Habaka Fandraharahana Norahonan'ny Mpanao Sivana Rosiana Noho Ny Lahatsoratra Miresaka Bitcoin

scroogecoin

Tsy hamela izany hitranga mihitsy i Scrooge McDuck, mpankafy vola madinika. Sary namboarin'i Kevin Rothrock.

Alaivo an-tsaina ny boky iray ampiana pejy saika isan'andro, na dia toa tsy miova mihitsy aza ny tetika. Mety efa namaky ny tantaran'ny sivana Rosiana ianao izay manana vaovao hafa ankehitriny, raha nandrahona hanakatona tranokalam-baovao hafa ny mpanara-maso ny media, Roskomnadzor an'i Kremlin. Nilaza tamin'ny Zuckerberg Pozvonit, na “Miantso i Zuckerberg” (habaka mifantoka amin'ny vaovaon'ny fandraharahana amin'ny aterineto) ireo manampahefana androany fa tsy maintsy mamafa na manova ny lahatsoratra iray navoakany momba ny “BitCoins” ao anatin'ny telo andro izy. Raha mandà ny habaka dia hakaton'ny Roskomnadzor.

Roa taona mahery tamin'ny volana Aprily 2013 no namoahana ity lahatsoratra mampiady hevitra tampoka ity, izay mitondra ny lohateny hoe “Inona ny BitCoins ary iza no mila azy ireo?” (Azo jerena ato, sy voatahiry ato.)

Ity fampitandreman'ny Roskomnadzor ity dia noho ny didim-pitsarana tao Astrakhan tamin'ny volana Febroary 2015, izay nilaza ny lahatsoratry ny Zuckerberg Pozvonit  fa ahitana “fampielezana ny heloka amin'ny hetra eo amin'ny sehatra fampidirana ho ara-dalàna ny [famotsiam-bola] azo tamin'ny fomban-jiolahy” ary “misy fiantraikany ratsy eo amin'ny feon'ny fieritreretan'ny olom-pirenena manoloana ny lalàna”

Nikiry tsy ampihatra ny didim-pitsarana ny Roskomnadzor tamin'ny voalohany ary nampiakatra ny raharaha tany amin'ny fitsarana ambony mba hanome fanazavana bebe kokoa, milaza fa fampahafantarana fotsiny ilay lahatsoratra voakasika. “Mazava tsara ny fanapahan-kevitry ny fitsarana,” hoy ny fitsarana namaly tamin'ny volana Jolay. (Azo jerena ao amin'ny habaky ny Zuckerberg Pozvonit ny dika misy ny fampiakarana fitsarana ambony nataon'ny Roskomnadzor sy ny valintenin'ny fitsarana.)

Nilaza tao amin'ny Facebook i Vyacheslav Tsyplukhin, mpamorona ny Zuckerberg Pozvonit fa araka ny politikan'ny famoahan-dahatsoratra ao aminy, minia tsy miditra amin'ny resaka politika mihitsy ny fampahalalam-baovaon'ny ZP. Araka izany, nilaza i Tsyplukhin fa gaga tamin'ny fanapahan-kevitry ny fitsarana izy:

Мы ещё не обсуждали этот вопрос коллективно, но я буду отстаивать позицию, что мы не должны ничего удалять. Пускай закрывают сайт, а потом объяснят 1,8 млн читателям и всей отрасли, что происходит.

Tsy mbola niara-niresaka ity olana ity izahay saingy tazomiko ny hevitra fa tsy hanaisotra na inona na inona izahay. Avelao hanakatona ny habaka izy ireo, ary hanazava amin ‘ireo mpamakinay miisa 1,8 tapitrisa sy ny tontolon'ny fandraharahana ny zava-mitranga.

Mahatsikaiky fa roa herinandro lasa izay, nandritra ny fitsidihany tamin'ny forum lohataona hoan'ny tanora, nilaza ny fanohanany mangina ny fampiasana BitCoins ao Rosia i Vladimir Putin, nilaza mazava tsara fa tsy tokony horaràna ny fandraharahana ara-bola mampiasa soramiafina (crypto-monnaie). “Afaka mampiasa azy ireo ny olona,” hoy izy tamin'ny vahoaka. “Miely hatrany eny amin'ny toeran-kafa izy ireny tao ho ao.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.