Mitety An'i Brighton : Ireo Adiresy Tsara Avy Amin'ny Global Voices

Miala any ny fialantsasatry ny lohataona ary dia asainay ianareo hihataka kely amin'ny mahazatra, virtoaly fotsiny ary mety ho tena izy koa. Tena ‘mifindrafindra toerana’ be ireo mpandray anjara ato amin'ny Global Voices ary miaina na niaina saiky tany rehetra tany, tao Frantsa ka hatrany Shina na Meksika. Amin'ity lohataona ity, hampianoka anao ireo toerana nandrian'ny fony any amin'ny toerana misy azy ankehitriny izahay. Ity andiany ity dia natombokay tamin'i Abdelmadjid izay mipetraka ao Londona sy Claire izay mampahafantatra antsika ny Parisy-ny. Lasa àry isika ho aminà toerana telo anasàna antsika, ankoatra ireo hafa marobe, izay ry zareo ihany no nanao ny safidy saingy arahan'ny fijery misokatra hatrany amin'izao tontolo izao. Androany dia i  Gwenaëlle no hitondra antsika hitety an'i Brighton

Brighton dia toerana iray amoron-dranomasina any amorontsirak'i Angletera, misy mponina 275.000, voron-dranomasisna “mouettes” sy fosa, ary ora iray monja miala an'i Londona. Nivoatra izy nanomboka tamin'ny 1730, teo ambanin'ny fitarihan'i Dr Russell, mpamaky lay tamin'ny fitsaboana amin'ny alàlan'ny “thalassothérapie”… saingy ny azy dia narahana fisotroana ranomasina! Avy eo, tany amin'ny 1790 tany ho any, ny printsy mpitantana fanjakàna izay ho lasa ny mpanjaka George IV taty aoriana no nametraka ny toerana fonenany sy ny trano fandihizany azy manokana tao. Tsy niova ny filôzôfian'ilay tanàna nanomboka tamin'izay vanim-potoana izany : ao Brighton, ankamamiana ny fanaovana fiainana sy fihinànana : tongasoa!

Ny “Royal Pavilion”
Le Royal Pavilion, photographie de l'utilisateur de Flickr Luke Andrew Scowen, CC BY-SA 2.0.

Ny “Royal Pavilion”, sary an'i Luke Andrew Scowen, mpampiasa Flickr, CC BY-SA 2.0.

Raha sambany ianao no tonga ao Brighton, tsy vitanao ny tsy hitsidika ny “Royal Pavilion” : ilay lapa indiana (ety ivelany) ary shinoa (raha ny atiny) no trano faharoa fonenana hafahafa sy niteraka resabe fampiasan'i George IV. Avy eo izy io namidin'ny tanàna tamin'ny mpanjakavavy Victoria izay tsy nahazaka azy. Nikarakara asa fanarenana naharitra fotoana ela ny tanàna mba hamerenana azy araka izay tratra haka ny endriny nampiavaka azy manokana tany ampiandohana … saingy tsy ho vitan'ny fanazavako ny hanomana anao amin'ny zavatra handona ny maso miandry anao any ! Ary raha momba ny zaridaina manodidina azy indray, toerana lafatra azo hanaovana fivoahana sy hialàna sasatra eo raha toa ka be rivotra loatra ny ery amin'ny torapasika.

Ny “Lanes” sy ny “North Laine”
North Laine, photographie de l'utilisateur de Flickr Ed Schipul, CC BY-SA 2.0.

North Laine, sary an'i Ed Schipul, mpampiasa Flickr- CC BY-SA 2.0.

Amin'ny andaniny sy ankilan'ny “Royal Pavilion” no misy faritra roa samy goavana sy tsy misy itoviany. Eo anelanelan'ny “Royal Pavilion” sy ny torapasika, ireo no “Lanes”, tambajotranà làlankely feno mpivarotra izay ahafahana maka saina ny dikan'izany atao hoe miantsena tamin'ny Fahagola izany. Ao avaratry ny “Royal Pavilion”, ny North Laine no faritra voalohany mahaleotena : trano fivarotana sy kafe voajanahary, manaja ny tontolo iainana sy/na mpihinana zava-maitso hatramin'ireo tsena goavana ahitàna ny karazana enta-madinika rehetra. Ny loko, ny toetra maresaka ao aminy no mahasarika anao ho eny, ary maninona moa, mba hisotro kafe na hitady toerana fisotroana manana toerana malalaka kely somary mihataka. Ilay tena tiako dia tsy izay tena raitra akory saingy kosa mety ahazoana fialantsasatra tsara : ao Wai Kika Moo Kau, tonga hatreny amparan'ilay kafe ny hazavàna noho ilay lavarangana ao anatiny. Tsy ny fahita mahazatra…. ireo milkshakes sy zava-pisotoro amboarina ao aminy ihany (andramo ohatra ny sakamalaho ao anatin'ny zava-pisotronao !) ary ny karatra filazàn-sakafo dia manome anao safidy, ho an'izay mpihinana ravi-maitso, sy ny hafa rehetra.

Aiza no hipetraka (hiala sasatra) sady handray  ny « Afternoon Tea » mampiavaka azy: Metro Deco, Small Batch Coffee Company

Manomboka amin'ny fanaka ka hatramin'ny taovolon'ireo mpandroso sakafo, miendrika taokanto daholo na lamaodin'ny fahiny ny rehetra ao amin'ny Metro Deco … hatramin'ireo mpanjifa sasantsasany ! Matsiro ery ireo dite karakarain'ny ao an-trano (MDTea) ary lehibe ireo silaka mofomamy, ary raha toa ianao ka manana alika miaraka aminao, dia voaray amin-tsikitsiky koa iny.

Un Afternoon Tea à Metro Deco... photographie de l'utilisateur de Flickr Mike Fleming CC BY-SA 2.0.

ny “Afternoon Tea” ao amin'ny Metro Deco… sary an'i Mike Fleming, mpampiasa Flickr- CC BY-SA 2.0.

Momba ny Small Batch Coffee Company indray, ho an'i Brighton dia izy no toy ny Starbucks any Seattle : vàkan'orinasa iray ao an-toerana, mbola tanora ihany saingy efa niparitaka nanerana ny tanàna tao anatin'ny taona vitsivitsy. Araka izay anarany izay, isaky ny maraina no totoina ny kafe ary tsy atao betsaka (roa ambinifolo kilao raha betsaka indrindra) mba tsy hanolorana afa-tsy kafe vao. Fa izao koa, tsara tsiro koa ny sôkôlà mafana sy ny dite ao amin-dry zareo an ! Afaka mahita azy ireny mora foana ianareo satria efa manana adiresy miparitaka amin'ireo toerana samihafa malaza ao Brighton ry zareo ankehitriny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.