fiainan'izy ireo. Mahatsiaro an-trano kokoa aho ao Eoropa.”

Mahadikidiky tokoa ny famoahan-dresaka tahaka izany ho an'ny olona ambony ao Kremlin amin'izao fotoana izao izay mampifantoka ny resaka amin'ny olona amin'ny fitotongan'ny toetsaina tandrefana sy ny fanasaziana tsy ara-drariny atao amin'i Moskoa noho ny fanjanahana an'i Krimea.

Iray andro taorian'ny fifanolora-peratra, niditra an-tsehatra tamin'ny fanondrahan-drano an'i Peskov ihany koa ilay Rosiana mpikatroka miady amin'ny kolikoly malaza indrindra antsoina hoe Alexey Navalny, tamin'ny famoahana tao amin'ny tranonkalany ny porofo fa manao famataranandro fanao an-tanana mitentina farafahakeliny $620.000 i Peskov. Ny Richard Mille RM 52-01, izay tarataratra azo sary teo an-tanan'i Peskov, teo am-pamihinana an'i Navka teo amin'ny fotoanan'ny “afa-manoroka azy amin'izay ianao”, dia misanda efa-taona amin'ny karamany. Araka ny fanambaram-pananana sy fidiram-bola nataon'i Peskov, dia tsy nandray fanomezana mitentina vola tahaka izany izy, ary ambany loatra ny vola raisiny ka hahazoany zavatra tahaka izany.

Saripika: Navalny.com.

Nasongadin'i Navalny fa hampifarana hatreo ny lalana ara-politikan'i Peskov io tsikaritra io, raha firenena nangarahara kokoa i Rosia. Tamin'ny Novambra 2013, tany Polonina, ohatra, dia voatery nametra-pialana ny minisitry ny fitaterana Slovomir Novak rehefa nivoaka fa nanana nefa tsy nametraka tao amin'ny fanambaram-pananana nataony famataranandro iray fanao an-tanana mitentina $3.500—izany hoe mbola latsaka in-112 noho ny vidin'ny famataranandron'i Peskov—izy.

Tamin'ny May 2012, taorian'ny fihetsiketseham-panoherana iray tao Moskoa izay nahitana herisetra madinidinika, no nanambaran'i Peskov “ho ampandoavina eo amin'ny arabe izay mpanao fihetsiketsehana mandratra polisy misahana ny rotaka.” Niteny i Navalny fa tokony hahatsiaro ny fandrahonan'i Peskov ny Rosiana manohitra ny kolikoly, ary mahafantatra fa natao ho azy ireo izany fandrahonana izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.