6 Taona Taorian'ny Namonjana Azy, Milaza Ilay Rain'ny Bilaogy Iraniana Fa Niova Ho Ratsy Ny Aterineto Ankehitriny

From Hosseing Derakhshan's Flickr page. Some rights reserved.

Lahatsoratra an-gazety iray mampiseho an'i Derakhshan tamin'ny taona 2007. Avy ao amin'ny pejy Flickr an'i Hossein Derakhshan. Voatokana ny sasany amin'ireo zo.

Efa nahare ilay filazana hoe “monina ao ambany vatobe” ve ianao taloha? Mety tanatinà trangan-javatra entina hanesoana angamba, saingy halaivo sary an-tsaina ka raiso ity fomba fijery ity, ampitomboana taona enina, mba hitsikeràna ny toetry ny Aterineto ankehitriny. Izany indrindra no nataon'ilay Iraniana-Kanadiana mpanao gazety sady mpitoraka bilaogy, Hossein Derakhshan, ny herinandro lasa teo, niaraka tamin'ny lahatsorany nivoaka tao amin'ny Medium Matter mitondra ny lohateny hoe “Mila Avotantsika Ny Aterineto: Ilay aterineto manan-karena, mirakitra zavatra samihafa, malalaka izay tiako fahiny- sady nandaniako taona maro tany aminà fonja Iraniana – no an-dàlam-pahafatesana.”

Voafonja nanomboka ny Novambra 2008 ka hatramin'ny volana Novambra lasa teo ny mpanoratra taloha tao amin'ny Global Voices, Derakhshan, noho ny fitorahany bilaogy. Fantatra tamin'ny maha rain'ny bilaogy Iraniana azy izy. Ny anaran'i Derakhshan no matetika re raha manonona ilay fanovàn'ny fitoraham-bilaogy niseho tao Iran tamin'ny fiandohan'ny taona 2000. Tao anatin'ny lahatsorany voalohany amin'ny teny anglisy hatry ny nivoahany ny fonja, mandalina ny fiovan'ny Aterineto hatramin'ny fotoana naha isan'ireo mpanoratra be mpanaraka indrindra ny tenany tao anatin'ny Aterineto Iraniana ny asa soratr'i Derakhshan. Ny tena votoatin'ity lahatsoratra ity dia ny hively ireo olana izay notsikerain'ireo mpisolo vava maro anaty Aterineto tahaka an'i Rebecca McKinnon, mpiara-mamorona ny GV, i Jillian York, mpirotsaka an-tsitrapo mpandrindra ny GV, sy i Zeynep Tufecki – izany hoe, ny fahaverezan'ny herin'ireo orinasa ao anaty Aterineto tahaka ny Facebook, Twitter ary Google.

Tsy maintsy vakiana anio: @h0d3r mikasika ny nialan'ny aterineto avy tamin'ny rohy mankany amin'ny ‘like’ raha nigadra tany Iran aho noho ny fitorahako bilaogy

Ny fanoharana lehibe nentin'i Derakhshan nampita ity hafatra ity dia ny fahitalavitra, mamaritra ny rafitry ny Aterinetontsika ankehitriny ho sahala amin'ny “fahitalavitra-aterineto”.

Saingy ny fijerena mivantana, ireo fampiharana amin'ny finday, sy ireo sary mampihetsi-po: Ireny rehetra ireny dia mampiseho ny fialan'ny boky-aterineto mankany amin'ny fahitalavitra-aterineto. Tahaka ny niala avy taminà fomba fifaneraserana tsy maridrano—ireo “nœuds” fitsinjarana sy ireo tambanjotra ary ireo rohy— isika ka mankany aminà serasera iray maridrano, ahitàna toby sy ambaratongam-pahefana.

Tsy nosainina ho tahaka ny fahitalavitra ny aterineto rehefa noforonina. Saingy, na tiana na tsy tiana, vetivety dia mitovy amin'ny TV izy: maridrano, tsy mihetsika, voalahatra ary tsy natao hojeren'ny hafa. Rehefa miditra ao amin'ny Facebook aho, manomboka ny fahitalavitra voatokana ho ahy irery.

Nofaritan'i Derakhshan ho toy ny loza goavana mitatao amin'ireo fahalalahana anaty aterineto ny fibahanan-toeran'ny media sosialy sy ireo rafitra fanaraha-mason'ireo orinasa miara-miasa aminy, na teo aza ny vidiny lafo dia lafo nasain'ny governemanta Iraniana nalohany ho an'ny zony haneho hevitra malalaka ao anaty aterineto. Raha tsy mitsikera ny pôlitika Iraniana i Derakhshan, dia manao fanamarihana kosa mikasika ny tsy fahafahan'ny firenena tahaka an'i Iran manoatra amin'ity “fahitalavitra-aterineto” vaovao ity.

Ny fisian'ny mpitsikilo dia zavatra tsy maintsy hizarantsika rehetra sy hianarantsika miara-miaina, ary ny mampalahelo dia tsy misy hidiran'ny firenena hitoerantsika izany. Ny somary mampihomehy dia, mahafantatra bebe kokoa ny momba ireo olom-pireneny ireo fanjakana miara-miasa amin'ny Facebook sy Twitter, raha oharina amin'ireo fanjakana tahaka an'i Iran, izay mifehy mafy ny Aterineto saingy tsy manana fidirana ara-dalàna amin'ireo orinasan'ny media sosialy.

Manoritra ireo ahiahy goavana izay mamaritra ny taonan'ny Aterinetontsika ankehitriny, izay efa nohadihadian'ireo mpandinika sy mpiaroka maro, io lahatsoratra io.

Ny ataon'i Derakhshan hahatonga ny lahatsorany hisongadina dia ny fampifandraisany ireo adihevitra amin'ny zavatra niainany manokana, manomboka amin'ireo fanenjehana azy noho ireo hetsika nataony tao anaty aterineto sy ny toerana voafaritra misy azy eo anivon'ny fivoarana nisy teo amin'ny tontolon'ny aterineto Iraniana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.