Raha Toera-Pisotroana i Afrika? Mifanohina ny Samy Afrikana

 

A public drinking place in Joe Slovo Park, Cape Town, South Africa. Creative Commons photo uploaded by Wikipedia user Discott.

Toera-pisotroana ampahibemaso ao Joe Slovo Park, Le Cap, Afrika Atsimo. Sary Creative Commons nampidirin'ny mpisera Wikipedia Discott.

Misy ny fotoana mba samy mifanohina ao amin'ny Twitter ny samy Afrikana. Nisy sioka kinangananga natombok'i Siyanda- Panda, mpanoratra iray avy ao Botswana, niteraka ity diezy #IfAfricaWasABar [Raha toera-pisotroana iray i Afrika] ity.

Nanontany i Siyanda :

Raha toera-pisotroana iray i Afrika, inona no nosotroina/nataon'ny firenenao?

Toa masimasina zavatra zaraina i Nizeria sy i Kenya :

Raha toera-pisotroana iray i Afrika, i Kenya dia ho ilay boay maka sary miaraka amin'ny zava-pisotron'olon-kafa

Raha toera-pisotroana iray i Afrika, i Kenya dia ho ilay boay tompon'ny bara, pikla ao ivelany, mpivaro-kena ny eo anilany ary mpivaro-panafody etsy ampita.

Raha toera-pisotroana iray i Afrika … i Nizeria dia ilay boay efa zokinjokiny ao amin'ny bara nefa manana kara-panondro sandoka milaza va 19 taona izy

Raha toera-pisotroana iray i Afrika i Nizeria dia ho ilay boto mpanakarena miezaka ny hiara-mandihy amin'ny sipa rehetra hitany.

Raha toera-pisotroana iray i Afrika, i Nizeria dia ho ilay bandy be tabataba izay te-hojerena hatrany.

Raha toera-pisotroana iray i Afrika, ho Nizeriana ny DJ

Madagasikara dia ilay jomoka be, araka an'i @Nanjala1:

Raha toera-pisotroana iray i Afrika, i Madagasikara dia ilay sipa tonga irery, nisotro sy nandihy, dia nandao ny toerana mialoha ny hanamarihan'ny rehetra azy.

Zimbabwe mbola hifikitra any amin'ny lasa, hoy ny siokan'i @Captain_FBS :

Raha toera-pisotroana iray i Afrika, i Zimbabwe dia ilay bandy manelingelina ny rehetra amin'ny “fotoana nananany vola[be]” [naotin'ny mpandika amin'ny teny malagasy : Any Zimbabwe ilay efa amina arivo miliara ny sandan'ny vola miasa any]

Tanzania ataon'ny mpamazivazy vitsy fihomehezana:

Raha toera-pisotroana iray i Afrika, i Tanzania dia ho andiana sipa tsy misy manatona nandritra ny alina dia lazain-dry zareo fa “Fiarahan'ny Sipa Mivoaka” anie iny e

Raha toera-pisotroana iray i Afrika, i Tanzania ilay bandy lasa mahay miteny anglisy eny an-dalana rehefa mamo

Ethiopia tsy hatahotra ny fandoavana ny vola rehetra, izany no vazivazin'i @Chrisposure :

Raha toera-pisotroana iray i Afrika, handefa ny zava-pisotro rehetra any Ethiopia ny bandy rehetra.

Na ny Boko Haram aza mety ho ao amin'ny bara :

Raha toera-pisotroana iray i Afrika, ho lasa any amin'ny alin'ny vehivavy ny Boko Haram

Voasaringotra ao amin'ny siotsioka ihany koa i Etazonia, i Shina ary i Eoropa :

Raha toera-pisotroana iray i Afrika, ho mamo tampina i Eoropa sy i Shina…

Raha toera-pisotroana iray ao amin'ny trano fiavahiniana lafovidy i Afrika, dia ho BETSAKA lahiantitra fotsy voretra mivembena eo ivelany

Raha toera-pisotroana iray i Afrika, i Etazonia sy i Eoropa ho be fananarana amin'ny rehetra amin'ny fisotroana be loatra, sady mampakatra ny verany ambony amin'izany fotoana izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.