Gazety Henja-Pisainana Nakaton'i Iran fa Nanohitra ny Fifanarahana ara-Nokleary

Iranian media run the words "shut down" across a cover page of 9 Dey newspaper. Image publish for reuse on banifilm.ir.

Nametrana ny voambolana “fanakatonana” ambonin'ny fonom-pejin'ny gazety 9 Dey ny fampitam-baovao Iraniana. Sary navoaka ho azo ampiasaina hita tao amin'ny  banifilm.ir.

Nakaton'ny Sampan-draharaha Mpanara-maso ny Gazety Iraniana ny 9 Dey, gazety henja-pisainana namoaka fijery misintaka amin'ny fifanarahana ara-nokleary voasonia teo amin'i Iran sy ny firenena P5+1, nosoniavina tao Vienna tamin'ny 13 Jolay.

Nakaton'i Iran ny gazety henja-pisainana mivoaka isan-kerinandro noho ny nitsikerany ny fifanarahana ara-nokleary

Tonga herinandro vitsivitsy taorian'ny namoahan'ny Minisiteran'ny Kolontsaina sy ny Fitarihana Islamika ho an'ny mpanao gazety Iraniana amin'ny fitarihan-dalana ara-panivanana izay fomba iresahana ny fifanarahana izao fanakatonana izao. Tamin'ny tatitra ho an'ny IranWire, novelabelarin'i Mansoureh Farahani tahaka izao ilay fitarihan-dalana :

In the directive, journalists are forbidden from publishing any articles that suggest rifts among “high-ranking authorities in Iran” — referring to President Rouhani’s administration and the Supreme Leader Ayatollah Khamenei and his closest allies. In addition, journalists have been told to not report on anything that “indoctrinates” the public into believing that the nuclear deal goes “against the nation, Islam, or revolutionary values and ideals;” they have also been instructed not to report anything that might “polarize society”.

Ao amin'ny fitarihan-dalana, dia norarana ny hamoahan'ny mpanao gazety lahatsoratra mampitriatra hevitra amin'ny “manampahefana ambony ao Iran” – manondro ny fitondram-panjakan'ny Filoha Rouhani sy ny Mpitarika Faratampony ny Ayatollah Khamenei ary ireo mpiara-dia aminy akaiky. Ankoatra izay, nolazaina ny mpanao gazety tsy hitatitra zavatra “manasa atidoha” ny vahoaka hino fa ity fifanarahana ara-nokleary ity dia “manohitra ny firenena, ny Islamo na ny soatoavina sy ny idealy revolisionera”, notoroan-dalana ihany koa ry zareo tsy hitatitra zavatra mety “hampisara-kevitra ny fiarahamonina”.

Naroson'ny fanoroan-kevitra fa izay gazety mihaika ny rafitra dia mety hiatrika fanakatonana hatramin'ny roa volana. Voalazan'ny tatitra fa misy gazety henjam-pisainana tahaka ny Kayhan ihany koa efa nahazo fampitandremana.

Naaton'ny Birao misahana ny media noho ny resaka Fifanarahan'i Iran (ara-nokleary) ny henja-pisainana mivoaka isan-kerinandro iray, nampitandrina ny Kayhan gazety sy habaka mivoaka isan'andro be mpihaino.

Fito ny mpikambana mandrafitra ny Birao manaramaso ny gazety ao Iran, izay ahitana ny rafi-pitsarana Iraniana, ny parlemanta, ny Vaomera Faratampon'ny Revolisiona ara-Kolontsaina, seminarista iray ao amin'ny Qom ary ny Minisiteran'ny Kolontsaina sy ny Siansa. Efa noraran'ny Birao ihany koa ny 9 Dey tamin'ny Avrily 2014 noho ny namoahany lahatsoratraheverina ho ‘manapa-tenda’ ny filoha sy ny fifaranarahana ara-nokleary.

Gazety avy amin'ny elatra ankavanana hiringiriny ao Iran ny 9 Dey, ary ny tompony dia i  Hamid Rasaei, mpitondra fivavahana  sady mpikambana ao amin'ny parlemanta avy ao Tehran.

Ny 9 Dey dia daty Persa manondro ny 30 Desambra, tsingerintaona manamarika ny diabe nataon'ny mpanohana ny governemanta an-dalambe tamin'ny 2009 ho fanoherana ny Hetsika Maitso.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.