Loka Archibald Ao Aostralia: ‘Iza No Milaza Fa Tsy Misy Vidiny Ny Heloka Bevava?’

Charles Waterstreet. Photo by @lilymayers, reposted with permission

Charles Waterstreet. Sary avy amin'ny @lilymayers, nahazoan-dalana

Manohy ny zava-mahazatra azy hatry ny ela mampiteraka adihevitra hatrany ny Loka Archibald, fifaninanana ara-javakanto iray mamirapiratra indrindra ao Aostralia. Loka iray omena kokoa amin'ny fanaovana ny sarintavan'ny lehilahy na vehivavy miavaka eo amin'ny sehatry ny zavakanto, haisoratra, siansa na politika, nolokoin'ny mpanakanto iray monina ao Aostralazia izany.

Na ny artista, Nigel Milsom, na ny natao hosodoko Charles Waterstreet, dia efa samy manana tantara marevaka eo anatrehan'ny lalàna. Nihaona izy ireo ary lasa mpinamana raha voaheloka sy nampidirina am-ponja tamin'ny raharaham-pandrobàna mitam-piadiana i Milsom tamin'ny taona 2012. Waterstreet no mpisolovavany tamin'izany. Fantatra kokoa amin'ny maha mpiara-namorona ny tantara mitohy amin'ny fahitalavitra mitondra ny lohateny hoe “Rake” izy, ka ny mpandray anjara fototra ao amin'io tantara io, Cleaver Greene, dia toa mifototra vinaninany amin'ny fiainany sy ny asany. Ny fireharehany amin'ny fampitan-kafatra (retweet) no nahafahana nampijoroana ny fifandraisany:

Tsy hoe mampitolagaga ihany ny Rake-ny araka izay nolokoin'i Nigel Milson fa mendrika ny hahazo ny Archibald ihany koa!

Raha ny marina, indraindray toy ny hoe i Charles no nahazo ny loka:

Nanao antsafa an'i Charles Waterstreet mampiagolangola aho androany

Tsy ny mpankafy zavakanto rehetra no nankasitraka ireo lohatenim-baovao tamin'ny haino aman-jery maro izay nifantoka tamin'ny heloka bevava vitan'i Milsom:

Mampalahelo ny fifantohan'ny fampahalalam-baovao amin'ny fijery matroka momba ilay nahazo ny #archibald2015 tamin'ity taona ity. Efa nahavita ny saziny izy, andeha hankalazaina ankehitriny ny lokany.

Tsy misy toerana hoan'ny famelan-keloka ho fanavotana ao amin'ny vaovaon-gazety “jiolahy mitam-piadiana taloha no nahazo ny Loka Archibald (ABC News 24)

Tsy menatra kosa ny hafa tao amin'ny Twitter manasongadina ny heloka bevava vitany taloha:

Iza no milaza fa tsy misy sandany ny heloka bevava? Nahazo ny Archibald i Nigel Milsom

Tsy azo ihodivirana ireo tsikera antserasera ara-javakanto. Lohahevitra niverimberina momba ny Archibald izany fa safidy ratsy ny fanendrena ny mpandresy :

Tena marina ve? loka 100 000 dolara amin'io? Tena marina?

Ity sioka ity kosa dia milaza momba ilay nampifaninanana avy amin'i William Dobell tamin'ny 1943, izay niatrika tsy nahomby tamin'ny fanamby ara-pitsarana iray ka nilaza fa sariitatra ilay izy fa tsy tena sarintava.

Nataon'i Francis Bacon ny nahazo loka tamin'ny Archibad, mangalatra i Bill Dobell …..mbola matiantoka indray ny zavakanto …

Nilaza ny fitoviana mba ho hitan'ny rehetra i Raichel :

Mijery lafin-javatra tsara kosa i Joanna Mendelssohn ao amin'ny The Conversation, milaza fa fetiben'ny endrika “manalavoly indrindra” antsika izany. Nanazava izy hoe:

First, the Archibald is – in essence – not an art prize but a celebration of the personalities who define Australia, and especially Sydney. Waterstreet, the flamboyant inspiration for the ABC television series Rake, has to be a front runner on those grounds alone.

In addition, Milsom was the winner of the 2013 Moran Prize – and a convicted criminal – all of which makes good copy. The Archibald is, above all things, about media coverage.


Voalohany, ny Archibald – amin'ny ankapobeny – dia tsy loka ara-javakanto fa fankalazana ireo olo-malaza mamaritra an'i Aostralia, indrindra fa i Sydney. Tsy maintsy mpihazakazaka lohalaharana amin'ireny kianja manirery ireny i Waterstreet, ilay aingam-panahy mamiratry ny tantara mitohy amin'ny fahitalavitra ABCRake.

Fanampin'izany, mpandresy ny Loka Moran 2013 i Milsom – sady jiolahy voaheloka – izay lasa dika mitovy tsara. Ny Archibald, alohan'ny zava-drehetra dia momba ny fitantarana amin'ny haino aman-jery

Anisan'ny tena mahabe resaka amin'ny lokan'ny haisoratra sy zavakanto Aostraliana ny tsy fisian'ny miralenta. Teboka mampifanditra izany amin'ny Archibald, na amin'ny artista na ny zavatra entiny [vokatra]. Marobe ireo sioka mampifandray ny lahatsoratra an-gazetin'ny Sydney Morning Herald Loka Archibald 2015: Manome herim-po izay mandresy:

Loka Archibald 2015: Manome herim-po izay mandresy

Farany, nizara lahatsary malaza avy amin'ny Broadcasting Corporation Astraliana i Peter Pidgeon, izay ahitana ny fisian'ny fifandraisany:

Fandresena 3 an'ny Wep: 1958, 1961 & 1968; sary # 37, # 40 & # 46 – Ny Fiovan'endriky ny Archibald: 1921-2015  http://t.co/r2D7T3IvLq

Izao no ahafahanao mitsara ny fahamendrehan'ny mpandresy

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.