Mamadibadika ny tantaran'i Madagasikara amin'ny alalan'ny sary fahiny

Online Photo Museum of Madagascar with their Permission

Mozean-tsary an-tseraseran'i Madagasikara, nahazoana alalana

Manahirana matetika ny fahazoana ny sarin-tantaran'ireo firenena voazanaka taty Afrika noho ny famerana fatratra ny fahazoana mijery ireo tahirin-kevitra ara-tantara. Nikaroka ny hamahana izany olana izany i Helihanta RAJAONARISON sy i Tsiry Fy-Tia SOLOFOMIHANTA avy eto Madagasikara ka nametraka ny tantaran'i Madagasikara hahafinaritra kokoa ho an'ny sarambabem-bahoaka tamin'ny fananganana ny Mozea an-tseraseran'i Madagasikara amin'ny alalan'ireo angon-tsary fahiny.

Tamin'ny 27 jolay 2015 no nahaveloman'ny tranonkala ary ahitana ny topimason'ny fiainana andavanandro teto Madagasikara hatramin'ny 1850 ka hatramin'ny 1960. Mndrafitra vanim-potoana efatra lehibe ireo angon-tsary ireo: Vanim-Potoana talohan'ny fanjanahantany, vanim-potoana fanjanahantany, foto-drafitr'asa lehibe, fiainana andavanandro ary fahaleovantena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.