Ho an'ilay Ethiopiana-Amerikana Mpihira Meklit Hadero, ‘Miova Hatrany ny Trano Hodiana’

Meklit Hadero. Photo by Flickr user Shawn Anderson. CC BY-NC-ND 2.0

Meklit Hadero. Saripika avy amin'ny mpisera Flickr Shawn Anderson. CC BY-NC-ND 2.0

Ny lahatsoratra sy ny tatitra radio notaterin'i Monica Campbell ho an'ny The World tamin'ny voalohany dia nivoaka tao amin'ny PRI.org tamin'ny 24 jolay 2015, ary navoaka eto indray noho ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Tahaka ireo mpifindramonina maro ao Etazonia dia tonga tamin'ny toerana iray tsy fantatra ny ankohonan'i Meklit Hadero ka zavatra tokana no mampifandray azy ireo. Ho an'i Hadero, tao Iowa izay nahafantaran'ny rainy olona iray profesora, no nivantanan'izy ireo.

Fiandohan'ny taompolo valopolo tamin'izay fotoana izay ary mbola mahatsapa ny fiantraikan'ny revolisiona 1974 i Ethiopia tamin'izany fotoana izany.

“Betsaka ny fahatsaram-panahy sy fiaraha-miaina tamin'izany fotoana izany,” hoy i Hadero, mpihira sady mpamoron-kira monina ao San Francisco amin'izao fotoana izao. “Nampifanitsy ny fiainanay hifanaraka amin'ity firenena ity izahay. Nanahirana tokoa tamin'izany fotoana izany. Tsy maro mihitsy ny mpifindramonina, raha avahana ireo mpifindramonina avy ao Afrika Atsinanana na Ethiopia.”

Ny marina, mahatadidy izy fa nisy fianakaviana Ethiopiana iray hafa tao an-tanàna. “Henon-dry zareo tany amin'ny saham-boaloboka fa nifindra tany izahay ary nilaza ny olona, ‘Oh, monina amin'ny trano marolafy ry zareo.’ Ary dia nandondona tamin'ny varavarna rehetra ry zareo mandrapahitany anay ary dia mbola mpinamana hatrany izahay mandraka ankehitriny.”

Mpivaro-panafody tsy maintsy nanavao ny fanamarinam-ponenany tany Etazonia ny ray aman-dreniny ahafahany miasa. Ary fotoana lava ny fikarakarana izany. Dimy taona. Ary ny asa azon-dry zareo no nitondra ny fianakaviana Hadero ho tonga any Brooklyn.

Niverina nody niaraka tamin'ny reniny tany Ethiopia izy fony 21 taona, nitondra tao aminy ny vatan-tantara, ahitana ny mamy sy ny mangidy tsy maintsy noresahan'ny fianakaviany nandritra ny taona maro raha nitodika ny fiainana tany Ethiopia. Nilaza i Hadero rehefa tonga tany Ethiopia, fa nanomboka “nahita lavaka maromaro” tao amin'ny tadidin'ny ray aman-dreniny izy.

“Nanomboka nahita mivantana ny olona nobikabikaina an'eritreritra fotsiny aho,” hoy izy. Tsaroany ihany koa ny reniny tsy mitsahatra ny manova hatrany ny “home” [an-tanindrazana] na “back home” [mody an-trano] rehefa manondro an'i Ethiopia sy i Etazonia.

“Home is always in flux” [Miova hatrany ny trano hodiana], hoy i Hadero.

Nisy akony tao amin'ny hiran'i Hadero ireny fivezivezena ireny sy ny fahitana zavatra vaovao hatrany momba ny mozika Ethiopiana ary ahenoana ny akony ao amin'ny rakikirany farany mitondra ny lohateny hoe “We are Alive,”. Hita ao ny “I Like Your Afro,” hiram-pitiavana nentin-drazana amin'ny teny Amharic mitondra ny lohateny hoe “Kemekem,” izay midika hoe “ny Afro tonga lafatra”, navadik'i Hadero ho amin'ny gadona maoderina.

“Hiram-pitiavana mahahendratrendratra tokoa izy ity, izay ahitana tononkira manao hoe, ‘Oh, ry malalako, ao anatin'ny Afro tonga lafatra, monina any an-tampon-kaviana ianao, monina amin'ny farany ambanin'ny havoana aho, mihodikodìna fotsiny dia tadiavo any aho.’”

Ny hirany dia lazainy ho “hira avy any ambanivohitra izay, ao amin'ny fotony ao, misy zavatra azon'ny olona rehetra manerana izao tontolo izao ifandraisana.”

Hitany ihany koa ny tsy fahitan'ny olona hoe aiza no isokajiana an-dravehivavy. “Rehefa mitendry ny hirako ho amin'ny mpihaino mozika manerantany aho, dia lazainy, ‘Oay, jazz-jazz loatra izy izany.’ Rehefa mitendry azy ho amin'ny olona mpankafy jazz aho, dia lazain-dry zareo, ‘Oay, karazana hira pop izy izany.’ Ary rehefa mitendry azy ho an'ny olona mpankafy pop ho dia anontanian-dry zareo hoe, ‘Inona izany?’”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.