Sambany Nanokatra Departemantan'ny Teny sy Haisoratra Kiorda Ny Oniversiten'i Kurdistan Ao Iran

The entrance to the University of Kurdistan. Image from ISNA use. Published with license for reuse.

Vavahadin'ny Oniversiten'i Kurdistan. Sary avy amin'ny ISNA use. Nahazoan-dalana.

Nivoaka voalohany tao amin'ny IranVoices.org ity lahatsoratra ity, nadika tamin'ny teny anglisy ary navoaka eto noho ny fifanarahana fifampizarana votoaty-.

Nanokatra departemanta vaovao momba ny Teny sy Haisoratra Kiorda ny Oniversiten'i Kurdistan ao Iran. Tamin'ny herinandro lasa teo, nanambara i Bakhtiar Sajjadi, filoha vaovaon'ny departemanta fa mpianatra 40 no noraisina hanomboka ny fianarana amin'ny volana Oktobra hoavy io.

Nilaza tamin'ny Gazety Kiorda i Sajjadi fa nahazo fahazoan-dalana avy amin'ny Minisiteran'ny Siansa, ny Fikarohana sy ny Teknolojia ny fanokafana ny departemanta. Ny Oniversiten'i Kuridstan no oniversite lehibe indrindra ao amin'ny faritanin'i Kurdistan, izay niorina tamin'ny 1974.

Sambany ny Oniversite Iraniana no manolotra fianarana ambony aorian'ny lisea hoan'ny Kiorda ao anatin'i Iran. Iray amin'ireo teny marobe tsy dia be mpampiasa ao Iran ny teny Kiorda, tahaka ny teny Turkmen, Baluch, ary Azeri, izay nifaninana ho amin'ny fahalalahana hiteny, hampianatra sy hanoratra amin'izany fiteny izany.

Monina ao avaratra-andrefan'i Iran, akaikin'ny sisintany Irakiana sy Tiorka ny ankamaroan'ny foko Kiorda ao Iran. Milaza ny tombatombana fa ahitana mponina foko Kiorda eo amin'ny 6-7 tapitrisa eo ao Iran. Nanana tantaram-pifandirana tamin'ireo manampahefana nandà matetika ny zo fototra sy ny fahalalahan'ny fiarahamonina ny Kiorda ao Iran.

Tonga teo amin'ny toerana maha-filoha azy ny Filoha Hassan Rouhani tamin'ny fampanantenana hampiasa ireo tenin'ny vitsy an'isa any an-tsekoly. Tamin'ny ankapobeany, nampiroborobo ny politikan'ny fampitoviana teo amin'ny rafi-pampianarany i Iran. Efa nolavina ireo fangatahana taloha avy amin'ny manampahefana Kiorda hametrahana fampianarana ambony manara-dalàna momba ny teny sy haisoratra Kiorda. Izany no antony nahatonga ny fifandirana, araka ny filazan'ny BBC Persiana, satria nilaza ireo mpitsipaka fa mampididoza ny maripanondroana nasionaly ny fampianarana amin'ny tenin'ny vitsy an'isa.

Nanambara ny vaovaon'ny fanokafana ny departemantan'ny Teny sy ny Haisoratra Kiorda tamin'ny 24 Jolay ny pejy Facebook mifandraika amin'i Rouhani.

Nahitana tsikera sy fankatoavana ny fanambaran'i Rouhani ireo fanehoan-kevitra tao amin'ny media sosialy. Tao amin'ny pejy Facebook-n'ny filoha, Iraniana maro no nanakiana ny governemanta ho tsy manao toy izany koa ho amin'ny fiteny Tiorka, raha nanamarika kosa ny mpiserasera sasany fa mbola mila miezaka ny governemanta mba hanamaivanana ny tsy fananana asan'ny Kiorda Iraniana. Ny hafa kosa, na izany aza, nidera ny filoha noho ny fanatanterahany ny fampanantenany tamin'ny fampielezan-kevitra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.